1 ULB Ary Jakoba nandre ireo tenin'ny zanaka lahin'i Labana, izay nanao hoe: "Nalain'i Jakoba avokoa izay rehetra an'ny raintsika, ary avy tamin'ny fananan'ny raintsika no nahazoany ny hareny rehetra." BSB BSB: Now Jacob heard that Laban’s sons were saying, “Jacob has taken away all that belonged to our father and built all this wealth at our father’s expense.”
2 ULB Hitan'i Jakoba teny amin'ny endriky ny tarehin'i Labana. Hitany fa niova ny fihetsiny taminy. BSB BSB: And Jacob saw from the countenance of Laban that his attitude toward him had changed.
3 ULB Avy eo Yaveh niteny tamin'i Jakoba hoe: "Miverena any amin'ny tanin'ireo razanao sy ireo havanao, ary homba anao Aho." BSB BSB: Then the LORD said to Jacob, “Go back to the land of your fathers and to your kindred, and I will be with you.”
4 ULB Ary Jakoba naniraka sy niantso an'i Rahely sy Lea ho any an-tsaha any amin'ireo ondry aman'osiny BSB BSB: So Jacob sent word and called Rachel and Leah to the field where his flocks were,
5 ULB ary niteny tamin'izy ireo hoe: "Hitako niova ny fihetsiky ny rainareo tamiko, saingy niaraka tamiko ny Andriamanitry ny raiko. BSB BSB: and he told them, “I can see from your father’s countenance that his attitude toward me has changed; but the God of my father has been with me.
6 ULB Fantatrareo fa tamin'ny heriko manontolo no nanompoako ny rainareo. BSB BSB: You know that I have served your father with all my strength.
7 ULB Efa namitaka ahy ny rainareo ary nanova ny karamako impolo, saingy tsy navelan'Andriamanitra handratra ahy izy. BSB BSB: And although he has cheated me and changed my wages ten times, God has not allowed him to harm me.
8 ULB Raha niteny izy hoe: "Ireo biby sada rehetra no ho karamanao," dia niteraka mara ny ondry aman'osy rehetra. Raha nilaza izy hoe: "Ny sadika rehetra no ho karamanao," dia niteraka sadika avokoa ny ondry aman'osy rehetra. BSB BSB: If he said, ‘The speckled will be your wages,’ then the whole flock bore speckled offspring. If he said, ‘The streaked will be your wages,’ then the whole flock bore streaked offspring.
9 ULB Tamin'izany fomba izany no nangalan'Andriamanitra ny biby fiompin'ny rainareo ary nanomezany izany ho ahy. BSB BSB: Thus God has taken away your father’s livestock and given them to me.
10 ULB Ary tamin'ny andron'ny fahatairana ka iraisana, dia hitako tao amin'ny nofy ireo osy lahy izay miray amin'ireo ondry aman'osy. Ireo osy lahy dia sadika, mara, ary sada. BSB BSB: When the flocks were breeding, I saw in a dream that the streaked, spotted, and speckled males were mating with the females.
11 ULB Ny anjelin'Andriamanitra niteny tamiko tao anaty nofy hoe: 'Ry Jakoba.' Dia hoy aho hoe: 'Inty aho.' BSB BSB: In that dream the angel of God said to me, ‘Jacob!’ And I replied, ‘Here I am.’
12 ULB Hoy izy hoe: "Atopazo ny masonao ary jereo ireo osy lahy rehetra izay miray amin'ireo ondry aman'osy. Sadika, sy mara ary sada ireo, satria hitako ny zavatra rehetra ataon'i Labana aminao. BSB BSB: ‘Look up,’ he said, ‘and see that all the males that are mating with the flock are streaked, spotted, or speckled; for I have seen all that Laban has done to you.
13 ULB Izaho no Andriamanitr'i Betela, izay nanosoranao tsangam-bato, sy nanaovanao voady tamiko. Ankehitriny mitsangàna ka mialà amin'ity tany ity ary miverena any amin'ny tany nahaterahanao." BSB BSB: I am the God of Bethel, where you anointed the pillar and made a solemn vow to Me. Now get up, leave this land at once, and return to your native land.’”
14 ULB Namaly azy i Rahely sy Lea ka nanao taminy hoe: "Mbola misy anjara sy lova ho anay ve ao amin'ny tranon'ny rainay? BSB BSB: And Rachel and Leah replied, “Do we have any portion or inheritance left in our father’s house?
15 ULB Tsy nataony toy ny fitondrana vahiny ve izahay? fa namidiny izahay, ary koa noviravirainy tanteraka ny volanay izy. BSB BSB: Are we not regarded by him as outsiders? Not only has he sold us, but he has certainly squandered what was paid for us.
