1 ULB Ary tamin'ny taona fahenina sy ny volana fahenina, tamin'ny andro fahadimin'ny volana, raha nipetraka tao an-tranoko aho ary ireo loholon'i Joda nipetraka teo anoloako, dia nilatsaka teo amiko tao indray ny tanan'ny Tompo Yaveh. BSB BSB: In the sixth year, on the fifth day of the sixth month, I was sitting in my house, and the elders of Judah were sitting before me; and there the hand of the Lord GOD fell upon me.
2 ULB Ka nijery aho, ary indro, nisy endrika lehilahy. Nisy afo nanomboka teo amin'ny andilany midina. Ary nanomboka teo amin'ny andilany miakatra dia niendrika zavatra mamirapiratra, tahaka ny vy manjelatra. BSB BSB: Then I looked and saw a figure like that of a man. From His waist down His appearance was like fire, and from His waist up He was as bright as the gleam of amber.
3 ULB Ary naninjitra miendrika tanana izy ka nandray ahy tamin'ny volon-dohako; nanandratra ahy teo afovoan'ny tany sy ny lanitra ilay Fanahy, ary tamin'ireo fahitana avy tamin'Andriamanitra, no nitondrany ahy tany Jerosalema, teo amin'ny fidirana anatin'ny vavahady avaratra, izay nijoroan'ny sampy izay nihantsy asarotapiaro lehibe. BSB BSB: He stretched out what looked like a hand and took me by the hair of my head. Then the Spirit lifted me up between earth and heaven and carried me in visions of God to Jerusalem, to the entrance of the north gate of the inner court, where the idol that provokes jealousy was seated.
4 ULB Ary indro, ny voninahitr'ilay Andriamanitr'Israely dia tao, araka ny fahitana izay hitako teo amin'ny tany lemaka. BSB BSB: And there I saw the glory of the God of Israel, like the vision I had seen in the plain.
5 ULB Ary hoy izy tamiko hoe: "Ry zanak'olona, asandrato mianavaratra ny masonao." Ka dia nasandratro mianavaratra ny masoko, ary teo avaratry ny vavahady mankeo amin'ny alitara, teo amin'ny fidirana, ilay sampin'ny asarotapiaro. BSB BSB: “Son of man,” He said to me, “now lift up your eyes to the north.” So I lifted up my eyes to the north, and in the entrance north of the Altar Gate I saw this idol of jealousy.
6 ULB Ka hoy izy tamiko hoe: "Ry zanak'olona, mahita izay ataon'izy ireo ve ianao? Ireo dia fahavetavetana lehibe izay ataon'ny ankohonan'Israely eto mba hampiala lavitra Ahy amin'ny fitoerako masina. Fa hitodika ianao ary hahita fahavetavetana lehibe kokoa aza." BSB BSB: “Son of man,” He said to me, “do you see what they are doing—the great abominations that the house of Israel is committing—to drive Me far from My sanctuary? Yet you will see even greater abominations.”
7 ULB Avy eo dia nentiny teo am-baravaran'ny kianja aho, ary nijery, dia nisy lavaka iray teo amin'ny rindrina. BSB BSB: Then He brought me to the entrance to the court, and I looked and saw a hole in the wall.
8 ULB Hoy izy tamiko hoe: "Ry zanak'olona, lavao io rindrina io." Koa nandavaka ilay rindrina aho, dia nisy varavarana. BSB BSB: “Son of man,” He told me, “dig through the wall.” So I dug through the wall and discovered a doorway.
9 ULB Ary hoy izy tamiko hoe: "Mandehana ary jereo ny fahavetavetana mahatsiravina izay ataon'izy ireo ato." BSB BSB: Then He said to me, “Go in and see the wicked abominations they are committing here.”
10 ULB Ka niditra aho ary nijery, ary indro! Nisy karazan-javatra mandady sy biby mahatsiravina! Ny sampin'ny ankohonan'Israely rehetra dia voasokitra tamin'ny rindrina manodidina rehetra. BSB BSB: So I went in and looked, and engraved all around the wall was every kind of crawling creature and detestable beast, along with all the idols of the house of Israel.
