1 ULB Nitazana ambony Jakoba ary, indro Esao nanatona, ary nisy lehilahy efajato niaraka taminy. Notsinjarain'i Jakoba tamin'i Lea, Rahely, ary ireo mpanompo vavy ireo ankizy. BSB BSB: Now Jacob looked up and saw Esau coming toward him with four hundred men. So he divided the children among Leah, Rachel, and the two maidservants.
2 ULB Avy eo dia napetrany teny aloha ireo mpanompo vavy sy ny zanak'izy ireo, narahin'i Lea sy ireo zanany, ary narahin'i Rahely sy Josefa ny farany indrindra. BSB BSB: He put the maidservants and their children in front, Leah and her children next, and Rachel and Joseph at the rear.
3 ULB Izy mihitsy no nandeha nialoha azy ireo. Niankohoka impito teo amin'ny tany izy, mandra-pahatongany teo akaikin'ny rahalahiny. BSB BSB: But Jacob himself went on ahead and bowed to the ground seven times as he approached his brother.
4 ULB Nihazakazaka mba hitsena azy Esao, namihina azy, nisakambina ny tendany ary nanoroka azy. Avy eo dia nitomany izy ireo. BSB BSB: Esau, however, ran to him and embraced him, threw his arms around his neck, and kissed him. And they both wept.
5 ULB Rehefa nitazana ambony Esao, dia nahita ireo zaza amam-behivavy izy. Hoy izy hoe: "Iza ireo olona miaraka aminao ireo?" Hoy Jakoba hoe: "Ireo no ankizy izay nomen'Andriamanitra tamim-pahasoavana ho an'ny mpanomponao." BSB BSB: When Esau looked up and saw the women and children, he asked, “Who are these with you?” Jacob answered, “These are the children God has graciously given your servant.”
6 ULB Avy eo nandroso teny aloha ilay mpanompo vavy niaraka tamin'ireo zanany, ary niankohoka izy ireo. BSB BSB: Then the maidservants and their children approached and bowed down.
7 ULB Avy eo dia nanatona teny aloha ihany koa Lea sy ireo zanany ary niankohoka. Ary farany Josefa sy Rahely nanatona teny aloha ary niankohoka. BSB BSB: Leah and her children also approached and bowed down, and then Joseph and Rachel approached and bowed down.
8 ULB Hoy Esao hoe: "Inona no dikan'ny nandefasanao ireny vondrona rehetra nifanena tamiko ireny?" Hoy Jakoba hoe: "Mba hahazoana sitraka eo imason'ny tompoko." BSB BSB: “What do you mean by sending this whole company to meet me?” asked Esau. “To find favor in your sight, my lord,” Jacob answered.
9 ULB Hoy Esao hoe: "Efa manana ny ampy aho, ry rahalahiko. Hazony ho an'ny tenanao izay anananao." BSB BSB: “I already have plenty, my brother,” Esau replied. “Keep what belongs to you.”
10 ULB Hoy Jakoba hoe: "Tsia, miangavy re, raha efa nahita fitia eo imasonao aho, dia ekeo ny fanomezana avy amiko, izay eo an-tanako, eny tokoa, efa nahita ny endrikao aho, ary toy ny mahita ny endrik'Andriamanitra izany, ary dia noraisinao aho. BSB BSB: But Jacob insisted, “No, please! If I have found favor in your sight, then receive this gift from my hand. For indeed, I have seen your face, and it is like seeing the face of God, since you have received me favorably.
11 ULB Mba raiso re ny fanomezana izay nentina ho anao, satria efa nanome fahasoavana ahy Andriamanitra, ary satria efa manana ny ampy aho." Dia toy izany no nandrisihan'i Jakoba azy, ary dia neken'i Esao izany. BSB BSB: Please accept my gift that was brought to you, because God has been gracious to me and I have all I need.” So Jacob pressed him until he accepted.
12 ULB Ary hoy Esao hoe: "Andeha isika hanainga. Handeha eo alohanareo aho." BSB BSB: Then Esau said, “Let us be on our way, and I will go ahead of you.”
13 ULB Hoy Jakoba taminy hoe: "Ny tompoko dia mahafantatra fa mbola kely ireto ankizy, ary mbola mitaiza ny zanany ireo ondry sy omby. Raha entina mafy na dia iray andro monja aza izy ireo, dia ho faty avokoa ireo biby rehetra. BSB BSB: But Jacob replied, “My lord knows that the children are frail, and I must care for sheep and cattle that are nursing their young. If they are driven hard for even a day, all the animals will die.
14 ULB Mba avelao re ny tompoko handeha hialoha ny mpanompony. Handeha moramora kokoa aho, araka ny famindran'ireo biby fiompy izay eo alohako, ary araka ny dian'ireto zaza, mandra-pahatongako any amin'ny tompoko any Seira." BSB BSB: Please let my lord go ahead of his servant. I will continue on slowly, at a comfortable pace for the livestock and children, until I come to my lord at Seir.”
15 ULB Hoy Esao hoe: "Avelao hajanoko aminao ny sasany amin'ireo lehilahy miaraka amiko." Fa hoy Jakoba hoe: "Nahoana no manao izany? Efa ampy ny hatsaram-panahin'ny tompoko tamiko." BSB BSB: “Let me leave some of my people with you,” Esau said. But Jacob replied, “Why do that? Let me find favor in the sight of my lord.”
16 ULB Koa dia nanomboka ny diany hiverina ho any Seira i Esao tamin'io andro io. BSB BSB: So that day Esau started on his way back to Seir,
17 ULB Nandeha tany Sokota i Jakoba, nanangana trano ho azy, ary nanao fialofana ho an'ireo biby fiompiny. Noho izany dia nantsoina hoe Sokota io toerana io. BSB BSB: but Jacob went on to Succoth, where he built a house for himself and shelters for his livestock; that is why the place was called Succoth.
18 ULB Rehefa avy tany Padana-Arama i Jakoba, dia tonga soa aman-tsara tao amin'ny tanànan'i Sekema, izay tao amin'ny tany Kanana. Nitoby teo akaikin'ny tanàna izy. BSB BSB: After Jacob had come from Paddan-aram, he arrived safely at the city of Shechem in the land of Canaan, and he camped just outside the city.
19 ULB Avy eo izy nividy ny ampahan-tany izay nanorenany ny lainy tamin'ny zanak'i Hamora, rain'i Sekema, tamin'ny volafotsy madinika zato. BSB BSB: And the plot of ground where he pitched his tent, he purchased from the sons of Hamor, Shechem’s father, for a hundred pieces of silver.
20 ULB Teo no nanorenany alitara ary nantsoiny hoe El-Elohe Israely izany. BSB BSB: There he set up an altar and called it El-Elohe-Israel.