16 ULB Fa ny harena rehetra izay nalain'Andriamanitra tamin'ny rainay ankehitriny dia anay sy ny zanakay. Koa ankehitriny, na inona na inona nolazain'Andriamanitra taminao, dia ataovy izany." BSB BSB: Surely all the wealth that God has taken away from our father belongs to us and to our children. So do whatever God has told you.”
17 ULB Avy eo dia nitsangana Jakoba ary nametraka ireo zanany lahy sy ny vadiny teo ambony rameva. BSB BSB: Then Jacob got up and put his children and his wives on camels,
18 ULB Nentiny avokoa ny biby fiompiny rehetra, niaraka tamin'ireo fananany rehetra, anisan'izany ny biby fiompy izay azony tany Padana-arama. Avy eo dia niainga mba hankany amin'Isaka rainy any amin'ny tany Kanana izy. BSB BSB: and he drove all his livestock before him, along with all the possessions he had acquired in Paddan-aram, to go to his father Isaac in the land in Canaan.
19 ULB Raha nandeha mba hanety ny ondriny i Labana, dia nangalarin'i Rahely ny sampin-drainy. BSB BSB: Now while Laban was out shearing his sheep, Rachel stole her father’s household idols.
20 ULB I Jakoba ihany koa dia namitaka an'i Labana ilay Syriana, tamin'ny tsy fitenenana azy fa handeha izy. BSB BSB: Moreover, Jacob deceived Laban the Aramean by not telling him that he was running away.
21 ULB Ka dia nitsoaka niaraka tamin'izay rehetra nananany izy ary niampita faingana ny ony, ary nizotra nankany amin'ny tany havoana an'i Gileada. BSB BSB: So he fled with all his possessions, crossed the Euphrates, and headed for the hill country of Gilead.
22 ULB Tamin'ny andro faha-telo dia nolazaina tamin'i Labana fa nitsoaka i Jakoba. BSB BSB: On the third day Laban was informed that Jacob had fled.
23 ULB Noho izany dia nalainy ireo havany ary nanaraka azy nandritra ny lalana hafitoana. Tratrany teo amin'ny tanànan'i Gileada izy. BSB BSB: So he took his relatives with him, pursued Jacob for seven days, and overtook him in the hill country of Gilead.
24 ULB Ary Andriamanitra tonga tamin'ny Labana ilay Syriana tamin'ny nofy nony alina ka nanao taminy hoe: "Tandremo mba tsy hanao teny tsara na ratsy an'i Jakoba ianao." BSB BSB: But that night God came to Laban the Aramean in a dream and warned him, “Be careful not to say anything to Jacob, either good or bad.”
25 ULB Tratran'i Labana i Jakoba. Ary Jakoba nanorina ny lainy teo amin'ilay tany havoana. Dia nanorina lay teo amin'ilay tany havoana an'i Gileada ihany koa i Labana niaraka tamin'ireo havany. BSB BSB: Now Jacob had pitched his tent in the hill country of Gilead when Laban overtook him, and Laban and his relatives camped there as well.
26 ULB Hoy Labana tamin'i Jakoba hoe: "Inona no nataonao, no dia namitaka ahy ianao ka nitondra ireo zanako vavy toy ny babo an'ady? BSB BSB: Then Laban said to Jacob, “What have you done? You have deceived me and carried off my daughters like captives of war!
27 ULB Nahoana ianao no nitsoaka mangina sy namitaka ahy fa tsy niteny tamiko? Afaka nandefa anao tamin'ny fankalazana sy hira aho, niaraka tamin'ny aponga tapaka sy lokanga. BSB BSB: Why did you run away secretly and deceive me, without even telling me? I would have sent you away with joy and singing, with tambourines and harps.
28 ULB Tsy navelanao hanoroka hanao veloma ireo zafiko sy ireo zanako vavy aho. Ary adalana izao nataonao izao. BSB BSB: But you did not even let me kiss my grandchildren and my daughters goodbye. Now you have done a foolish thing.
29 ULB Manana hery handratrana anareo aho, saingy ny Andriamanitry ny rainareo niteny tamiko tamin'ny alina hoe: 'Tandremo mba tsy hasianao teny akory Jakoba na tsara na ratsy.' BSB BSB: I have power to do you great harm, but last night the God of your father said to me, ‘Be careful not to say anything to Jacob, either good or bad.’
30 ULB Ankehitriny lasa ianao satria manina ny hiverina any an-tranon'ny rainareo. Saingy nahoana no nangalarinao ireo andriamanitro?" BSB BSB: Now you have gone off because you long for your father’s house. But why have you stolen my gods?”
