2 ULB Fa noho izany ireo razambe dia nankatoavina nohon'ny finoan'izy ireo. BSB BSB: This is why the ancients were commended.
3 ULB Amin'ny finoana no hahafantarantsika fa ny didin'Andriamanitra no namoronana izao tontolo izao, ka izay hita maso dia tsy natao tamin'ny zavatra izay hita maso. BSB BSB: By faith we understand that the universe was formed at God’s command, so that what is seen was not made out of what was visible.
4 ULB Tamin'ny finoana no nanoloran'i Abela fanatitra tsara kokoa ho an'Andriamanitra noho ny an'i Kaina, tamin'ny alalan'izany no nanambarany azy ho marina, ary Andriamanitra niteny tsara azy noho ireo fanatiny, ary amin'ny finoana no mbola hitenenan'i Abela, na dia efa maty aza izy. BSB BSB: By faith Abel offered God a better sacrifice than Cain did. By faith he was commended as righteous when God gave approval to his gifts. And by faith he still speaks, even though he is dead.
7 ULB Tamin'ny finoana Noa, no nomena ny hafatra avy amin'Andriamanitra momba ireo zavatra izay tsy mbola hita, niaraka tamin'ny fanajana an' Andriamanitra no nanamboarany ny sambo izay namonjeny ny ankohonany. Fa tamin'ny fanaovana izany, no nanamelohany izao tontolo izao sy nahatongavany ho mpandova ny fahamarinana araky ny finoana. BSB BSB: By faith Noah, when warned about things not yet seen, in godly fear built an ark to save his family. By faith he condemned the world and became heir of the righteousness that comes by faith.
8 ULB Tamin'ny finoana Abrahama, rehefa nantsoina, no nankatoa sy nandeha nankany amin'ilay toerana izay hahazoany ho lova. Nandeha izy, tsy nahalala izay tany nombany. BSB BSB: By faith Abraham, when called to go to a place he would later receive as his inheritance, obeyed and went, without knowing where he was going.
9 ULB Tamin'ny finoana no niainany tany amin'ilay tany nampanantenaina toy ny vahiny. Niaina tao anaty trano lay izy niaraka tamin'Isaka sy Jakoba, ireo mpiara-mandova amin'ilay fampanantenana mitovy. BSB BSB: By faith he dwelt in the promised land as a stranger in a foreign country. He lived in tents, as did Isaac and Jacob, who were heirs with him of the same promise.
10 ULB Fa izy nitady ilay tanàna izay manana ireo fanorenana, ilay tanàna izay Andriamanitra no mpamari-trano sy mpanori-trano. BSB BSB: For he was looking forward to the city with foundations, whose architect and builder is God.
11 ULB Tamin'ny finoana, na dia Saraha izy tenany izay momba aza, no nahazoan'i Abrahama ny fahafahana ho ray. Nitranga izany na dia efa tena antitra aza izy, satria noheverina ho toy ilay mahatoky nomena ilay fampanantenana izy. BSB BSB: By faith Sarah, even though she was barren and beyond the proper age, was enabled to conceive a child, because she considered Him faithful who had promised.
12 ULB Noho izany, avy amin'izany lehilahy izany, izay efa ho faty, no nahaterahan'ireo izay toy ireo kintana eny an-danitra ny hamaroany sy toy ny fasika manamorona ny ranomasina, izay tsy voaisa. BSB BSB: And so from one man, and he as good as dead, came descendants as numerous as the stars in the sky and as countless as the sand on the seashore.
13 ULB Tao amin'ny finoana ireny rehetra ireny no maty tsy nandray ireo fampanantenana. Fa kosa, taorian'ny nahitana sy niarahabana azy ireo avy eny alavitra, dia nanaiky izy ireo fa vahiny sy sesi-tany ety an-tany. BSB BSB: All these people died in faith, without having received the things they were promised. However, they saw them and welcomed them from afar. And they acknowledged that they were strangers and exiles on the earth.
