1 ULB Hoy Andriamanitra tamin'i Jakoba hoe: "Mitsangàna, mandehana miakatra any Betela ary mipetraha any. Manamboara alitara any ho an' Andriamanitra, izay niseho taminao fony ianao nandositra an'i Esao rahalahinao." BSB BSB: Then God said to Jacob, “Arise, go up to Bethel, and settle there. Build an altar there to the God who appeared to you when you fled from your brother Esau.”
2 ULB Ary Jakoba niteny tamin'ny ankohonany sy ireo rehetra niaraka taminy hoe: "Avelao ireo andriamanitra hafa izay eo aminareo, diovy ny tenanareo, ary soloy ny fitafianareo. BSB BSB: So Jacob told his household and all who were with him, “Get rid of the foreign gods that are among you. Purify yourselves and change your garments.
3 ULB Andao isika hanainga ho any Betela. Hanamboatra alitara any aho ho an'Andriamanitra, izay namonjy ahy tamin'ny andro fahoriko, sy niaraka tamiko foana na taiza na taiza nalehako." BSB BSB: Then let us arise and go to Bethel. I will build an altar there to God, who answered me in my day of distress. He has been with me wherever I have gone.”
4 ULB Dia nomen'izy ireo an'i Jakoba ireo andriamanitra hafa rehetra izay teny an-tanany, sy ireo kavina teny an-tsofin'izy ireo. Nalevin'i Jakoba tao ambanin'ny hazo teribina izay akaikin'i Sikema ireo. BSB BSB: So they gave Jacob all their foreign gods and all their earrings, and Jacob buried them under the oak near Shechem.
5 ULB Raha nandeha izy ireo, dia nandatsahan'Andriamanitra horohoro teo amin'ireo tanàna manodidina azy ireo, koa dia tsy nanenjika ireo zanaka lahin'i Jakoba ireo olona ireo. BSB BSB: As they set out, a terror from God fell over the surrounding cities, so that they did not pursue Jacob’s sons.
6 ULB Tonga tao Lozy i Jakoba (izay ao Betela ihany), izay ao amin'ny tany Kanana, izy sy ireo olona rehetra izay niaraka taminy. BSB BSB: So Jacob and everyone with him arrived in Luz (that is, Bethel) in the land of Canaan.
7 ULB Nanangana alitara tao izy ary nantsoiny hoe El-betela izany toerana izany, satria tao Andriamanitra no nanambara ny Tenany taminy, raha nandositra ny rahalahiny izy. BSB BSB: There Jacob built an altar, and he called that place El-bethel, because it was there that God had revealed Himself to Jacob as he fled from his brother.
8 ULB Ary maty i Debora, mpitaiza an'i Rebeka. Nalevina tao ambanimbanin'ny Betela tao amban'ilay hazo terebinta izy, koa dia nantsoina izany hoe Alona-bakota. BSB BSB: Now Deborah, Rebekah’s nurse, died and was buried under the oak below Bethel. So Jacob named it Allon-bacuth.
9 ULB Rehefa niverina avy any Padan-Arama i Jakoba, dia niseho taminy indray Andriamanitra ary nitso-drano azy. BSB BSB: After Jacob had returned from Paddan-aram, God appeared to him again and blessed him.
10 ULB Hoy Andriamanitra taminy hoe: "Jakoba no anaranao, kanefa tsy antsoina hoe Jakoba intsony ianao. Fa atao hoe Israely." Dia natsoin'Andriamanitra hoe Israely ny anarany. BSB BSB: And God said to him, “Though your name is Jacob, you will no longer be called Jacob. Instead, your name will be Israel.” So God named him Israel.
11 ULB Hoy Andriamanitra taminy hoe: "Izaho no Andriamanitra Tsitoha. Miteraha maro ary mihamaroa. Hisy firenena sy ny fikambanam-pirenena hipoitra avy aminao, ary mpanjaka no ho eo amin'ireo taranakao. BSB BSB: And God told him, “I am God Almighty. Be fruitful and multiply. A nation—even a company of nations—shall come from you, and kings shall descend from you.
12 ULB Ilay tany izay nomeko an'i Abrahama sy Isaka, dia homeko anao. Ho an'ireo taranakao izay mandimby anao dia homeko an'ilay tany ihany koa. BSB BSB: The land that I gave to Abraham and Isaac I will give to you, and I will give this land to your descendants after you.”
13 ULB Dia niakatra ka niala teo aminy, teo amin'ilay toerana izay niresahany taminy Andriamanitra. BSB BSB: Then God went up from the place where He had spoken with him.
