1 ULB Rehefa vita ireo zavatra ireo, dia nanatona ahy ireo manam-pahefana ary nanao hoe: "Ny vahoakan'Israely, ireo mpisorona, ary ireo Levita dia tsy nanasaraka ny tenan'izy ireo tamin'ireo olona avy any an-tany hafa sy ny fahavetavetany: dia ireo Kananita, Hitita, Perizita, Jebosita, Amonita, Moabita, Egyptiana ary Amorita. BSB BSB: After these things had been accomplished, the leaders approached me and said, “The people of Israel, including the priests and Levites, have not kept themselves separate from the surrounding peoples whose abominations are like those of the Canaanites, Hittites, Perizzites, Jebusites, Ammonites, Moabites, Egyptians, and Amorites.
2 ULB Fa nalain'izy ireo ny sasany tamin'ireo zanany vavy sy zanany lahy, ary nafangaron'izy ireo tamin'ny vahiny ny vahoaka masina, ary ireo manam-pahefana sy ireo mpitarika no voalohany tamin'izany tsy fahatokiana izany." BSB BSB: Indeed, the Israelites have taken some of their daughters as wives for themselves and their sons, so that the holy seed has been mixed with the people of the land. And the leaders and officials have taken the lead in this unfaithfulness!”
3 ULB Rehefa nandre izany aho, dia nandrovitra ny fitafiako sy ny akanjo lavako ka nanongotra ny volon-dohako sy ny volom-bavako, ary nipetraka, torotoro. BSB BSB: When I heard this report, I tore my tunic and cloak, pulled out some hair from my head and beard, and sat down in horror.
4 ULB Ireo rehetra izay nangorohoro tamin'ny tenin'ny Andriamanitr'Israely mahakasika izany tsy fahatokiana izany dia niangona teo amiko raha iny nipetraka am-pahamenarana hatramin'ny fanatitra hariva iny aho. BSB BSB: Then everyone who trembled at the words of the God of Israel gathered around me because of the unfaithfulness of the exiles, while I sat there in horror until the evening offering.
5 ULB Fa tamin'ny fanatitra hariva dia niarina avy tamin'ny toeran'ny fahafaham-barakako tamin'ny fitafiako sy ny akanjo lavako rovitra aho, ka nandohalika ary namelatra ny tanako ho amin'i Yaveh Andriamanitro. BSB BSB: At the evening offering, I got up from my humiliation with my tunic and cloak torn, and I fell on my knees, spread out my hands to the LORD my God,
6 ULB Hoy aho hoe: "Andriamanitro o, menatra sy mangahiahy ny hanandratra ny tavako eo aminao aho, fa miakatra mihoatry ny lohanay ny helokay, ary ny fahamelohanay mihombo hatrany an-danitra. BSB BSB: and said: “O my God, I am ashamed and embarrassed to lift up my face to You, my God, because our iniquities are higher than our heads, and our guilt has reached the heavens.
7 ULB Nanomboka tamin'ny andron'ny razambenay mandrak'ankehitriny dia tao anaty fahamelohana lehibe izahay. Tao anatin'ny helokay izahay, ireo mpanjakanay, sy ireo mpisoronay no natolotra ho eo an-tanan'ireo mpanjakan'ity izao tontolo izao ity, ho eo amin'ny sabatra, ho eo amin'ny fahababoana, ho eo amin'ny babo sy ny tarehy mangahiahy, tahaka anay anio. BSB BSB: From the days of our fathers to this day, our guilt has been great. Because of our iniquities, we and our kings and priests have been delivered into the hands of the kings of the earth and subjected to the sword and to captivity, to pillage and humiliation, as we are this day.