31 ULB Namaly Jakoba ka nanao tamin'i Labana hoe: "Satria natahotra aho ary nieritreritra fa ho halainao amiko amin-kery ireo zanakao vavy no nahatonga ahy handositra mangingina. BSB BSB: “I was afraid,” Jacob answered, “for I thought you would take your daughters from me by force.
32 ULB Na iza na iza nangalatra ny andriamanitrao dia ho faty izy. Eo anatrehan'ireo havantsika, dia fantaro izay rehetra ety amiko ka anareo dia alaivo izany." Satria tsy fantatr'i Jakoba fa Rahely no nangalatra izany. BSB BSB: If you find your gods with anyone here, he shall not live! In the presence of our relatives, see for yourself if anything is yours, and take it back.” For Jacob did not know that Rachel had stolen the idols.
33 ULB Ary Labana nandeha nankany amin'ny lain'i Jakoba, tany amin'ny lain'i Lea, ary tany amin'ny lain'ireo mpanompo vavy roa, saingy tsy nahita azy ireo izy. Nivoaka tao amin'ny lain'i Lea izy ary niditra tao amin'ny lain'i Rahely. BSB BSB: So Laban went into Jacob’s tent, then Leah’s tent, and then the tents of the two maidservants, but he found nothing. Then he left Leah’s tent and entered Rachel’s tent.
34 ULB Ary efa nalain'i Rahely ireo sampy ka nataony tao anatin'ny laselin'ny rameva, ka nipetraka teo ambonin'izany izy. Nikaroka nanerana ny lay i Labana saingy tsy nahita ireo. BSB BSB: Now Rachel had taken Laban’s household idols, put them in the saddlebag of her camel, and was sitting on them. And Laban searched everything in the tent but found nothing.
35 ULB Hoy Rahely tamin'ny rainy hoe: "Aza tezitra, tompoko, fa tsy afaka mijoro eo anoloanao aho, satria tonga fadim-bolana aho." Ka dia nitady izy fa tsy nahita ireo sampiny. BSB BSB: Rachel said to her father, “Sir, do not be angry that I cannot stand up before you; for I am having my period.” So Laban searched but could not find the household idols.
36 ULB Tezitra Jakoba ka nifamaly tamin'i Labana. Hoy izy taminy hoe: "Inona no fandikan-dalàna nataoko? Inona no fahotako, no nanenjika ahy tamin-kafanam-po ianao? BSB BSB: Then Jacob became incensed and challenged Laban. “What is my crime?” he said. “For what sin of mine have you so hotly pursued me?
37 ULB Fa nosavainao avokoa ny fananako rehetra. Ary inona tamin'ireo rehetra zavatsoan'ny ankohonanao no hitanao? Apetraho eto anoloan'ireo havantsika izany, mba hahafahan'izy ireo mitsara eo amintsika roa tonta. BSB BSB: You have searched all my goods! Have you found anything that belongs to you? Put it here before my brothers and yours, that they may judge between the two of us.
38 ULB Fa niaraka taminao foana aho nandritry ny roapolo taona. Ireo ondry vavinao sy osy vavinao tsy mba namotsotra, ary tsy mba nihinana ny ondry lahy avy tamin'ireo ondrinao aho. BSB BSB: I have been with you for twenty years now. Your sheep and goats have not miscarried, nor have I eaten the rams of your flock.
39 ULB Tsy mba nentiko teo aminao izay voaviraviran'ireo bibidia. Fa kosa, izaho no nizaka ny fahaverezan'izany. Ataonao mandoa ny biby very rehetra foana aho, na ny nangalarina atoandro na ny nangalarina alina. BSB BSB: I did not bring you anything torn by wild beasts; I bore the loss myself. And you demanded payment from me for what was stolen by day or night.
40 ULB Tany aho; ny atoandro dia namely ahy ny hafanana, ary ny alina dia namely ahy ny fanala; ary tsy mba natory. BSB BSB: As it was, the heat consumed me by day and the frost by night, and sleep fled from my eyes.
41 ULB Nitoetra tao an-tranonao aho nandritr'izay roapolo taona izay. Niasa ho anao nandritry ny efatra ambin'ny folo taona aho mba hahazoako ireo zanakao roa vavy ary enin-taona ho an'ireo ondry aman'osinao. Novainao impolo ny karamako. BSB BSB: Thus for twenty years I have served in your household—fourteen years for your two daughters and six years for your flocks—and you have changed my wages ten times!
42 ULB Raha tsy niaraka tamiko ny Andriamanitry ny raiko, ilay Andriamanitr'i Abrahama, ary ilay hatahoran'Isaka, dia ho nalefanao nandeha tanam-polo tokoa aho. Hitan'Andriamanitra ny fahoriako sy ny fiasako mafy, ka niteny mafy anao Izy tamin'ny alina." BSB BSB: If the God of my father, the God of Abraham and the Fear of Isaac, had not been with me, surely by now you would have sent me away empty-handed. But God has seen my affliction and the toil of my hands, and last night He rendered judgment.”
