1 ULB Ary Dina, zanaka vavin'i Lea tamin'i Jakoba, nandeha mba hihaona amin'ireo zazavavin'ilay faritra. BSB BSB: Now Dinah, the daughter Leah had borne to Jacob, went out to visit the daughters of the land.
2 ULB Sekema zanaka lahin'i Hamora Hivita, ilay andriandahin'ny tany, nahita azy dia naka an-keriny azy, sy nanery azy ary niara-nandry taminy. BSB BSB: When Shechem son of Hamor the Hivite, the prince of the region, saw her, he took her and lay with her by force.
3 ULB Nahasarika azy tokoa i Dina, ilay zanaka vavin'i Jakoba. Tia an'ilay zazavavy izy ary niresaka tam-pitiavana taminy. BSB BSB: And his soul was drawn to Dinah, the daughter of Jacob. He loved the young girl and spoke to her tenderly.
4 ULB Niresaka tamin'i Hamora rainy i Sekema, nanao hoe: "Alaivo mba ho vadiko io tovovavy io." BSB BSB: So Shechem told his father Hamor, “Get me this girl as a wife.”
5 ULB Ary Jakoba nandre fa efa nandoto an'i Dina ilay zanany vavy izy. Tany an-tsaha niaraka tamin'ireo biby fiompy ireo zanany lahy, noho izany dia nitazona ny fahanginany mandra-pahatongan'izy ireo i Jakoba. BSB BSB: Jacob heard that Shechem had defiled his daughter Dinah, but since his sons were with his livestock in the field, he remained silent about it until they returned.
6 ULB Nankany amin'i Jakoba mba hiresaka aminy i Hamora rain'i Sekema. BSB BSB: Meanwhile, Shechem’s father Hamor came to speak with Jacob.
7 ULB Tonga avy any an-tsaha ireo zanaka lahin'i Jakoba raha nandre ny olana. Tohina tokoa ireo lehilahy ireo. Tezitra mafy izy ireo satria nanala baraka an'Israely izy tamin'ny fanaovany an-keriny ny zanaka vavin'i Jakoba, fa izany karazan-javatra izany dia tsy tokony natao. BSB BSB: When Jacob’s sons heard what had happened, they returned from the field. They were filled with grief and fury, because Shechem had committed an outrage in Israel by lying with Jacob’s daughter—a thing that should not be done.
8 ULB Niresaka tamin'izy ireo i Hamora, nanao hoe: "Sekema zanako lahy dia tia ny zanakao vavy. Ka mba omeo ho vadiny re izy. BSB BSB: But Hamor said to them, “My son Shechem longs for your daughter. Please give her to him as his wife.
9 ULB Mifanambadia aminay, omeo anay ny zanakao vavy, ary alaivo ho anareo ny zanakay vavy. BSB BSB: Intermarry with us; give us your daughters and take our daughters for yourselves.
10 ULB Hiara-honina aminay ianareo, ary ny tany hisokatra ho anareo mba hitoerana sy hanaovana varotra, ary ho lasa fananana." BSB BSB: You may settle among us, and the land will be open to you. Live here, move about freely, and acquire your own property.”
11 ULB Hoy Sekema tamin'ny rainy sy ireo rahalahiny hoe: "Aoka hahita sitraka eo imasonareo aho, ary na inona na inona lazainareo ahy dia homeko. BSB BSB: Then Shechem said to Dinah’s father and brothers, “Grant me this favor, and I will give you whatever you ask.
12 ULB Angataho amiko na dia lafo aza ny sandan'ny vady sy ny fanomezana araka izay sitrakareo, ary homeko anareo na inona na inona teneninareo amiko, fa omeo ho vadiko ilay tovovavy. BSB BSB: Demand a high dowry and an expensive gift, and I will give you whatever you ask. Only give me the girl as my wife!”
13 ULB Namaly am-pitaka an'i Sekema sy Hamora rainy ireo zanaka lahin'i Jakoba, satria nandoto an'i Dina anabavin'izy ireo i Sekema. BSB BSB: But because Shechem had defiled their sister Dinah, Jacob’s sons answered him and his father Hamor deceitfully.
14 ULB Hoy ireo tamin'izy ireo hoe: "Tsy afaka manao izany zavatra izany izahay, hanome ny anabavinay ho an'ny olona izay tsy voafora; fa ho fahafaham-baraka ho anay izany. BSB BSB: “We cannot do such a thing,” they said. “To give our sister to an uncircumcised man would be a disgrace to us.
15 ULB Amin'izao fepetra izao ihany no hanekenay anareo: raha mifora toa anay ianao, ary raha mifora avokoa ny lehilahy rehetra eo aminao. BSB BSB: We will consent to this on one condition, that you become circumcised like us—every one of your males.
16 ULB Dia homenay anareo ireo zanakay vavy, ary ho alainay ho anay ireo zanakareo vavy, dia hiara-honina isika ka ho tonga vahoaka iray. BSB BSB: Then we will give you our daughters and take your daughters for ourselves. We will dwell among you and become one people.
17 ULB Fa raha tsy mihaino anay ianareo ka tsy mifora, dia ho entinay ny anabavinay ary handeha izahay." BSB BSB: But if you will not agree to be circumcised, then we will take our sister and go.”
