1 ULB Rehefa nanomboka nihamaro teto an-tany ny olombelona ary niteraka zazavavy maro, BSB BSB: Now when men began to multiply on the face of the earth and daughters were born to them,
2 ULB dia hitan'ny zanak'Andriamanitra fa maha-te ho tia ny zanaka vavin'ny olombelona. Naka vady ho azy izy ireo, na iza na iza nosafidiany tamin'izy ireo. BSB BSB: the sons of God saw that the daughters of men were beautiful, and they took as wives whomever they chose.
3 ULB Hoy Yaveh hoe: "Tsy hitoetra amin'ny olombelona mandrakizay ny fanahiko, satria nofo izy ireo. Hiaina mandritry ny 120 taona izy ireo." BSB BSB: So the LORD said, “My Spirit will not contend with man forever, for he is mortal; his days shall be 120 years.”
4 ULB Teto ambonin'ny tany ny olona goavana tamin'izany andro izany, ary taorian'izany ihany koa. Izany no nitranga rehefa nanambady ireo zanaka vavin'ny olombelona ireo zanak'Andriamanitra, ary niteraka tamin'izy ireo. Ireo no lehilahy mahery taloha, lehilahy nanana laza. BSB BSB: The Nephilim were on the earth in those days—and afterward as well—when the sons of God had relations with the daughters of men. And they bore them children who became the mighty men of old, men of renown.
6 ULB Nanenina tamin'ny nahariany ny olombelona teo an-tany Yaveh, ary nahasosotra ny fony izany. BSB BSB: And the LORD regretted that He had made man on the earth, and He was grieved in His heart.
7 ULB Koa hoy Yaveh hoe: "Haringako hiala eo ambonin'ny tany ny olombelona izay nohariako; na ny olombelona na ireo biby vaventy, sy ireo zavatra mikisaka ary ireo voron'ny habakabaka, satria nanenina Aho namorona azy ireo." BSB BSB: So the LORD said, “I will blot out man, whom I have created, from the face of the earth—every man and beast and crawling creature and bird of the air—for I am grieved that I have made them.”
8 ULB Fa Noa kosa nahita sitraka teo imason'i Yaveh. BSB BSB: Noah, however, found favor in the eyes of the LORD.
9 ULB Izao no tantara mahakasika an'i Noa. Noa dia lehilahy marina, ary tsy nisy tsiny teo amin'ny olona tamin'ny androny. Noa dia nandeha niaraka tamin'Andriamanitra. BSB BSB: This is the account of Noah. Noah was a righteous man, blameless in his generation; Noah walked with God.
10 ULB Niteraka zanaka lahy telo i Noa: Sema, Hama, sy Jafeta. BSB BSB: And Noah had three sons: Shem, Ham, and Japheth.
11 ULB Simba teo anatrehan'Andriamanitra ny tany, ary feno herisetra izany. BSB BSB: Now the earth was corrupt in the sight of God, and full of violence.
12 ULB Hitan'Andriamanitra ny tany; ary indro, simba izany, satria nanimba ny lalan'izy ireo teo ambonin'ny tany ny nofo rehetra. BSB BSB: And God looked upon the earth and saw that it was corrupt; for all living creatures on the earth had corrupted their ways.
13 ULB Hoy Andriamanitra tamin'i Noa hoe: "Hitako fa fotoana hamotehana ny nofo rehetra izao, satria feno herisetra amin'ny alalan'izy ireo ny tany. Haringako miaraka amin'ny tany tokoa izy ireo. BSB BSB: Then God said to Noah, “The end of all living creatures has come before Me, because through them the earth is full of violence. Now behold, I will destroy both them and the earth.
14 ULB Manaova sambo-fiara vita amin'ny hazo kypreso ho an'ny tenanao. Asio efitra ao anatin'ilay sambo-fiara, ary asio dinty ao anatiny sy ivelan'izany. BSB BSB: Make for yourself an ark of gopher wood; make rooms in the ark and coat it with pitch inside and out.
15 ULB Izao no fomba hanaovanao izany: telonjato hakiho ny halavan'ny sambo-fiara, dimampolo hakiho ny sakany, ary telopolo hakiho ny haavony. BSB BSB: And this is how you are to build it: The ark is to be 300 cubits long, 50 cubits wide, and 30 cubits high.
16 ULB Asio tafo ny sambo-fiara, ary vitao amin'ny hakiho iray avy any ambony izany. Asio varavarana ny ilan'ilay sambo-fiara ary asio tokotanin-tsambo ambany, faharoa sy fahatelo. BSB BSB: You are to make a roof for the ark, finish its walls a cubit from the top, place a door in the side of the ark, and build lower, middle, and upper decks.
17 ULB Mihainoa, efa mby hitondra ilay safo-drano eny ambonin'ny tany Aho, mba hamotika ny nofo rehetra izay manana ny fofon'aina ambanin'ny lanitra ao aminy. Ho faty avokoa ny zavatra rehetra eny ambonin'ny tany. BSB BSB: And behold, I will bring floodwaters upon the earth to destroy every creature under the heavens that has the breath of life. Everything on the earth will perish.
18 ULB Kanefa hanorina ny fanekeko aminao Aho. Ho avy ao amin'ilay sambo-fiara ianareo, ianao, sy ireo zanakao lahy, ary ny vadinao, sy ireo vinantovavinao. BSB BSB: But I will establish My covenant with you, and you will enter the ark—you and your sons and your wife and your sons’ wives with you.
19 ULB Amin'ny zava-manan'aina rehetra amin'ny nofo rehetra, dia tsy maintsy hitondranao roa avy amin'ny karazany rehetra mankao anaty sambo-fiara, mba hihazonana azy ireo ho velona miaraka aminao, na lahy na vavy. BSB BSB: And you are to bring two of every living creature into the ark—male and female—to keep them alive with you.
20 ULB Ireo vorona samy araka ny karazany avy, ary ny biby vaventy samy araka ny karazany avy, ny zavatra mikisaka amin'ny tany rehetra samy araka ny karazany avy, dia hanatona anao avokoa ny roa amin'ny karazany rehetra, velomy izy ireo. BSB BSB: Two of every kind of bird and animal and crawling creature will come to you to be kept alive.
21 ULB Hangony ho anao avokoa ny karazan-tsakafo rehetra izay fihinana ary tehirizo izany, mba ho sakafonao sy ho azy ireo." BSB BSB: You are also to take for yourself every kind of food that is eaten and gather it as food for yourselves and for the animals.”
22 ULB Ka dia nataon'i Noa izany. Araka izay rehetra nandidian'Andriamanitra no nanaovany azy. BSB BSB: So Noah did everything precisely as God had commanded him.