1 ULB Nandeha tamin'ny lalany ihany koa Jakoba, ary nihaona taminy ny anjelin'Andriamanitra. BSB BSB: Jacob also went on his way, and the angels of God met him.
2 ULB Rehefa nahita azy ireo Jakoba, dia hoy izy hoe: "Ity no tobin' Andriamanitra," ka Mahanaima no niantsoany izany toerana izany. BSB BSB: When Jacob saw them, he said, “This is the camp of God.” So he named that place Mahanaim.
3 ULB Nandefa mpitondra hafatra nialoha azy Jakoba mba ho any amin'i Esao rahalahiny any amin'ny tanin'ny Seira, any amin'ny faritr'i Edoma. BSB BSB: Jacob sent messengers ahead of him to his brother Esau in the land of Seir, the country of Edom.
4 ULB Nibaiko azy ireo izy, niteny hoe: "Izao no ho lazainareo amin'i Esao tompoko: Izao no vaolazan'i Jakoba mpanomponao hoe: 'Efa nonina niaraka tamin'i Labana aho, ary nanemotra ny fodiako hatramin'izao. BSB BSB: He instructed them, “You are to say to my master Esau, ‘Your servant Jacob says: I have been staying with Laban and have remained there until now.
5 ULB Manana omby, boriky, ondry aman'osy, ary mpanompo lahy sy mpanompo vavy aho. Nandefa ity hafatra ity tany amin'ny tompoko aho, mba hahazoako sitraka eo imasonao.'" BSB BSB: I have oxen, donkeys, flocks, menservants, and maidservants. I have sent this message to inform my master, so that I may find favor in your sight.’”
6 ULB Niverina tany amin'i Jakoba ireo mpitondra hafatra ary niteny hoe: "Nandeha tany amin'i Esao rahalahinao izahay. Ho avy hihaona aminao izy, ary efajato lahy no hiaraka aminy." BSB BSB: When the messengers returned to Jacob, they said, “We went to your brother Esau, and now he is coming to meet you—he and four hundred men with him.”
7 ULB Ary natahotra mafy sy nihorohoro Jakoba. Ka nozarainy ireo vahoaka niaraka taminy mba ho antoko anankiroa, ary koa ireo ondry aman'osy, omby, rameva. BSB BSB: In great fear and distress, Jacob divided his people into two camps, as well as the flocks and herds and camels.
8 ULB Hoy izy hoe: "Raha tonga amin'ny antoko iray Esao ka manafika izany, dia ho afa-mandositra ny antoko iray ambiny." BSB BSB: He thought, “If Esau comes and attacks one camp, then the other camp can escape.”
9 ULB Hoy Jakoba hoe: "Ry Andriamanitr'i Abrahama raiko, sy Andriamanitr'Isaka raiko, ry Yaveh, izay niteny tamiko hoe: 'Modia any amin'ny taninao sy ny havanao, ary Izaho hanambina anao,' BSB BSB: Then Jacob declared, “O God of my father Abraham, God of my father Isaac, the LORD who told me, ‘Go back to your country and to your kindred, and I will make you prosper,’
10 ULB tsy mendrika ireo asan'ny fanekena mahatoky sy ny fahamendreham-pitokisana rehetra izay nataonao ho an'ny mpanomponao aho. Fa ny tehiko no hany nentiko nita ity Jordana ity, ary ankehitriny efa lasa antoko anankiroa aho. BSB BSB: I am unworthy of all the kindness and faithfulness You have shown Your servant. Indeed, with only my staff I came across the Jordan, but now I have become two camps.
11 ULB Mba vonjeo amin'ny tanan'ny rahalahiko, ny tanan'i Esao aho, fa matahotra azy aho, ndrao ho avy izy hanafika ahy sy ny reny mbamin'ny zaza. BSB BSB: Please deliver me from the hand of my brother Esau, for I am afraid that he may come and attack me and the mothers and children with me.
12 ULB Kanefa Ianao niteny hoe: 'Ho ambiniko tokoa ianao. Hataoko ho toy ny fasi-dranomasina ny taranakao, izay tsy ho tambo isaina.'" BSB BSB: But You have said, ‘I will surely make you prosper, and I will make your offspring like the sand of the sea, too numerous to count.’”
13 ULB Nitoetra teo Jakoba tamin'iny alina iny. Naka ny sasany tamin'izay nananany niaraka taminy izy mba ho fanomezana ho an'i Esao rahalahiny: BSB BSB: Jacob spent the night there, and from what he had brought with him, he selected a gift for his brother Esau:
14 ULB osy vavy roanjato ary osy lahy roapolo, ondry vavy roanjato sy ondry lahy roapolo, BSB BSB: 200 female goats, 20 male goats, 200 ewes, 20 rams,
15 ULB rameva be ronono telopolo ary ireo zana-borikin'izy ireo, omby vavy efapolo sy omby lahy folo, ampondra vavy roapolo ary ampondra lahy folo. BSB BSB: 30 milk camels with their young, 40 cows, 10 bulls, 20 female donkeys, and 10 male donkeys.
16 ULB Natolony ireo mba ho eo an-tanan'ny mpanompony, ny andiany tsirairay avy. Niteny tamin'ny mpanompony izy hoe: "Mandehana eo alohako ary asio elanelana isaky ny andiam-biby." BSB BSB: He entrusted them to his servants in separate herds and told them, “Go on ahead of me, and keep some distance between the herds.”
