1 ULB Ary Yaveh nilaza tamin'i Noa hoe: "Midira ao amin'ilay sambo-fiara ianao sy ny ankohonanao, satria ianao no olona hitako fa marina eo anatrehako amin'ity taranaka ity. BSB BSB: Then the LORD said to Noah, “Go into the ark, you and all your family, because I have found you righteous in this generation.
2 ULB Ny amin'ny biby madio rehetra dia hitondranao fito lahy sy fito vavy. Ary ny amin'ireo biby tsy madio, dia maka roa isany avy, lahy sy vavy. BSB BSB: You are to take with you seven pairs of every kind of clean animal, a male and its mate; a pair of every kind of unclean animal, a male and its mate;
3 ULB Ny amin'ireo voron'ny habakabaka ihany koa, dia maka fito lahy sy fito vavy, ho fitandrovana ny taranany ety ambonin'ny tany. BSB BSB: and seven pairs of every kind of bird of the air, male and female, to preserve their offspring on the face of all the earth.
4 ULB Aorian'ny fito andro dia handefa orana mikija mandritra ny efapolo andro sy efapolo alina Aho. Haringako daholo ireo zava-manan'aina nohariako teto ambonin'ny tany." BSB BSB: For seven days from now I will send rain on the earth for forty days and forty nights, and I will wipe from the face of the earth every living thing I have made.”
5 ULB Dia nataon'i Noa izay rehetra nandidian'i Yaveh az. BSB BSB: And Noah did all that the LORD had commanded him.
6 ULB Eninjato taona i Noa tamin'ny fotoana nahatongavan'ny safo-drano teto an-tany. BSB BSB: Now Noah was 600 years old when the floodwaters came upon the earth.
7 ULB Noa, ireo zanany lahy, ny vadiny, ary ireo vinanto vaviny dia niara-niditra tao anaty sambo-fiara nohon'ny ranon'ny safo-drano. BSB BSB: And Noah and his wife, with his sons and their wives, entered the ark to escape the waters of the flood.
8 ULB Ireo biby madio sy ireo biby maloto, ireo vorona, ary ireo zavatra rehetra mandady amin'ny tany, BSB BSB: The clean and unclean animals, the birds, and everything that crawls along the ground
9 ULB dia tonga tsiroaroa, lahy sy vavy, nankeo amin'i Noa ary niditra tao amin'ny sambo-fiara, araka ny efa nandidian'Andriamanitra an'i Noa. BSB BSB: came to Noah to enter the ark, two by two, male and female, as God had commanded Noah.
10 ULB Ary fito andro taty aoriana, dia nanomboka nirotsaka ny orana ka safotry ny rano ny tany. BSB BSB: And after seven days the floodwaters came upon the earth.
11 ULB Tamin'ny faha eninjato taona niainan'i Noa, volana faharoa, andro faha fito ambin'ny folon'ny volana, tamin'io andro io ihany, dia nipoitra ireo loharano lalina rehetra ambanin'ny tany, ary nisokatra ireo varavarakelin'ny lanitra. BSB BSB: In the six hundredth year of Noah’s life, on the seventeenth day of the second month, all the fountains of the great deep burst forth, and the floodgates of the heavens were opened.
12 ULB Nanomboka nikija nandritrin'ny efapolo andro sy efapolo alina ny orana teto ambonin'ny tany. BSB BSB: And the rain fell upon the earth for forty days and forty nights.
13 ULB Tamin'io andro io ihany i Noa sy ireo zanany lahy, Sema, Hama, sy Jafeta, ary ny vadin'i Noa, sy ireo vinanto vaviny telo niaraka amin'izy ireo, dia niditra tao anatin'ilay sambo-fiara. BSB BSB: On that very day Noah entered the ark, along with his sons Shem, Ham, and Japheth, and his wife, and the three wives of his sons—
14 ULB Ary izy ireo niditra niaraka tamin'ireo bibi-dia rehetra samy amin'ny karazany avy, sy ny biby fiompy samy araka ny karazany avy, sy ny zavatra mikisaka amin'ny tany samy araka ny karazany avy, ary ny karazam-borona rehetra samy araka ny karazany avy, sy ireo zava-manan'aina manan'elatra tsirairay araka ny karazany avy. BSB BSB: they and every kind of wild animal, livestock, crawling creature, bird, and winged creature.
15 ULB Tonga tsiroaroa teo amin'i Noa ireo biby rehetra manam-pofon'aina isaky ny karazany avy ary niditra tao amin'ilay sambo-fiara. BSB BSB: They came to Noah to enter the ark, two by two of every creature with the breath of life.
16 ULB Ireo biby izay niditra tao dia lahy sy ny vavy isakin'ny karazany avy; niditra tao izy ireo araka izay nandidian'Andriamanitra azy. Avy eo Yaveh nanidy ny vavarana rehefa tafiditra izy ireo. BSB BSB: And they entered, the male and female of every living thing, as God had commanded Noah. Then the LORD shut him in.
17 ULB Avy eo dia tonga teto an-tany nandritrin'ny efapolo andro ny safo-drano, ary nitombo ny rano ka nanainga ilay sambo-fiara sy nampiakatra izany ho eo ambonin'ny tany. BSB BSB: For forty days the flood kept coming on the earth, and the waters rose and lifted the ark high above the earth.
18 ULB Rakotra rano tanteraka ny tany, ka nitsingevana teny ambony rano ilay sambo-fiara. BSB BSB: So the waters continued to surge and rise greatly on the earth, and the ark floated on the surface of the waters.
19 ULB Nisondrotra be teo amin'ny tany ny rano ka rakotra avokoa ireo tendrombohitra avo rehetra ambanin'ny lanitra. BSB BSB: Finally, the waters completely prevailed upon the earth, so that all the high mountains under all the heavens were covered.
20 ULB Nihoatra dimy ambin'ny folo hakiho tamin'ny tampon'ny tendrombohitra ny rano. BSB BSB: The waters rose and covered the mountaintops to a depth of fifteen cubits.
21 ULB Maty avokoa ireo zava-manan'aina rehetra izay nirenireny tety ambony tany: ireo vorona, ireo biby fiompy, ireo bibi-dia, sy ireo zava-manan'aina maro izay niaina tety an-tany, ary ny olombelona rehetra. BSB BSB: And every living thing that moved upon the earth perished—birds, livestock, animals, every creature that swarms upon the earth, and all mankind.
22 ULB Ireo zava-manan'aina rehetra niaina teto ambonin'ny tany, izay miaina ny fofon'aina amin'ny vavorony, dia maty. BSB BSB: Of all that was on dry land, everything that had the breath of life in its nostrils died.
23 ULB Noho izany dia ringana avokoa ireo zava-manan'aina rehetra tety ambony tany, hatramin'ny olombelona ka hatramin'ny biby fiompy, sy ireo biby mikisaka, ary ny voron'ny habakabaka. Ringana tety ambony tany avokoa izy rehetra. Noa sy ireo izay niaraka taminy tao anatin'ilay sambo-fiara no sisa tavela. BSB BSB: And every living thing on the face of the earth was destroyed—man and livestock, crawling creatures and birds of the air; they were blotted out from the earth, and only Noah and those with him in the ark remained.
24 ULB Tsy nihena tambonin'ny tany nandritran'ny dimampolo amby zato andro ilay rano. BSB BSB: And the waters prevailed upon the earth for 150 days.