1 ULB Milaza aho fa ny mpandova, raha mbola zaza izy, dia tsy hafa amin'ny andevo, na dia tompon'ny zavatra rehetra aza. BSB BSB: What I am saying is that as long as the heir is a child, he is no different from a slave, although he is the owner of everything.
2 ULB Kanefa izy dia eo ambany fifehezan'ireo mpiambina sy ireo mpitahiry zava-tsarobidy mandra-pahatongan'ny daty izay napetraky ny rainy. BSB BSB: He is subject to guardians and trustees until the date set by his father.
3 ULB Ka toy izany ihany koa, fony isika mbola zaza, dia nandevozin'ireo lalàna fitsipi-pianaran'izao tontolo izao. BSB BSB: So also, when we were children, we were enslaved under the basic principles of the world.
5 ULB Nanao izany Izy mba hanavotana ireo izay ambanin'ny lalàna, mba hahafahantsika mandray ny fananganana ho zanaka. BSB BSB: to redeem those under the law, that we might receive our adoption as sons.
6 ULB Ary satria zanaka ianareo, dia nirahin'Andriamanitra ho ao am-pontsika ny Fanahin'ny Zanany, izay miantso hoe: "Aba, Ray." BSB BSB: And because you are sons, God sent the Spirit of His Son into our hearts, crying out, “Abba, Father!”
7 ULB Noho izany tsy andevo intsony ianao, fa zanaka, ary raha zanaka, dia mpandova amin'ny alalan'Andriamanitra ihany koa ianao. BSB BSB: So you are no longer a slave, but a son; and since you are a son, you are also an heir through God.
8 ULB Fa tamin'izany fotoana izany, fony ianareo tsy nahalala an'Andriamanitra, dia natao ho andevon'ireo izay, amin'ny hery voajanahary, dia tsy andriamanitra velively. BSB BSB: Formerly, when you did not know God, you were slaves to those who by nature are not gods.
9 ULB Fa ankehitriny ianareo dia lasa nahalala an'Andriamanitra, na koa hoe fantatr'Andriamanitra ianareo, ka ahoana no hiverenanareo amin'ny abidim-pianarana malemy no sady tsy misy dikany? Te ho andevozina indray ve ianareo? BSB BSB: But now that you know God, or rather are known by God, how is it that you are turning back to those weak and worthless principles? Do you wish to be enslaved by them all over again?
10 ULB Mandinika ireo andro sy ireo volana ary ireo vanim-potoana sy ireo taona ianareo! BSB BSB: You are observing special days and months and seasons and years!
11 ULB Matahotra ny aminareo aho fa sao dia ho zava-poana ny asako teo aminareo. BSB BSB: I fear for you, that my efforts for you may have been in vain.
12 ULB Miangavy anareo aho, ry rahalahy, manaova tahaka ahy, satria izaho ihany koa dia efa lasa tahaka anareo. Tsy nanao ratsy tamiko ianareo. BSB BSB: I beg you, brothers, become like me, for I became like you. You have done me no wrong.
13 ULB Kanefa fantatrareo fa noho ny aretim-batako no nanambarako anareo ny filazantsara tamin'ny voalohany. BSB BSB: You know that it was because of an illness that I first preached the gospel to you.
14 ULB Na dia nitondra anareo tamin'ny fakam-panahy aza ny toe-batako, dia tsy nanao tsinontsinona na nanilika ahy ianareo. Fa noraisinareo toy ny hoe anjelin'Andriamanitra kosa aho, toy ny hoe izaho mihitsy no Kristy Jesosy. BSB BSB: And although my illness was a trial to you, you did not despise or reject me. Instead, you welcomed me as if I were an angel of God, as if I were Christ Jesus Himself.
15 ULB Aiza, noho izany, ny fahasoavanareo ankehitriny? Fa mijoro vavolombelona aminareo aho fa, raha azonareo atao, dia noesorinareo ny masonareo ary nomenareo ahy izany. BSB BSB: What then has become of your blessing? For I can testify that, if it were possible, you would have torn out your eyes and given them to me.
16 ULB Ka noho izany, efa lasa fahavalonareo ve aho satria milaza aminareo ny marina? BSB BSB: Have I now become your enemy by telling you the truth?
17 ULB Izy ireo dia mazoto ny hitaona anareo, fa tsy amin'ny tsara. Te hanidy anareo any ivelany izy ireo, mba hanananareo zotom-po ho azy ireo. BSB BSB: Those people are zealous for you, but not in a good way. Instead, they want to isolate you from us, so that you may be zealous for them.