14 ULB Ho an'ireo izay miteny toy izany zavatra izany dia manazava fa mitady tanindrazana izy ireo. BSB BSB: Now those who say such things show that they are seeking a country of their own.
15 ULB Raha nieritreritra ny firenena izay nialany izy ireo, dia mety nanana fahafahana hiverina. BSB BSB: If they had been thinking of the country they had left, they would have had opportunity to return.
16 ULB Fa tahaka izany, naniry firenena tsaratsara kokoa izy ireo, ka izany, ilay any an-danitra. Noho izany tsy mahamenatra an'Andriamanitra ny voaantso hoe Andriamanitr'izy ireo, ka nanomana tanàna ho azy ireo Izy. BSB BSB: Instead, they were longing for a better country, a heavenly one. Therefore God is not ashamed to be called their God, for He has prepared a city for them.
18 ULB Tamin'i Abrahama no nilazana hoe: "Amin'ny alalan'Isaka no hanondroana ireo taranakao." BSB BSB: even though God had said to him, “Through Isaac your offspring will be reckoned.”
19 ULB Abrahama dia nihevitra fa Andriamanitra dia hahavita hanangana an'Isaka amin'ireo maty, ary amin'ny heviny amin'ny ohatra, avy tamin'izy ireo no hahazoany azy indray. BSB BSB: Abraham reasoned that God could raise the dead, and in a sense, he did receive Isaac back from death.
20 ULB Tamin'ny finoana momban'ireo zavatra ho avy koa no nitsofan'Isaka rano an'i Jakoba sy Esao. BSB BSB: By faith Isaac blessed Jacob and Esau concerning the future.
21 ULB Tamin'ny finoana Jakoba, tamin'izy efa ho faty, no nitso-drano ireo zanak'i Josefa tsirairay avy. Nivavaka Jakoba, nitehana tamin'ny lohan'ny tehiny. BSB BSB: By faith Jacob, when he was dying, blessed each of Joseph’s sons and worshiped as he leaned on the top of his staff.
22 ULB Tamin'ny finoana Josefa, rehefa nanakaiky ny fiafarany, no niresaka ny fiaingan'ny zanak'Israely avy any Egypta ary nanafarany ny amin'ny taolany. BSB BSB: By faith Joseph, when his end was near, spoke about the exodus of the Israelites and gave instructions about his bones.
23 ULB Tamin'ny finoana Mosesy, rehefa teraka izy, dia nafenin'ireo ray aman-dreniny nandritry ny telo volana satria hitan'izy ireo fa zaza tsara izy. Tsy natahotra ny didin'ny mpanjaka izy ireo. BSB BSB: By faith Moses’ parents hid him for three months after his birth, because they saw that he was a beautiful child, and they were unafraid of the king’s edict.
24 ULB Tamin'ny finoana Mosesy, taorian'ny nahalehibe azy, no nandà ny hiantsoana azy ho zanaka lahin'ny zanaka vavin'i Farao. BSB BSB: By faith Moses, when he was grown, refused to be called the son of Pharaoh’s daughter.
25 ULB Fa kosa, nisafidy ny hijaly niaraka tamin'ny vahoakan'Andriamanitra izy, toy izay hankafy ireo fahafinaretan'ny fahotana mandritry ny fotoana fohy. BSB BSB: He chose to suffer oppression with God’s people rather than to experience the fleeting enjoyment of sin.
26 ULB Nilaza izy hoe ny fahafaham-baraka amin'ny fanarahana an'i Kristy dia harena ngeza noho ireo haren'i Egypta. Satria nampifantoka ireo masony tamin'ny valisoany izy. BSB BSB: He valued disgrace for Christ above the treasures of Egypt, for he was looking ahead to his reward.
27 ULB Tamin'ny finoana no nialan'i Mosesy tany Egypta. Tsy natahotra ny fahatezeran'ny mpanjaka izy, fa niaritra izany toy ny nahitany ilay tsy hita maso. BSB BSB: By faith Moses left Egypt, not fearing the king’s anger; he persevered because he saw Him who is invisible.
