1 ULB Fa ny lalàna dia alok'ireo zavatra tsara ho avy fotsiny, fa tsy tena endrik'ireo zavatra ireo. Ireo izay manatona an'Andriamanitra dia tsy afaka ny ho lafatra amin'ny alalan'ny sorona mitovy amin'izay entin'ireo mpisorona isan-taona. BSB BSB: For the law is only a shadow of the good things to come, not the realities themselves. It can never, by the same sacrifices offered year after year, make perfect those who draw near to worship.
2 ULB Raha izany tsy efa nitsahatra ny nanolotra ireny sorona ireny ve izy ireo? Amin'izany tranga izany, raha efa nodiovina indray mandeha monja izy ireo, dia tsy mba hahafantatra ny ota intsony ireo mpivavaka. BSB BSB: If it could, would not the offerings have ceased? For the worshipers would have been cleansed once for all, and would no longer have felt the guilt of their sins.
3 ULB Fa amin'ireo sorona ireo dia misy fampatsiahivana ireo ota isan-taona. BSB BSB: Instead, those sacrifices are an annual reminder of sins,
4 ULB Satria ny ràn'ny omby lahy sy osy lahy dia tsy mahavita manala ireo ota. BSB BSB: because it is impossible for the blood of bulls and goats to take away sins.
5 ULB Rehefa tonga teto amin'izao tontolo izao Kristy, dia niteny Izy hoe: "Tsy sorona na koa fanatitra no nirianareo. Fa kosa, vatana izay efa nomaninareo ho Ahy. BSB BSB: Therefore, when Christ came into the world, He said: “Sacrifice and offering You did not desire, but a body You prepared for Me.
6 ULB Ny fanatitra nodorana na sorona ho an'ny ota dia tsy nifalianao. BSB BSB: In burnt offerings and sin offerings You took no delight.
7 ULB Ary hoy Aho hoe: "Jereo, inty Aho, araka izay voasoratra momba Ahy ao amin'ny Soratra Masina, mba hanao ny sitrakareo." BSB BSB: Then I said, ‘Here I am, it is written about Me in the scroll: I have come to do Your will, O God.’”
8 ULB Voalohany niteny izy hoe: "Tsy sorona, na koa fanatitra, na fanatitra nodorana, na sorona ho an'ny ota no nirinareo. Ary Ianao tsy nifaly tao amin'izy ireny." Ireny dia sorona izay atolotra araka ny lalàna. BSB BSB: In the passage above He says, “Sacrifices and offerings, burnt offerings and sin offerings You did not desire, nor did You delight in them” (although they are offered according to the law).
9 ULB Ary niteny izy hoe: "Jereo, inty Aho hanao ny sitrakareo." Izy dia nanala ny fampiharana voalohany mba hametrahana ny fampiharana faharoa. BSB BSB: Then He adds, “Here I am, I have come to do Your will.” He takes away the first to establish the second.
10 ULB Tamin'izany sitraka izany, isika dia nohamasinina tamin'ny alalan'ny fanatitry ny vatan'i Jesosy Kristy indray mandeha monja. BSB BSB: And by that will, we have been sanctified through the sacrifice of the body of Jesus Christ once for all.
12 ULB Amin'ny lafiny iray hafa, Kristy dia nanolotra sorona iray ho an'ny ota mandrakizay, nipetraka teo an-tanan'ankavanan'Andriamanitra Izy. BSB BSB: But when this Priest had offered for all time one sacrifice for sins, He sat down at the right hand of God.
13 ULB Izy dia miandry mandra-panaovana ireo fahavalony ho fitoeran-tongotra ho an'ny tongony. BSB BSB: Since that time, He waits for His enemies to be made a footstool for His feet,
14 ULB Fa tamin'ny fanatitra iray izy dia nahalavorary mandrakizay ireo izay nohamasinina. BSB BSB: because by a single offering He has made perfect for all time those who are being sanctified.
15 ULB Ny Fanahy Masina koa dia mijoro vavolombelona ho antsika. Fa tamin'ny voalohany Izy niteny hoe: BSB BSB: The Holy Spirit also testifies to us about this. First He says:
16 ULB "Ity no fanekena izay ho ataoko miaraka amin'izy ireo aorian'ireo andro ireo, hoy ny Tompo. Hapetrako ao am-pon'izy ireo ny lalàko, ary hanoratra izany ao an-tsain'izy ireo Aho. BSB BSB: “This is the covenant I will make with them after those days, declares the Lord. I will put My laws in their hearts and inscribe them on their minds.”
17 ULB Tsy hahatsiaro ny ota sy ireo helok'izy ireo intsony Aho." BSB BSB: Then He adds: “Their sins and lawless acts I will remember no more.”
18 ULB Ary na aiza misy famelana izany, dia tsy misy sorona ho an'ny ota intsony. BSB BSB: And where these have been forgiven, an offering for sin is no longer needed.