18 ULB Tsara foana ny manana zotom-po amin'ny tanjona tsara, ary tsy rehefa miaraka aminareo ihany aho. BSB BSB: Nevertheless, it is good to be zealous if it serves a noble purpose—at any time, and not only when I am with you.
19 ULB Ry zanako, mbola mijaly amin'ny fanaintainan'ny fiterahana ho anareo indray aho mandra-piforon'i Kristy ao aminareo. BSB BSB: My children, for whom I am again in the pains of childbirth until Christ is formed in you,
20 ULB Maniry aho mba ho afaka miaraka aminareo ankehitriny ary hanova ny feoko, satria sahiran-tsaina noho ny aminareo aho. BSB BSB: how I wish I could be with you now and change my tone, because I am perplexed about you.
21 ULB Teneno amiko, ianareo izay maniry ny ho eo ambanin'ny lalàna, moa tsy mihaino ny lalàna ve ianareo? BSB BSB: Tell me, you who want to be under the law, do you not understand what the law says?
22 ULB Satria voasoratra fa i Abrahama dia nanan-janaka roa lahy, ny iray avy amin'ny andevo vavy ary ny iray avy amin'ny vehivavy afaka. BSB BSB: For it is written that Abraham had two sons, one by the slave woman and the other by the free woman.
23 ULB Fa ny iray dia nateraky ny andevo vavy araka ny nofo, fa ilay iray hafa dia nateraky ny vehivavy tamin'ny teny fampanantenana. BSB BSB: His son by the slave woman was born according to the flesh, but his son by the free woman was born through the promise.
24 ULB Ireo zavatra ireo dia azo raisina ho toy ny fanoharana, satria ireo vehivavy ireo dia manambara fanekena roa. Ny iray amin'izy ireo dia avy amin'ny tendrombohitr'i Sinay ary niteraka zaza izay andevo izy. Izy io dia i Hagara. BSB BSB: These things serve as illustrations, for the women represent two covenants. One covenant is from Mount Sinai and bears children into slavery: This is Hagar.
25 ULB Ary i Hagara dia maneho ny tendrombohitr'i Sinay any Arabia; ary maneho an'i Jerosalema amin'izao fotoana izao, satria nandevozina niaraka tamin'ireo zanany izy. BSB BSB: Now Hagar stands for Mount Sinai in Arabia and corresponds to the present-day Jerusalem, because she is in slavery with her children.
26 ULB Fa i Jerosalema izay any ambony dia afaka, ary izy no renintsika. BSB BSB: But the Jerusalem above is free, and she is our mother.
27 ULB Satria voasoratra hoe: "Mifalia, ianao ry momba izay tsy miteraka. Miantsoantsoa mafy ary manaova hiaka fifaliana, ianao izay tsy mijaly amin'ny fanaintainan'ny fiterahana. Satria ireo zanaky ny vehivavy izay nafoy dia maro noho ny an'ireo vehivavy manambady." BSB BSB: For it is written: “Rejoice, O barren woman, who bears no children; break forth and cry aloud, you who have never travailed; because more are the children of the desolate woman than of her who has a husband.”
28 ULB Fa ianareo, ry rahalahy, tahaka an'i Isaka, dia zanaky ny fampanantenana. BSB BSB: Now you, brothers, like Isaac, are children of promise.
29 ULB Tamin'izany fotoana izany ny olona izay teraka araka ny nofo dia nanenjika izay teraka araka ny Fanahy. Toy izany ihany ankehitriny. BSB BSB: At that time, however, the son born by the flesh persecuted the son born by the Spirit. It is the same now.
30 ULB Kanefa inona no lazain'ny soratra masina? "Alefaso any ny andevo vavy sy ny zanany lahy. Fa ny zanaka lahin'ny andevo vavy dia tsy hizara lova miaraka amin'ny zanaka lahin'ny vehivavy afaka." BSB BSB: But what does the Scripture say? “Expel the slave woman and her son, for the slave woman’s son will never share in the inheritance with the free woman’s son.”
31 ULB Noho izany, ry rahalahy, tsy zanaky ny andevo vavy isika, fa zanaky ny vehivavy afaka. BSB BSB: Therefore, brothers, we are not children of the slave woman, but of the free woman.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.