17 ULB Nanome toromarika ny mpanompo voalohany izy, niteny hoe: "Rehefa mifanena aminareo Esao rahalahiko ka manontany anareo, manaohoe: 'Olon'iza ianareo? Ho aiza ianareo? An'iza ireo biby izay eo anoloanareo?' BSB BSB: He instructed the one in the lead, “When my brother Esau meets you and asks, ‘To whom do you belong, where are you going, and whose animals are these before you?’
18 ULB Dia hiteny ianareo hoe: 'An'i Jakoba mpanomponao ireo. Ireo dia fanomezana nalefa ho an'i Esao tompoko. Indro, tamy ao aorianay ihany koa izy.'" BSB BSB: then you are to say, ‘They belong to your servant Jacob. They are a gift, sent to my lord Esau. And behold, Jacob is behind us.’”
19 ULB Nanome toromarika ny vondrona faharoa, ny fahatelo, ary ny lehilahy rehetra izay nanaraka ireo andiam-biby ihany koa i Jakoba. Hoy izy hoe: "Hilaza zavatra mitovy amin'i Esao ianareo rehefa mifanena aminy. BSB BSB: He also instructed the second, the third, and all those following behind the herds: “When you meet Esau, you are to say the same thing to him.
20 ULB Tsy maintsy miteny ihany koa ianareo hoe: 'Jakoba mpanomponao dia avy ao afaranay.'" Fa nihevitra izy hoe: "Hampitony azy amin'ny fanomezana izay alefako eo alohako aho. Ary avy eo, rehefa hitako izy, dia angamba mety handray ahy izy." BSB BSB: You are also to say, ‘Look, your servant Jacob is right behind us.’” For he thought, “I will appease Esau with the gift that is going before me. After that I can face him, and perhaps he will accept me.”
21 ULB Koa nalefa nialoha azy ireo fanomezana. Izy tenany nijanona tao an-toby iny alina iny. BSB BSB: So Jacob’s gifts went on before him, while he spent the night in the camp.
22 ULB Nifoha Jakoba nandritry ny alina, ary naka ny vadiny anankiroa, ny ankizivaviny anankiroa, ary ny zanany lahy iraika ambin'ny folo. Nalefany tany ampitan'ny fitàn'i Jaboka izy ireo. BSB BSB: During the night Jacob got up and took his two wives, his two maidservants, and his eleven sons, and crossed the ford of the Jabbok.
23 ULB Tamin'io no nampitany azy ireo tany ampitan'ny rano mandeha niaraka tamin'ireo fananany rehetra. BSB BSB: He took them and sent them across the stream, along with all his possessions.
24 ULB Tavela irery Jakoba, ary nisy lehilahy iray nitolona taminy mandra-parain'ny andro. BSB BSB: So Jacob was left all alone, and there a man wrestled with him until daybreak.
25 ULB Rehefa hitan'ilay lehilahy fa tsy haharesy azy izy, dia novelesiny ny foto-pen'i Jakoba. Nipitsoka ny fotopen'i Jakoba raha nitolona taminy izy. BSB BSB: When the man saw that he could not overpower Jacob, he struck the socket of Jacob’s hip and dislocated it as they wrestled.
26 ULB Niteny ilay lehilahy hoe: "Aleo aho handeha, fa efa ho mangiran-dratsy." Ary Jakoba niteny hoe: "Tsy hamela anao handeha aho raha tsy mitso-drano ahy ianao." BSB BSB: Then the man said, “Let me go, for it is daybreak.” But Jacob replied, “I will not let you go unless you bless me.”
27 ULB Dia hoy ilay lehilahy taminy hoe: "Iza no anaranao? "Jakoba namaly hoe: "Jakoba." BSB BSB: “What is your name?” the man asked. “Jacob,” he replied.
28 ULB Hoy ilay lehilahy hoe: "Ny anaranao dia tsy ho Jakoba intsony, fa Israely. Satria ianao nitolona tamin'Andriamanitra sy tamin'ny vahoaka ary efa nandresy." BSB BSB: Then the man said, “Your name will no longer be Jacob, but Israel, because you have struggled with God and with men, and you have prevailed.”
29 ULB Nanontany azy Jakoba hoe: "Mba lazao ahy tompoko ny anaranao." Hoy izy hoe: "Nahoana ianao no manontany ny anarako?" Avy eo nitso-drano azy teo izy. BSB BSB: And Jacob requested, “Please tell me your name.” But he replied, “Why do you ask my name?” Then he blessed Jacob there.
30 ULB Jakoba niantso ny anaran'ilay toerana hoe Peniela satria hoy izy hoe: "Efa nifanatri-tava tamin'Andriamanitra aho, ary avotra ny aiko." BSB BSB: So Jacob named the place Peniel, saying, “Indeed, I have seen God face to face, and yet my life was spared.”
31 ULB Niposaka ny masoandro raha nandalo an'i Peniela i Jakoba. Nandringa izy nohon'ny foto-peny. BSB BSB: The sun rose above him as he passed by Penuel, and he was limping because of his hip.
32 ULB Izany no antony tsy nihinanan'ny vahoakan'i Israely ny hozatry ny foto-pe izay eo amin'ny fitohizan'ny fe mandrak'ankehitriny, satria nandratra ireo hozatra ireo ilay lehilahy raha nanapitsoka ny foto-pen'i Jakob. BSB BSB: Therefore to this day the Israelites do not eat the tendon attached to the socket of the hip, because the socket of Jacob’s hip was struck near that tendon.