18 ULB Nahafaly an'i Hamora sy i Sekema zanany ny tenin'izy ireo. BSB BSB: Their offer seemed good to Hamor and his son Shechem.
19 ULB Fa ilay tovolahy dia tsy nitaredretra nanao izay nolazain'izy ireo, satria finaritra tamin'ny zanaka vavin'i Jakoba izy, ary satria izy no olona homem-boninahitra indrindra ao amin'ny ankohonan'ny rainy rehetra. BSB BSB: The young man, who was the most respected of all his father’s household, did not hesitate to fulfill this request, because he was delighted with Jacob’s daughter.
20 ULB Nankany amin'ny vavahadin'ny tanànan'izy ireo i Hamora sy Sekema ary niresaka tamin'ireo olon'ny tanàna, nanao hoe: BSB BSB: So Hamor and his son Shechem went to the gate of their city and addressed the men of their city:
21 ULB "Mihavana amintsika ireo olona ireo, koa avelao izy ireo honina amin'ny tany sy hanao varotra eo amin'izany, satria tokoa, tena, midadasika ampy ho azy ireo ny tany. Haka ny zanaka vavin'izy ireo ho vady isika, ary hanome azy ireo ny zanantsika vavy. BSB BSB: “These men are at peace with us. Let them live and trade in our land; indeed, it is large enough for them. Let us take their daughters in marriage and give our daughters to them.
22 ULB Amin'ity fepetra tokana ity ihany no haneken'ireo olona hiara-honina amintsika sy ho tonga vahoaka iray: raha mifora avokoa ny lehilahy rehetra eo amintsika, toy ny maha-voafora azy ireo. BSB BSB: But only on this condition will the men agree to dwell with us and be one people: if all our men are circumcised as they are.
23 ULB Tsy ho lasantsika avokoa ve ny biby fiompy sy ny fananan'izy ireo—ary ny biby rehetra? Koa aoka hanaiky azy ireo isika, dia honina eo amintsika izy ireo." BSB BSB: Will not their livestock, their possessions, and all their animals become ours? Only let us consent to them, and they will dwell among us.”
24 ULB Nihaino an'i Hamora sy Sekema, ilay zanany lahy avokoa ny olona rehetra tao an-tanàna. Noforaina avokoa ny lehilahy rehetra. BSB BSB: All the men who went out of the city gate listened to Hamor and his son Shechem, and every male of the city was circumcised.
25 ULB Tamin'ny andro fahatelo, raha mbola tao anatin'ny fanaitainana izy ireo, ny roa tamin'ny zanaka lahin'i Jakoba (Simeona sy Levy, anadahin'i Dina), dia samy nandray ny sabatrany ary nanafika ny tanàna izay azo antoka ny fiarovana azy, izy ireo, ka namono ny lehilahy rehetra. BSB BSB: Three days later, while they were still in pain, two of Jacob’s sons (Dinah’s brothers Simeon and Levi) took their swords, went into the unsuspecting city, and slaughtered every male.
26 ULB Novonoin'izy ireo tamin'ny lelan-tsabatr'izy ireo i Hamora sy Sekema zanany. Nalain'izy ireo tao an-tranon'i Sekema i Dina ary lasa izy ireo. BSB BSB: They killed Hamor and his son Shechem with their swords, took Dinah out of Shechem’s house, and went away.
27 ULB Nankeo amin'ireo faty ireo zanaka lahy hafan'i Jakoba ary nandroba ny tanàna, satria efa nandoto ny anabavin'izy ireo ny olona. BSB BSB: Jacob’s other sons came upon the slaughter and looted the city, because their sister had been defiled.
28 ULB Nalain'izy ireo ny ondry aman'osin'izy ireo, ny ombin'izy ireo, ny borikin'izy ireo, ary ny zavatra rehetra tao amin'ny tanàna sy izay nanodidina ny saha BSB BSB: They took their flocks and herds and donkeys, and everything else in the city or in the field.
29 ULB niaraka tamin'ny haren'izy ireo rehetra. Ny zanaka sy ny vadin'izy ireo rehetra, dia nosamborin'izy ireo. Nalain'izy ireo hatramin'ny zavatra rehetra izay tao an-trano. BSB BSB: They carried off all their possessions and women and children, and they plundered everything in their houses.
30 ULB Hoy Jakoba tamin'i Simeona sy Levy hoe: "Nitondra olana ho ahy ianareo, nahamaimbo ahy teo amin'ireo mponin'ny tany, ireo Kananita sy ireo Perizita. Vitsy an'isa aho. Raha miara-mihoko hanohitra ahy sy hamely ahy izy ireo, dia ho resy aho, izaho sy ny ankohonako." BSB BSB: Then Jacob said to Simeon and Levi, “You have brought trouble upon me by making me a stench to the Canaanites and Perizzites, the people of this land. We are few in number; if they unite against me and attack me, I and my household will be destroyed.”
31 ULB Fa Simeona sy Levy nanao hoe: "Tokony hitondra ny anabavinay tahaka ny vehivavy janga ve i sekema?" BSB BSB: But they replied, “Should he have treated our sister like a prostitute?”