1 ULB Rehefa hitan'i Rahely fa tsy nanome anaka an'i Jakoba izy, dia nialona ny rahavaviny Rahely. Niteny tamin'i Jakoba izy hoe: "Omeo zanaka aho, raha tsy izany dia ho faty aho." BSB BSB: When Rachel saw that she was not bearing any children for Jacob, she envied her sister. “Give me children, or I will die!” she said to Jacob.
2 ULB Nirehitra tamin'i Rahely ny hatezeran'i Jakoba. Hoy izy hoe: "Moa izaho no eo amin'ny toeran'Andriamanitra, izay nitazona anao tsy hanan-janaka?" BSB BSB: Jacob became angry with Rachel and said, “Am I in the place of God, who has withheld children from you?”
3 ULB Hoy izy hoe: "Indro, ity ny mpanompoko Bila. Mandria miaraka aminy, mba hahafahany miteraka zaza ho eo am-pofoako, ka hananako zanaka avy aminy." BSB BSB: Then she said, “Here is my maidservant Bilhah. Sleep with her, that she may bear children for me, so that through her I too can build a family.”
4 ULB Dia nomeny azy ho vadiny i Bila mpanompo vaviny, ary Jakoba nandry niaraka taminy. BSB BSB: So Rachel gave Jacob her servant Bilhah as a wife, and he slept with her,
5 ULB Nitoe-jaza ary niteraka zanaka lahy ho an'i Jakoba Bila. BSB BSB: and Bilhah conceived and bore him a son.
6 ULB Dia hoy Rahely hoe: "Nitsara tamin'ny fankasitrahako Andriamanitra. Nihaino ny vavaka nataoko Izy ary nanome zanaka lahy ahy." Noho izany antony izany no niantsoany ny anarany hoe Dana. BSB BSB: Then Rachel said, “God has vindicated me; He has heard my plea and given me a son.” So she named him Dan.
7 ULB Bila, mpanompon'i Rahely, dia nitoe-jaza indray ary niteraka zanaka lahy faharoa ho an'i Jakoba. BSB BSB: And Rachel’s servant Bilhah conceived again and bore Jacob a second son.
8 ULB Hoy Rahely hoe: "Tamin'ny tolona mahery no nitolomako tamin'ny rahavaviko ary nandreseko." Nantsoiny hoe Naftaly ny anarany. BSB BSB: Then Rachel said, “In my great struggles, I have wrestled with my sister and won.” So she named him Naphtali.
9 ULB Rehefa hitan'i Lea fa nijanona tsy nanan-janaka izy, dia nalainy Zilpa, mpanompo vaviny, ary nomeny ho vadin'i Jakoba izy. BSB BSB: When Leah saw that she had stopped having children, she gave her servant Zilpah to Jacob as a wife.
10 ULB Zilpa, mpanompon'i Lea, dia niteraka zanaka lahy ho an'i Jakoba. BSB BSB: And Leah’s servant Zilpah bore Jacob a son.
11 ULB Hoy Lea hoe: "Vintana ity!" Dia nantsoiny hoe Gada ny anarany. BSB BSB: Then Leah said, “How fortunate!” So she named him Gad.
12 ULB Avy eo Zilpa, mpanompon'i Lea, niteraka zanaka lahy faharoa ho an'i Jakoba. BSB BSB: When Leah’s servant Zilpah bore Jacob a second son,
13 ULB Hoy Lea hoe: "Sambatra aho! Fa ireo zanaka vavy hiantso ahy hoe sambatra." Dia nantsoiny hoe Asera ny anarany. BSB BSB: Leah said, “How happy I am! For the women call me happy.” So she named him Asher.
14 ULB Nandeha tamin'ny andron'ny fijinjam-bary Robena ary nahita dodaima tao an-tsaha. Nentiny tany amin'i Lea reniny ireo. Dia hoy Rahely tamin'i Lea hoe: "Omeo sasany amin'ireo dodaiman'ny zanakao lahy aho." BSB BSB: Now during the wheat harvest, Reuben went out and found some mandrakes in the field. When he brought them to his mother, Rachel begged Leah, “Please give me some of your son’s mandrakes.”
15 ULB Hoy Lea taminy hoe: "Olana kely ve aminao, ny nangalanao ny vadiko? Te haka ny dodaiman'ny zanako lahy ihany koa ianao izao?" Hoy Rahely hoe: "Dia hiara-handry aminao izy rahalina, ho takalon'ireo dodaiman'ny zanakao lahy." BSB BSB: But Leah replied, “Is it not enough that you have taken away my husband? Now you want to take my son’s mandrakes as well?” “Very well,” said Rachel, “he may sleep with you tonight in exchange for your son’s mandrakes.”
