1 ULB Ary nitomany teo an-tsofiko tamin'ny feo mafy izy, nanao hoe: "Aoka hiakatra ao an-tanàna ireo mpiambina, miaraka amin'ny fitaovam-piadiana fandravana eny an-tanany avy." BSB BSB: Then I heard Him call out in a loud voice, saying, “Draw near, O executioners of the city, each with a weapon of destruction in hand.”
2 ULB Ary indro! Nisy lehilahy enina tonga avy any amin'ny lalan'ny vavahady ambony izay mitodika mianavaratra, samy niaraka tamin'ny fitaovam-piadiana famonoana teny an-tanany avy. Nisy lehilahy iray niankanjo rongony fotsy niaraka tamina fitaovan'ny mpanora-dalàna teny anilany teo afovoan'izy ireo. Ka niditra izy ireo ary nijoro teo akaikin'ny alitara varahina. BSB BSB: And I saw six men coming from the direction of the Upper Gate, which faces north, each with a weapon of slaughter in his hand. With them was another man clothed in linen who had a writing kit at his side. And they came in and stood beside the bronze altar.
3 ULB Ary ny voninahitr'ilay Andriamanitr'Israely niakatra avy tao amin'ny kerobima izay teo an-tokonam-baravaran'ny trano. Niantso ilay lehilahy niakanjo rongony fotsy izay nanana ny fitaovan'ny mpanora-dalàna teny anilany Izy. BSB BSB: Then the glory of the God of Israel rose from above the cherubim, where it had been, and moved to the threshold of the temple. And He called to the man clothed in linen who had the writing kit at his side.
4 ULB Hoy Yaveh taminy hoe: "Mandehana eo afovoan'ny tanàna—afovoan'i Jerosalema—ary asio marika eo amin'ny handrin'ireo izay mitaraina sy misento ny amin'ireo fahavetavetana rehetra natao teo afovoan'ny tanàna." BSB BSB: “Go throughout the city of Jerusalem,” said the LORD, “and put a mark on the foreheads of the men sighing and groaning over all the abominations committed there.”
5 ULB Ary niresaka tamin'ireo hafa teo an-tsofiko Izy hoe: "Mandehana manaraka azy ao an-tanàna ary mamonoa. Aoka tsy hanana fangorahana ny masonao, ary aza miantra BSB BSB: And as I listened, He said to the others, “Follow him through the city and start killing; do not show pity or spare anyone!
6 ULB na olona antitra, tanora, virijiny, zaza madinika na vehivavy. Vonoy daholo izy ireo! Fa aza manatona izay misy marika eo amin'ny lohany. Atomboy ao amin'ny fitoerako masina!" Ka dia nanomboka tamin'ireo loholona izay teo anoloan'ny trano izy ireo. BSB BSB: Slaughter the old men, the young men and maidens, the women and children; but do not go near anyone who has the mark. Now begin at My sanctuary.” So they began with the elders who were before the temple.
7 ULB Hoy izy tamin'izy ireo hoe: "Lotoy ny trano, ary fenoy faty ny kianjan'izany. Mivoaha!" Ka nivoaka izy ireo ary nanafika ny tanàna. BSB BSB: Then He told them, “Defile the temple and fill the courts with the slain. Go forth!” So they went out and began killing throughout the city.
8 ULB Raha mbola nanafika izany izy ireo, dia hitako fa irery aho ary nampiankohoka ny tavako aho ary nitaraina ka nanao hoe: "Indrisy, ry Tompo Yaveh, handrava ireo sisa tavelan'Israely rehetra amin'ny fandrarahana ny fahatezeranao amin'i Jerosalema ve Ianao?" BSB BSB: While they were killing, I was left alone. And I fell facedown and cried out, “Oh, Lord GOD, when You pour out Your wrath on Jerusalem, will You destroy the entire remnant of Israel?”
9 ULB Hoy Izy tamiko hoe: "Tafahoatra tokoa ny heloky ny ankohonan'Israely sy Joda. Feno rà ny tany ary feno fahavetavetana ny tanàna, satria hoy izy ireo hoe: 'Efa nanadino ny tany i Yaveh, ary 'tsy mahita i Yaveh!' BSB BSB: He replied, “The iniquity of the house of Israel and Judah is exceedingly great. The land is full of bloodshed, and the city is full of perversity. For they say, ‘The LORD has forsaken the land; the LORD does not see.’
10 ULB Koa noho izany, tsy hijery amim-pangorahana ny masoko, ary tsy hitsitsy azy ireo Aho. Fa hitondra izany rehetra izany ho eo an-dohan'izy ireo kosa Aho." BSB BSB: But as for Me, I will not look on them with pity, nor will I spare them. I will bring their deeds down upon their own heads.”
11 ULB Indro! Niverina ilay lehilahy niakanjo rongony fotsy izay nanana ny fitaovan'ny mpanora-dalàna teny anilany. Nitatitra izy ary niteny hoe: "Efa nataoko izay rehetra nandidianao." BSB BSB: Then the man clothed in linen with the writing kit at his side reported back, “I have done as You commanded.”
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.