20 ULB Izany no lalana vaovao sady velona izay nosokafany ho antsika tamin'ny alalan'ny lamba, izany hoe, tamin'ny alalan' ny nofony. BSB BSB: by the new and living way opened for us through the curtain of His body,
21 ULB Satria isika dia manana mpisorona lehibe mitandrina ny tranon'Andriamanitra, BSB BSB: and since we have a great priest over the house of God,
22 ULB aoka isika hanatona amin'ny fo madio amin'ny finoana feno fahatokiana, mba hananantsika fo voadio amin'ny fieritreretana ratsy ary hananantsika vatana voadio tamin'ny rano madio. BSB BSB: let us draw near with a sincere heart in full assurance of faith, having our hearts sprinkled to cleanse us from a guilty conscience and our bodies washed with pure water.
25 ULB Aoka isika tsy hanajanona ny fiarahana miangona, tahaka ny nataon'ny sasany. Fa kosa, mifankahereza hatrany hatrany, ary maika fa hitanareo fa manakaiky ny andro. BSB BSB: Let us not neglect meeting together, as some have made a habit, but let us encourage one another, and all the more as you see the Day approaching.
26 ULB Fa raha toa isika minia manota rehefa avy nandray ny fahalalana ny marina, dia tsy misy fanatitra ho an'ny ota intsony. BSB BSB: If we deliberately go on sinning after we have received the knowledge of the truth, no further sacrifice for sins remains,
27 ULB Fa kosa, tokana ihany ny fiandrasana mahatahotry ny fitsarana, ary fahatezerana mirehitra izay hamotika ireo fahavalon'Andriamanitra. BSB BSB: but only a fearful expectation of judgment and of raging fire that will consume all adversaries.
28 ULB Na iza na iza nandà ny lalàn'i Mosesy dia ho faty tsy misy indrafo amin'ny fijorona vavolombelon'ireo roa na telo izay nanatri-maso. BSB BSB: Anyone who rejected the law of Moses died without mercy on the testimony of two or three witnesses.
29 ULB Fanasaziana ratsy lavitra toy ny ahoana no eritreretinareo fa mendrika ireo izay nanitsaka ny Zanak'Andriamanitra, izay nanao ny ràn'ny fifanekena ho tsy masina—Ilay rà izay nanamasinana Azy—ary naniratsira ny Fanahin'ny fahasoavana? BSB BSB: How much more severely do you think one deserves to be punished who has trampled on the Son of God, profaned the blood of the covenant that sanctified him, and insulted the Spirit of grace?
30 ULB Fa isika mahafantatra ilay iray izay niteny hoe: "Ahy ny valifaty; Izaho no hamaly." Ary koa: "Ny Tompo dia hitsara ny olony." BSB BSB: For we know Him who said, “Vengeance is Mine; I will repay,” and again, “The Lord will judge His people.”
31 ULB Zavatra mampitahotra no hilatsaka eo an-tananan'ny Andriamanitra velona! BSB BSB: It is a fearful thing to fall into the hands of the living God.
32 ULB Fa tadidio ireo andro taloha, rehefa nohazavaina ianareo, ny fomba niharetanareo ny ady mafy tamin'ny fijaliana. BSB BSB: Remember the early days that you were in the light. In those days, you endured a great conflict in the face of suffering.
33 ULB Ianareo dia nalaina baraka ampahibemaso tamin'ny fanaratsiana sy tamin'ny fanenjehana, ary ianareo dia niaraka nizara tamin'ireo izay nandalo fijaliana toy izany. BSB BSB: Sometimes you were publicly exposed to ridicule and persecution; at other times you were partners with those who were so treated.
34 ULB Satria ianareo dia nanana fangoraham-po tamin'ireo izay voafonja, ary ianareo dia nanaiky tamin-pifaliana ny fangalàna ny fanananareo. Dia nahafantatra ianareo fa ny tenanareo dia manana fananana tsara kokoa sy maharitra mandrakizay. BSB BSB: You sympathized with those in prison and joyfully accepted the confiscation of your property, knowing that you yourselves had a better and permanent possession.
35 ULB Noho izany dia aza ariana ny fahatokianareo, izay manana valisoa lehibe. BSB BSB: So do not throw away your confidence; it holds a great reward.
36 ULB Fa ianareo dia mila faharetana, mba hahazaoanareo izay nampanantenain'Andriamanitra, rehefa nanao ny sitrapony ianareo. BSB BSB: You need to persevere, so that after you have done the will of God, you will receive what He has promised.
37 ULB Fa tsy ho ela akory, ilay iray izay ho avy dia ho avy tokoa ary tsy ho tara. BSB BSB: For, “In just a little while, He who is coming will come and will not delay.
38 ULB Ny oloko marina dia hivelona amin'ny finoana. Raha mihemotra izy, Izaho dia tsy ho faly aminy." BSB BSB: But My righteous one will live by faith; and if he shrinks back, I will take no pleasure in him.”
39 ULB Fa isika dia tsy anisan'ireo izay mihemotra ho amin'ny faharavana. Fa kosa, isika dia anisan'ireo izay manana finoana ho amin'ny fihazonana ny fanahintsika. BSB BSB: But we are not of those who shrink back and are destroyed, but of those who have faith and preserve their souls.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.