16 ULB Avy tany an-tsaha Jakoba ny hariva. Nivoaka Lea mba hihaona taminy ary niteny hoe: "Tsy maintsy miara-mandry amiko ianao rahalina, fa nofaiko tamin'ireo dodaiman'ny zanako lahy ianao. Dia niara-nandry tamin'i Jakoba Lea ny alina. BSB BSB: When Jacob came in from the field that evening, Leah went out to meet him and said, “You must come with me, for I have hired you with my son’s mandrakes.” So he slept with her that night.
17 ULB Nihaino an'i Lea Andriamanitra, dia nitoe-jaza sy niteraka zanaka lahy fahadimy ho an'i Jakoba izy. BSB BSB: And God listened to Leah, and she conceived and bore a fifth son to Jacob.
18 ULB Hoy Lea hoe: "Nomen'Andriamanitra ahy ny karamako, satria nanome ny mpanompo vaviko ho an'ny vadiko aho." Nantsoiny hoe Isakara ny anarany. BSB BSB: Then Leah said, “God has rewarded me for giving my maidservant to my husband.” So she named him Issachar.
19 ULB Nitoe-jaza indray Lea ary niteraka zanaka lahy faha-enina ho an'i Jakoba. BSB BSB: Again Leah conceived and bore a sixth son to Jacob.
20 ULB Hoy Lea hoe: "Nomen'Andriamanitra fanomezana tsara aho. Izao dia hanome voninahitra ahy ny vadiko, satria niteraka zanaka lahy enina ho azy aho." Nantsoiny hoe Zebolona ny anarany. BSB BSB: “God has given me a good gift,” she said. “This time my husband will honor me, because I have borne him six sons.” And she named him Zebulun.
21 ULB Rehefa afaka izany dia niteraka zanaka vavy izy ary nantsoiny hoe Dina ny anarany. BSB BSB: After that, Leah gave birth to a daughter and named her Dinah.
22 ULB Nahatsiaro an'i Rahely Andriamanitra ary nihaino azy. Nampanan'anaka izy Izy. BSB BSB: Then God remembered Rachel. He listened to her and opened her womb,
23 ULB Nitoe-jaza ary niteraka zanaka lahy izy. Hoy izy hoe: "Nesorin'Andriamanitra ny henatro." BSB BSB: and she conceived and gave birth to a son. “God has taken away my shame,” she said.
24 ULB Nantsoiny hoe Josefa ny anarany, ary nanao hoe: "Nanampy zanaka lahy iray hafa ho ahy Yaveh." BSB BSB: She named him Joseph, and said, “May the LORD add to me another son.”
25 ULB Tao aorian'ny niterahan'i Rahely an'i Josefa, dia niteny tamin'i Labana Jakoba hoe: "Alefao aho, mba hahafahako mandeha mankany amin'ny tranoko sy any amin'ny tanànako. BSB BSB: Now after Rachel had given birth to Joseph, Jacob said to Laban, “Send me on my way so I can return to my homeland.
26 ULB Omeo ahy ireo vadiko sy ireo zanako izay ho azy ireo no nanompoako anao, ary avelao aho andeha, fa ianao mahafantatra ny fanompoana nataoko anao." BSB BSB: Give me my wives and children for whom I have served you, that I may go on my way. You know how hard I have worked for you.”
27 ULB Hoy Labana taminy hoe: "Raha mahita fankasitrahana eo imasonao aho ankehitriny, dia andraso, satria fantako tamin'ny fampiasana sikidy fa nitahy ahy noho ianao i Yaveh. BSB BSB: But Laban replied, “If I have found favor in your eyes, please stay. I have learned by divination that the LORD has blessed me because of you.”
28 ULB Dia hoy izy hoe: "Teneno hoe ohatrinona ny karamanao, dia ho aloako ireo." BSB BSB: And he added, “Name your wages, and I will pay them.”
29 ULB Jakoba niteny taminy hoe: "Fantatrao ny fomba nanompoako anao, sy ny fomba nitomboan'ny biby fiompinao niaraka tamiko. BSB BSB: Then Jacob answered, “You know how I have served you and how your livestock have thrived under my care.
30 ULB Fa kely no nanananao talohan'ny nahatongavako, ary nitombo be lavitra izany. Nitahy anao Yaveh na taiza na taiza niasako. Ary rahoviana aho no mba hihary ho an'ny tokantranoko koa?" BSB BSB: Indeed, you had very little before my arrival, but now your wealth has increased many times over. The LORD has blessed you wherever I set foot. But now, when may I also provide for my own household?”
31 ULB Dia hoy Labana hoe: "Inona no ho aloako aminao?" Hoy Jakoba hoe: "Tsy hanome ahy na inona na inona ianao. Raha hanao izao zavatra izao ho ahy ianao, dia ho hamahana indray ny biby fiompinao ary hiambina izany aho. BSB BSB: “What can I give you?” Laban asked. “You do not need to give me anything,” Jacob replied. “If you do this one thing for me, I will keep on shepherding and keeping your flocks.