8 ULB Ankehitriny anefa tao anaty fotoana fohy, dia tonga taminay ny indrafo avy amin'i Yaveh Andriamanitray mba hamela sisa velona eo aminay ka hanome anay fifikirana eo amin'ny fitoerany masina. An'ny Andriamanitray ny manazava ny masonay sy manome fiatoana kely amin'ny fanandevozana anay. BSB BSB: But now, for a brief moment, grace has come from the LORD our God to preserve for us a remnant and to give us a stake in His holy place. Even in our bondage, our God has given us new life and light to our eyes.
9 ULB Fa andevo izahay, nefa tsy nanadino anay ny Andriamanitray fa nanitatra ny fanekena mahatoky taminay. Nanao izany teo imason'ny mpanjakan'i Persia Izy mba hanome hery vao ho anay, mba hafahanay manorina ny tranon'ny Andriamanitray indray ka hanangana ny faharavany. Nanao izany Izy mba hanomezany manda fiarovana ho anay ao Joda sy Jerosalema. BSB BSB: Though we are slaves, our God has not forsaken us in our bondage, but He has extended to us grace in the sight of the kings of Persia, giving us new life to rebuild the house of our God and repair its ruins, and giving us a wall of protection in Judah and Jerusalem.
10 ULB Fa ankehitriny kosa, ry Andriamanitray, inona no azonay ambara aorian'izao? Nanadino ireo didinao izahay, BSB BSB: And now, our God, what can we say after this? For we have forsaken the commandments
11 ULB dia ny didy izay nomenao ireo mpaminany mpanomponao, rehefa niteny Ianao hoe: "Ity tany izay hidiranareo ho fanananareo ity dia tany maloto. Voaloton'ny olon'ity tany ity tamin'ny fahavetavetan'izy ireo izany. Nofenoin'izy ireo ny fahalotoan'izy ireo hatrany amin'ny ilany iray ka hatrany amin'ny hafa izany. BSB BSB: that You gave through Your servants the prophets, saying: ‘The land that you are entering to possess is a land polluted by the impurity of its peoples and the abominations with which they have filled it from end to end.
12 ULB Ankehitriny ary, aza omena ny zanak'izy ireo lahy ny zanakareo vavy; aza maka ny zanak'izy ireo vavy ho an'ny zanakareo lahy, ary aza mitady fihavanana sy fanampiana amin'izy ireo, mba hatanjaka ianareo ary hihinana ny tsara avy amin'ny tany, ka hahatonga ny zanakareo ho tompon'izany amin'ny fotoana rehetra." BSB BSB: Now, therefore, do not give your daughters in marriage to their sons or take their daughters for your sons. Never seek their peace or prosperity, so that you may be strong and may eat the good things of the land, leaving it as an inheritance to your sons forever.’
13 ULB Kanefa taorian'ny zavatra rehetra izay nanjo anay nohon'ny asa ratsinay sy ny fahamelohanay lehibe—satria Ianao, Andriamanitray, dia nihazona izay mendrika ny helokay ka namela anay ho velona— BSB BSB: After all that has come upon us because of our evil deeds and our great guilt (though You, our God, have punished us less than our iniquities deserve and have given us such a remnant as this),
14 ULB tokony handika ireo didinao indray ve izahay ka hifanambady amin'ireo vahoaka vetaveta ireo? Tsy ho tezitra ve Ianao ka handringana anay mba tsy hisy ho tavela, tsy hisy anankiray ho tafandositra? BSB BSB: shall we again break Your commandments and intermarry with the peoples who commit these abominations? Would You not become so angry with us as to wipe us out, leaving no remnant or survivor?
15 ULB Ry Yaveh, Andriamanitr'Israely, marina Ianao, fa vitsy izahay no sisa velona amin'izao anio izao. Indro! Indreto izahay eto anatrehanao amin'ny fahamelohanay, fa tsy misy afaka hijoro eo anatrehanao nohon'ny amin'izany. BSB BSB: O LORD, God of Israel, You are righteous! For we remain this day as a remnant. Here we are before You in our guilt, though because of it no one can stand before You.”
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.