1 ULB Ary Andriamanitra nahatsiaro an'i Noa, ireo bibi-dia rehetra, ary ny biby fiompy rehetra izay niaraka taminy tao anatin'ilay sambo-fiara. Nampitsoka rivotra eran'ny tany Andriamanitra, ka dia nanomboka nihena ny rano. BSB BSB: But God remembered Noah and all the animals and livestock that were with him in the ark. And God sent a wind over the earth, and the waters began to subside.
2 ULB Nakatona ny loharanon'ny lalina sy ny varavarakelin'ny lanitra, ary nitsahatra ny ranon'orana. BSB BSB: The springs of the deep and the floodgates of the heavens were closed, and the rain from the sky was restrained.
3 ULB Nihena tsikelikely ny ranon'ny safo-drano, ary rehefa afaka dimampolo amby zato andro dia nihena ny rano. BSB BSB: The waters receded steadily from the earth, and after 150 days the waters had gone down.
4 ULB Dia niantsona teo amin'ny tendrombohitr'i Aratata ny sambo-fiara tamin'ny volana faha-fito, tamin'ny andro faha-fito ambin'ny folon'ny volana. BSB BSB: On the seventeenth day of the seventh month, the ark came to rest on the mountains of Ararat.
5 ULB Nihena hatrany ny rano hatramin'ny volana faha-folo. Tamin'ny andro voalohan'ny volana, dia niseho ny tampon'ny tendrombohitr. BSB BSB: And the waters continued to recede until the tenth month, and on the first day of the tenth month the tops of the mountains became visible.
6 ULB Ary rehefa afaka efapolo andro dia novohain'i Noa ny varavarakelin'ny sambo-fiara izay namboariny. BSB BSB: After forty days Noah opened the window he had made in the ark
7 ULB Ary nandefa goaika anankiray tany ivelany izy, ary niverimberina nanidina izany ambara-pahamainan'ny rano tamin'ny tany. BSB BSB: and sent out a raven. It kept flying back and forth until the waters had dried up from the earth.
8 ULB Ary nandefa voromailala izy hizaha raha efa ritra ny rano tambonin'ny tany, BSB BSB: Then Noah sent out a dove to see if the waters had receded from the surface of the ground.
9 ULB fa tsy nahita toerana nametrahany ny tongony ilay voromailala ka niverina tany aminy tao anatin'ilay sambo fiara satria mbola nandrakotra ny tany manontolo ny rano. Ary naninjitra ny tanany izy, ka nandray ilay voromailala ary nampiditra azy tao anaty sambo-fiara niaraka taminy. BSB BSB: But the dove found no place to rest her foot, and she returned to him in the ark, because the waters were still covering the surface of all the earth. So he reached out his hand and brought her back inside the ark.
10 ULB Ary mbola niandry hafitoana indray izy ka nandefa ilay voromailala avy tao anaty sambo-fiara. BSB BSB: Noah waited seven more days and again sent out the dove from the ark.
11 ULB Niverina teo aminy ilay voromailala nony hariva. Indro! nisy ravin'oliva maitso vao notangosana teo ambavan'ilay voromailala. Koa dia fantatr'i Noa fa efa nidina ny rano tambonin'ny tany. BSB BSB: And behold, the dove returned to him in the evening with a freshly plucked olive leaf in her beak. So Noah knew that the waters had receded from the earth.
12 ULB Mbola niandry hafitoana, izy ka namoaka ilay voromailala indray. Tsy niverina teo aminy intsony ilay vorona. BSB BSB: And Noah waited seven more days and sent out the dove again, but this time she did not return to him.
13 ULB Tamin'ny faha-iraika amby eninjato taona, tamin'ny volana voalohany, tamin'ny andro voalohan'ny volana, no ritra ny rano teo ambonin'ny tany. Nesorin'i Noa ny tafon'ilay sambo-fiara, nijery tany ivelany, ary nahita fa, indro, maina ny tany. BSB BSB: In Noah’s six hundred and first year, on the first day of the first month, the waters had dried up from the earth. So Noah removed the covering from the ark and saw that the surface of the ground was dry.
14 ULB Ary tamin'ny andro fahafito amby roampolo, tamin'ny volana faharoa, dia maina ny tany. BSB BSB: By the twenty-seventh day of the second month, the earth was fully dry.
15 ULB Hoy Andriamanitra tamin'i Noa hoe: BSB BSB: Then God said to Noah,
16 ULB "Mivoaha ao anaty sambo-fiara, ianao, ny vadinao, ireo zanakao lahy, ary ireo vinantonao vavy miaraka aminao. BSB BSB: “Come out of the ark, you and your wife, along with your sons and their wives.
17 ULB Ento mivoaka miaraka aminao ireo zava-manan'aina rehetra izay miaraka aminao izay avy tamin'ny nofo rehetra—dia ireo vorona, ireo biby, ary ireo zavatra mikisaka rehetra amin'ny tany—mba hitombo isa fatratra ho zava-manan'aina manerana ny tany ireo, Miteraha maro ary mihamaroa." BSB BSB: Bring out all the living creatures that are with you—birds, livestock, and everything that crawls upon the ground—so that they can spread out over the earth and be fruitful and multiply upon it.”
18 ULB Dia nivoaka Noa sy ny vady aman-janany, mbamin'ny vinantovaviny niaraka taminy. BSB BSB: So Noah came out, along with his sons and his wife and his sons’ wives.
19 ULB Ny zava-manan'aina rehetra, ny zavatra mikisaka rehetra, ary ny vorona rehetra, mbamin'izay rehetra mihetsiketsika eto ambonin'ny tany, araka ny karazany avy, dia nandao ny sambo-fiara. BSB BSB: Every living creature, every creeping thing, and every bird—everything that moves upon the earth—came out of the ark, kind by kind.
20 ULB Nanamboatra alitara ho an'i Yaveh i Noa. Naka sasany tamin'ireo biby madio sy vorona madio izy, ary nanolotra fanatitra dorana teo amin'ny alitara. BSB BSB: Then Noah built an altar to the LORD. And taking from every kind of clean animal and clean bird, he offered burnt offerings on the altar.
21 ULB Ary ren'i Yaveh ny hanitra ankasitrahana ka niteny tao am-pony hoe: "Tsy hanozona ny tany noho ny olombelona intsony Aho, na dia ratsy hatramin'ny fahazazany aza ny fisainan'ny fon'ny olona. Ary tsy handringana ny zava-manan'aina intsony Aho, tahaka izay nataoko. BSB BSB: When the LORD smelled the pleasing aroma, He said in His heart, “Never again will I curse the ground because of man, even though every inclination of his heart is evil from his youth. And never again will I destroy all living creatures as I have done.
22 ULB Raha mbola maharitra koa ny tany, dia tsy hanam-pitsaharana ny taom-pamafazana sy ny taom-pijinjana, ny hatsiaka sy ny hafanana, ny ririnina sy ny fahavaratra, ary ny andro sy ny alina." BSB BSB: As long as the earth endures, seedtime and harvest, cold and heat, summer and winter, day and night shall never cease.”