32 ULB Avelao aho hamakivaky ny biby fiompinao rehetra androany, hanala ny ondry pentipetina sy sada rehetra amin'izany, ary izay mainty rehetra eo amin'ny ondry, ary ny sada sy ny pentipentina eo amin'ireo osy. Izany no ho karamako. BSB BSB: Let me go through all your flocks today and remove from them every speckled or spotted sheep, every dark-colored lamb, and every spotted or speckled goat. These will be my wages.
33 ULB Ny tsy fivadihako no ho vavolombelona ho ahy any aoriana, rehefa tonga hijery ireo karamako ianao. Ny rehetra izay tsy pentipentina sy sada eo amin'ireo osy, ary tsy mainty eo amin'ny ondry, raha misy hita aty amiko, dia ho atao toy ny nangalarina." BSB BSB: So my honesty will testify for me when you come to check on my wages in the future. If I have any goats that are not speckled or spotted, or any lambs that are not dark-colored, they will be considered stolen.”
34 ULB Hoy Labana hoe: "Ekena. Aoka ho araka ny teninao izany." BSB BSB: “Agreed,” said Laban. “Let it be as you have said.”
35 ULB Tamin'io andro io Labana dia nanala ireo osy lahy izay sadika sy sada, sy ireo osy vavy rehetra izay pentipentina sy sada, ny rehetra izay nisy fotsy taminy, ary ireo mainty rehetra teo amin'ireo ondry, ka nanome ireo ho eo an-tanan'ireo zanany lahy. BSB BSB: That very day Laban removed all the streaked or spotted male goats and every speckled or spotted female goat—every one that had any white on it—and every dark-colored lamb, and he placed them under the care of his sons.
36 ULB Nanisy lalan-kateloana teo anelanelany sy Jakoba ihany koa Labana. Noho izany dia nijanona niandry ny ambin'ireo biby fiompin'i Labana i Jakoba. BSB BSB: Then he put a three-day journey between himself and Jacob, while Jacob was shepherding the rest of Laban’s flocks.
37 ULB Naka tapaka rantsan-kazo popola maitso Jakoba, sy tamin'ny hazo amygdala sy hazo planata, ary namaofy ny fotsy tamin'ireo, ary nanao izay ampiseho ny aty fotsin'ny hazo izay tao amin'ireo tapa-kazo. BSB BSB: Jacob, however, took fresh branches of poplar, almond, and plane trees, and peeled the bark, exposing the white inner wood of the branches.
38 ULB Dia nametraka ireo tapa-kazo izay novoasany teo anoloan'ireo biby fiompy, teo anoloan'ireo tavy fisotroana rano izay nandehanan'ireo hisotro izy. Nanan'anaka ireo rehefa tonga nisotro. BSB BSB: Then he set the peeled branches in the watering troughs in front of the flocks coming in to drink. So when the flocks were in heat and came to drink,
39 ULB Niteraka teo anoloan'ireo tapa-kazo ireo biby fiompy; ary ireo biby fiompy niteraka sadika, sada, ary pentipentina. BSB BSB: they mated in front of the branches. And they bore young that were streaked or speckled or spotted.
40 ULB Nosarahan'i Jakoba ireo zanak'ondry ireo, fa nanao ny ambin'ireo nifanatrika tamin'ireo biby sadika sy ny ondry mainty rehetra tao amin'ny biby fiompin'i Labana. Dia nosarahany ho azy irery ny biby fiompiny ka tsy nakambany niaraka tamin'ireo biby fiompin'i Labana. BSB BSB: Jacob set apart the young, but made the rest face the streaked dark-colored sheep in Laban’s flocks. Then he set his own stock apart and did not put them with Laban’s animals.
41 ULB Na oviana na oviana niterahan'ny ondry matanjaka tao amin'ny biby fiompy, dia nampandrian'i Jakoba teo amin'ny tavy fisotroana teo anoloan'ny mason'ireo biby fiompy ireo tapa-kazo, mba hafahan'izy ireo miteraka eo amin'ireo tapa-kazo. BSB BSB: Whenever the stronger females of the flock were in heat, Jacob would place the branches in the troughs, in full view of the animals, so that they would breed in front of the branches.
42 ULB Fa rehefa tonga ireo biby osa tamin'ireo biby fiompy, dia tsy nametraka ireo tapa-kazo teo anoloan'ireo izy. Koa an'i Labana ireo biby osa, ary an'i Jakoba ny mahery. BSB BSB: But if the animals were weak, he did not set out the branches. So the weaker animals went to Laban and the stronger ones to Jacob.
43 ULB Lasa nanan-karena be ralehilahy. Nanana biby fiompy be izy, mpanompo vavy sy mpanompo lahy, ary rameva sy ampondra. BSB BSB: Thus Jacob became exceedingly prosperous. He owned large flocks, maidservants and menservants, and camels and donkeys.