14 ULB Nanorina tsangam-bato teo amin'ilay toerana niresahan'Andriamanitra taminy i Jakoba, tsangam-bato vita tamin'ny vato. Nandraraka fanatitra sotroina sy nandraraka diloilo teo amin'izany izy. BSB BSB: So Jacob set up a pillar in the place where God had spoken with him—a stone marker—and he poured out a drink offering on it and anointed it with oil.
15 ULB Nantsoin'i Jakoba hoe Betela ilay toerana izay niresahan'Andriananitra taminy. BSB BSB: Jacob called the place where God had spoken with him Bethel.
16 ULB Niala tao Betela izy ireo. Raha mbola lavidavitra an'i Efratà izy ireo, dia nihetsi-jaza Rahely. Saro-piterahana izy. BSB BSB: Later, they set out from Bethel, and while they were still some distance from Ephrath, Rachel began to give birth, and her labor was difficult.
17 ULB Raha tao anatin'ny fangirifirian'ny fahasarotam-piterahana izy, dia nilaza taminy ilay mpampivelona hoe: "Aza matahotra, fa izao dia hahazo zazalahy iray hafa ianao." BSB BSB: During her severe labor, the midwife said to her, “Do not be afraid, for you are having another son.”
18 ULB Ary raha teo am-pialany aina, tamin'ny fara-fofonainy no niantsoiny azy hoe Benony izy, kanefa ny rainy niantso azy hoe Benjamina. BSB BSB: And with her last breath—for she was dying—she named him Ben-oni. But his father called him Benjamin.
19 ULB Maty Rahely ary nalevina teny amin'ny lalana mankany Efratà (izay atao hoe Betlehema). BSB BSB: So Rachel died and was buried on the way to Ephrath (that is, Bethlehem).
20 ULB Nanangana tsangam-bato teo ambonin'ny fasany i Jakoba. Izany no famantarana ny fasan'i Rahely hatramin'izao. BSB BSB: Jacob set up a pillar on her grave; it marks Rachel’s tomb to this day.
21 ULB Nanohy ny diany Israely ary nanangana ny lainy tao ambadiky ny tilikambo fiambenana ireo ondry aman'osy. BSB BSB: Israel again set out and pitched his tent beyond the Tower of Eder.
22 ULB Raha nipetraka tao amin'izany tany izany Israely, dia niara-nandry tamin'i Bila izay vaditsindranon-drainy i Robena, ka ren'i Israely izany. Ary nanan-janaka lahy roa ambin'ny folo i Jakoba. BSB BSB: While Israel was living in that region, Reuben went in and slept with his father’s concubine Bilhah, and Israel heard about it. Jacob had twelve sons:
23 ULB Ireo zanany lahy avy tamin'i Lea dia Robena, ilay lahimatoan'i Jakoba, sy Simeona, Levi, Joda, Isakara, ary Zebolona. BSB BSB: The sons of Leah were Reuben the firstborn of Jacob, Simeon, Levi, Judah, Issachar, and Zebulun.
24 ULB Ireo zanany lahy avy amin'i Rahely dia Josefa sy Bejamina. BSB BSB: The sons of Rachel were Joseph and Benjamin.
25 ULB Ireo zanany lahy avy amin'i Bila, izay mpanompovavin'i Rahely, dia Dana sy Naftaly. BSB BSB: The sons of Rachel’s maidservant Bilhah were Dan and Naphtali.
26 ULB Ireo zanaka lahy avy amin'i Zilpa, mpanompovavin'i Lea, dia Gada sy Asera. Ireo rehetra ireo no zanaka lahin'i Jakoba izay naterany tany Padana-Arama. BSB BSB: And the sons of Leah’s maidservant Zilpah were Gad and Asher. These are the sons of Jacob, who were born to him in Paddan-aram.
27 ULB Jakoba tonga tany amin'i Isaka, rainy, tany Mamre any Kiriat-Arba (na Hebròna ihany koa), toerana izay nipetrahan'i Abrahama sy Isaka. BSB BSB: Jacob returned to his father Isaac at Mamre, near Kiriath-arba (that is, Hebron), where Abraham and Isaac had stayed.
28 ULB Niaina valopolo amby zato taona Isaka. Niala aina i Isaka ka maty ary nangonina ho any amin'ireo razambeny, zokiolona voky andro izy. BSB BSB: And Isaac lived 180 years.
29 ULB Esao sy Jakoba, ary ireo zanany lahy, no nandevina azy. BSB BSB: Then he breathed his last and died and was gathered to his people, old and full of years. And his sons Esau and Jacob buried him.