11 ULB Nisy loholon'ny ankohonan'Israely fitopolo tao, ary Jazania zanaka lahin'i Safana dia nijoro teo afovoan'izy ireo. Nitsangana teo anoloan'ireo sarin-javatra izy ireo, ary ny lehilahy tsirairay dia samy nitondra ny fitondrana afony teny an-tanany avy mba hampiakatra ny fofon-tsetroky ny ditin-kazo manitra. BSB BSB: Before them stood seventy elders of the house of Israel, with Jaazaniah son of Shaphan standing among them. Each had a censer in his hand, and a fragrant cloud of incense was rising.
12 ULB Hoy izy tamiko: "Ry zanak'olona, hitanao ve ny ataon'ireo loholon'ny ankohonan'Israely ao amin'ny maizina? Ny tsirairay dia samy manao izany ao amin'ny efitra miafin'ny sampiny, fa ho izy ireo hoe: 'Tsy mahita antsika Yaveh! Efa nafoin'i Yaveh ny tany.'" BSB BSB: “Son of man,” He said to me, “do you see what the elders of the house of Israel are doing in the darkness, each at the shrine of his own idol? For they are saying, ‘The LORD does not see us; the LORD has forsaken the land.’”
13 ULB Ary hoy izy tamiko: "Mitodiha indray ary jereo ireo fahavetavetana lehibe hafa izay ataon'izy ireo." BSB BSB: Again, He told me, “You will see them committing even greater abominations.”
14 ULB Avy eo nentiny nankao amin'ny vavahady fidirana ao an-tranon'i Yaveh izay teo amin'ny lafiny avaratra aho, ary indro! Nipetraka nisaona an'i Tamoza tao ireo vehivavy. BSB BSB: Then He brought me to the entrance of the north gate of the house of the LORD, and I saw women sitting there, weeping for Tammuz.
15 ULB Ka hoy izy tamiko: "Hitanao ve izao, ry zanak'olona? Mitodiha indray ary jereo hatramin'ireo fahavetavetana lehibe noho ireo aza." BSB BSB: “Son of man,” He said to me, “do you see this? Yet you will see even greater abominations than these.”
16 ULB Nentiny tao amin'ny kianja anatiny tao an-tranon'i Yaveh aho, ary indro! teo amin'ny fidirana tao amin'ny tempolin'i Yaveh teo anelanelan'ny lavarangana sy ny alitara, dia nisy lehilahy teo amin'ny dimy amby roapolo teo ho eo nanome lamosina ny tempolin'i Yaveh ary niantsinanana ny tavan'izy ireo, ary nanompo ny masoandro izy ireo. BSB BSB: So He brought me to the inner court of the house of the LORD, and there at the entrance to the temple of the LORD, between the portico and the altar, were about twenty-five men with their backs to the temple of the LORD and their faces toward the east; and they were bowing to the east in worship of the sun.
17 ULB Hoy izy tamiko hoe: "Hitanao ve izao, ry zanak'olona? Moa ve zavatra kely ho an'ny ankohonan'i Joda ny fanaovana ireo fahavetavetana izay ataon'izy ireo eto? Fa efa nofenoin'izy ireo herisetra ny tany ary mbola niodina mba hihantsy Ahy amin'ny fahatezerako indray izy ireo, tamin'ny fametrahana rantsa-kazo eo amin'ny oron'izy ireo. BSB BSB: “Son of man,” He said to me, “do you see this? Is it not enough for the house of Judah to commit the abominations they are practicing here, that they must also fill the land with violence and continually provoke Me to anger? Look, they are even putting the branch to their nose!
18 ULB Koa hiasa eo amin'izy ireo ihany koa Aho; tsy hanana fangorahana ny masoko, ary tsy hamindra fo azy ireo Aho. Na dia mitomany amin'ny feo mafy eo an-tsofiko aza izy ireo, dia tsy hihaino azy ireo Aho." BSB BSB: Therefore I will respond with wrath. I will not look on them with pity, nor will I spare them. Although they shout loudly in My ears, I will not listen to them.”
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.