1 ULB Ary ny tany iray manontolo dia nampiasa fiteny iray sy teny iombonana. BSB BSB: Now the whole world had one language and a common form of speech.
2 ULB Raha nandeha niatsinanana izy ireo, dia nahita lohasaha tao amin'ny tanin'i Sinara ka nanorim-ponenana tao. BSB BSB: And as people journeyed eastward, they found a plain in the land of Shinar and settled there.
3 ULB Nifampilaza izy ireo hoe: "Andao, hanao biriky isika ka handoro tsara izany." Biriky no nananan'izy ireo fa tsy vato ary molanga ho feta. BSB BSB: And they said to one another, “Come, let us make bricks and bake them thoroughly.” So they used brick instead of stone, and tar instead of mortar.
4 ULB Hoy izy ireo hoe: "Andeha isika hanangana tanàna sy tilikambo izay hanakatra ny lanitra ny tendrony, ary aoka hamoronantsika anarana ho antsika izany. Raha tsy manao izany isika, dia hiparitaka manerana an'izao tontolo rehetra izao." BSB BSB: “Come,” they said, “let us build for ourselves a city with a tower that reaches to the heavens, that we may make a name for ourselves and not be scattered over the face of all the earth.”
5 ULB Noho izany dia nidina Yaveh mba hijery ilay tanàna sy ilay tilikambo izay natsangan'ireo taranak'i Adama. BSB BSB: Then the LORD came down to see the city and the tower that the sons of men were building.
6 ULB Hoy Yaveh hoe: "Indro, vahoaka iray mitovy fiteny ihany ireo, ary manomboka manao izany izy ireo! Atsy ho atsy dia tsy hisy zavatra izay kasain'izy ireo hatao ka tsy ho vitan'izy ireo. BSB BSB: And the LORD said, “If they have begun to do this as one people speaking the same language, then nothing they devise will be beyond them.
7 ULB Koa, andeha isika hidina ka hampifangaro ny fitenin'izy ireo eny, mba tsy hifankahazo izy ireo." BSB BSB: Come, let Us go down and confuse their language, so that they will not understand one another’s speech.”
8 ULB Ka naparitak'i Yaveh avy teo hanerana ny velaran-tany rehetra izy ireo ary natsahatr'izy ireo ny fananganana ny tanàna. BSB BSB: So the LORD scattered them from there over the face of all the earth, and they stopped building the city.
9 ULB Noho izany, dia natao hoe Babela ny anaran'izany, satria tao no nanafangaron'i Yaveh ny fitenin'ny tany iray manontolo ary avy tao no nanaparitahan'i Yaveh azy ireo tany ivelany manerana ny velaran-tany rehetra. BSB BSB: That is why it is called Babel, for there the LORD confused the language of the whole world, and from that place the LORD scattered them over the face of all the earth.
11 ULB Mbola velona dimanjato taona izy rehefa tonga rain'i Arpaksada izy. Niteraka zanaka lahy sy zanaka vavy hafa ihany koa izy. BSB BSB: And after he had become the father of Arphaxad, Shem lived 500 years and had other sons and daughters.
13 ULB Niaina 403 taona i Arpaksada taorian'ny niterahany an'i Sela. Niteraka zanaka lahy sy zanaka vavy hafa ihany koa izy. BSB BSB: And after he had become the father of Shelah, Arphaxad lived 403 years and had other sons and daughters.
14 ULB Rehefa niaina telopolo taona i Sela, dia niteraka an'i Hebera. BSB BSB: When Shelah was 30 years old, he became the father of Eber.
15 ULB Mbola niaina 403 taona i Sela taorian'ny niterahany an'i Hebera. Niteraka zanaka lahy sy zanaka vavy hafa ihany koa izy. BSB BSB: And after he had become the father of Eber, Shelah lived 403 years and had other sons and daughters.
16 ULB Rehefa niaina efatra amby telopolo taona i Hebera, dia niteraka an'i Pelega. BSB BSB: When Eber was 34 years old, he became the father of Peleg.
17 ULB Mbola niaina 430 taona i Hebera taorian'ny niterahany an'i Pelega. Niteraka zanaka lahy sy zanaka vavy hafa ihany koa izy. BSB BSB: And after he had become the father of Peleg, Eber lived 430 years and had other sons and daughters.
18 ULB Rehefa niaina telopolo taona i Pelega, dia niteraka an'i Reho. BSB BSB: When Peleg was 30 years old, he became the father of Reu.
19 ULB Mbola niaina 209 taona i Pelega taorian'ny niterahany an'i Reho. Niteraka zanaka lahy sy zanaka vavy hafa ihany koa izy. BSB BSB: And after he had become the father of Reu, Peleg lived 209 years and had other sons and daughters.
20 ULB Rehefa niaina roa amby telopolo taona i Reho, dia niteraka an'i Seroga. BSB BSB: When Reu was 32 years old, he became the father of Serug.
21 ULB Mbola niaina 207 taona i Reho taorian'ny niterahany an'i Seroga. Niteraka zanaka lahy sy zanaka vavy hafa ihany koa izy. BSB BSB: And after he had become the father of Serug, Reu lived 207 years and had other sons and daughters.
22 ULB Rehefa niaina telopolo taona i Seroga, dia niteraka an'i Nahora. BSB BSB: When Serug was 30 years old, he became the father of Nahor.
23 ULB Mbola niaina roanjato taona i Seroga taorian'ny niterahany an'i Nahora. Niteraka zanaka lahy sy zanaka vavy hafa ihany koa izy. BSB BSB: And after he had become the father of Nahor, Serug lived 200 years and had other sons and daughters.
24 ULB Rehefa niaina sivy amby roapolo taona i Nahora, dia niteraka an'i Tera. BSB BSB: When Nahor was 29 years old, he became the father of Terah.
25 ULB Mbola niaina 119 taona i Nahora taorian'ny niterahany an'i Tera. Niteraka zanaka lahy sy zanaka vavy hafa ihany koa izy. BSB BSB: And after he had become the father of Terah, Nahor lived 119 years and had other sons and daughters.
26 ULB Rehefa niaina fitopolo taona i Tera, dia niteraka an'i Abrama, Nahora sy Harana. BSB BSB: When Terah was 70 years old, he became the father of Abram, Nahor, and Haran.
27 ULB Ary ireto ireo taranak'i Tera. Niteraka an'i Abrama, Nahora ary i Harana i Tera, ary Harana niteraka an'i Lota. BSB BSB: This is the account of Terah. Terah became the father of Abram, Nahor, and Haran. And Haran became the father of Lot.
28 ULB Harana dia maty tao amin'ny tany nahaterahany raha mbola velona i Tera rainy, tao Ora tao Kaldeana. BSB BSB: During his father Terah’s lifetime, Haran died in his native land, in Ur of the Chaldeans.
29 ULB Nanambady i Abrama sy Nahora. Saray no anaran'ny vadin'i Abrama, ary ny anaran'ny vadin'i Nahora dia i Milka, zanaka vavin'i Harana, izay rain'i Milka sy Iska. BSB BSB: And Abram and Nahor took wives for themselves. Abram’s wife was named Sarai, and Nahor’s wife was named Milcah; she was the daughter of Haran, who was the father of both Milcah and Iscah.
30 ULB Ary Saray dia momba; tsy nanan-janaka izy. BSB BSB: But Sarai was barren; she had no children.
32 ULB Niaina 205 taona i Tera ary avy eo dia maty tao Harana. BSB BSB: Terah lived 205 years, and he died in Haran.