43 ULB Namaly Labana ka niteny tamin'i Jakoba hoe: "Ireo zazavavy ireo dia zanako vavy, zafikeliko ireo zafikely, ary ondry aman'osiko ireo ondry aman'osy. Izay hitanao rehetra dia ahy avokoa. Ankehitriny kosa inona no afaka ataoko ho an'ireo zanako vavy, na ho an'ireo zaza naterany? BSB BSB: But Laban answered Jacob, “These daughters are my daughters, these sons are my sons, and these flocks are my flocks! Everything you see is mine! Yet what can I do today about these daughters of mine or the children they have borne?
44 ULB Koa ankehitriny, andeha isika hanao fanekena, dia izaho sy ianao, ary aoka izany ho vavolombelona amiko sy aminao." BSB BSB: Come now, let us make a covenant, you and I, and let it serve as a witness between you and me.”
45 ULB Noho izany dia naka vato Jakoba ary nanangana izany ho tsangam-bato. BSB BSB: So Jacob picked out a stone and set it up as a pillar,
46 ULB Hoy Jakoba tamin'ireo havany hoe: "Manangona vato." Ka dia naka ny vato izy ireo ary nanao antontany. Avy eo izy ireo nihinana teo amin'ilay antontam-bato izy ireo. BSB BSB: and he said to his relatives, “Gather some stones.” So they took stones and made a mound, and there by the mound they ate.
47 ULB Nantsoin'i Labana hoe Jegara-sahadota izany, fa Jakoba niantso izany hoe Galeda. BSB BSB: Laban called it Jegar-sahadutha, and Jacob called it Galeed.
48 ULB Hoy Labana hoe: "Ity antontam-bato ity no vavolombelona amintsika anio." Noho izany ny anarany dia nantsoina hoe Galeda. BSB BSB: Then Laban declared, “This mound is a witness between you and me this day.” Therefore the place was called Galeed.
49 ULB Antsoina ihany koa hoe Mizpa izany, satria hoy Labana hoe: "Yaveh anie hitsinjo ahy sy ianao, rehefa tsy mifankahita isika. BSB BSB: It was also called Mizpah, because Laban said, “May the LORD keep watch between you and me when we are absent from each other.
50 ULB Raha ampijalianao ireo zanako vavy, na manambady hafa ankoatr'ireo zanako vavy ianao, na dia tsy misy olona hafa aza eto amintsika, dia indro Andriamanitra no vavolombelona eo amiko sy aminao." BSB BSB: If you mistreat my daughters or take other wives, although no one is with us, remember that God is a witness between you and me.”
51 ULB Hoy Labana tamin'i Jakoba hoe: "Jereo ity antontam-bato ity, ary jereo ny tsangam-bato, izay naoriko eto anelanelantsika. BSB BSB: Laban also said to Jacob, “Here is the mound, and here is the pillar I have set up between you and me.
52 ULB Vavolombelona ity antontam-bato ity, ary vavolombelona ilay tsangam-bato, mba tsy hihoarako ity antontam-bato ity mankany aminao, sy tsy hihoaranao ity antontam-bato sy tsangam-bato ity mankaty amiko, hanao ratsy. BSB BSB: This mound is a witness, and this pillar is a witness, that I will not go past this mound to harm you, and you will not go past this mound and pillar to harm me.
53 ULB Ilay Andriamanitr'i Abrahama, sy ilay andriamanitr'i Nahora, ary ireo andriamanitry ny rain'izy ireo anie hitsara antsika." Nianiana tamin'Ilay Tahotry Isaka rainy i Jakoba. BSB BSB: May the God of Abraham and the God of Nahor, the God of their father, judge between us.” So Jacob swore by the Fear of his father Isaac.
54 ULB Nanolotra sorona tany an-tendrombohitra i Jakoba ary niantso ireo havany mba hihinana. Nihinana izy ireo ary nijanona teny an-tendrombohitra ny alina tontolo. BSB BSB: Then Jacob offered a sacrifice on the mountain and invited his relatives to eat a meal. And after they had eaten, they spent the night on the mountain.
55 ULB Vao mangiran-dratsy dia nifoha i Labana, nanoroka ireo zafikeliny sy ireo zanany vavy ary nitso-drano azy ireo. Avy eo dia niala teo ary niverina nankany an-tranony Labana. BSB BSB: Early the next morning, Laban got up and kissed his grandchildren and daughters and blessed them. Then he left to return home.