28 ULB Tamin'ny finoana no nitandremany ny Paska sy ny famafazana ny rà, mba tsy hikasika ny zanaka lahimatoan'ireo Israelita ny mpandringana ny zanaka lahimatoa. BSB BSB: By faith he kept the Passover and the sprinkling of blood, so that the destroyer of the firstborn would not touch Israel’s own firstborn.
29 ULB Tamin'ny finoana no niampitan'izy ireo ny Ranomasina Mena toy ny mandia tany maina. Rehefa nanandrana nanao izany ireo Egyptiana, dia voatelina izy ireo. BSB BSB: By faith the people passed through the Red Sea as on dry land; but when the Egyptians tried to follow, they were drowned.
30 ULB Tamin'ny finoana no nirodanan'ny mandan'i Jeriko, rehefa avy nihodidina nandritry ny fito andro izy ireo. BSB BSB: By faith the walls of Jericho fell, after the people had marched around them for seven days.
31 ULB Tamin'ny finoana no tsy nahafaty an'i Rahaba ilay mpivarotena niaraka tamin'ireo mpaniasia, satria nandray ireo mpisafo tany tamin'ny fiadanana izy. BSB BSB: By faith the prostitute Rahab, because she welcomed the spies in peace, did not perish with those who were disobedient.
32 ULB Inona ihany koa no afaka lazaiko? Fa ho lany ny fotoako raha miresaka momban'i Gideona, Baraka, Samsona, Jefta, Davida, Samoela, ary momban'ireo mpaminany aho. BSB BSB: And what more shall I say? Time will not allow me to tell of Gideon, Barak, Samson, Jephthah, David, Samuel, and the prophets, 33 ULB Tamin'ny alalan'ny finoana no nahazoan'izy ireo ny fanjakana, niasa ara-drariny, ary nandray ireo fampanantenana. Nanakombona ny vavan'ireo liona izy ireo, BSB BSB: who through faith conquered kingdoms, administered justice, and gained what was promised; who shut the mouths of lions,
34 ULB namono ny herin'ny afo, nandositra ny lelan'ny sabatra, sitrana tamin'ireo aretina, lasa nahery an' ady, ary nandresy ireo tafika vahiny. BSB BSB: quenched the raging fire, and escaped the edge of the sword; who gained strength from weakness, became mighty in battle, and put foreign armies to flight.
36 ULB Ny hafa dia notsapaina tamin'ny fanesoana sy ireo fikapohana, eny fa na dia ny fatotra sy ny fanagadrana aza. BSB BSB: Still others endured mocking and flogging, and even chains and imprisonment.
37 ULB Notoraham-bato izy ireo. Notsofaina hizara roa izy ireo. Novonoina tamin'ny sabatra izy ireo. Nirenireny tamin'ny hoditr'ondry sy hoditr'osy izy ireo. Nahantra izy ireo, nampihorohoroana, nampahoriana. BSB BSB: They were stoned, they were sawed in two, they were put to death by the sword. They went around in sheepskins and goatskins, destitute, oppressed, and mistreated.
38 ULB Izao tontolo izao dia tsy mendrika azy ireo. Nirenireny tany an'efitra, tany amin'ireo tendrombohitra, tany amin'ireo lava-bato, ary tany amin'ireo lavaka ambanin'ny tany izy ireo. BSB BSB: The world was not worthy of them. They wandered in deserts and mountains, and hid in caves and holes in the ground.
39 ULB Kanefa ireny olona rehetra ireny dia neken'Andriamanitra nohon'ny finoan'izy ireo, tsy nandray ny fampanantenana izy ireo. BSB BSB: These were all commended for their faith, yet they did not receive what was promised.
40 ULB Nanomana zavatra tsara kokoa ho antsika Andriamanitra, mba tsy ho lavorary izy ireo, raha tsy misy antsika. BSB BSB: God had planned something better for us, so that together with us they would be made perfect.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.