2 ULB Andeha isika hitandrina amin'i Jesosy, ny mpampiatomboka sy mpanantanteraka ny finoana. Fa nohon'ny hafaliana izay napetraka teo anoloany, dia niaritra ny hazofijaliana Izy, tsy niraharaha ny henatr'izany, ary nipetraka teo an-tanan'an-kavanan'ny seza fiandrianan' Andriamanitra. BSB BSB: Let us fix our eyes on Jesus, the author and perfecter of our faith, who for the joy set before Him endured the cross, scorning its shame, and sat down at the right hand of the throne of God.
3 ULB Noho izany eritrereto ny momba Azy, ilay iray izay niaritra fanoherana toy izany avy tamin'ireo mpanota hanohitra ny tenany, mba tsy ho reraka ao am-ponareo ianareo ka hilavo lefona. BSB BSB: Consider Him who endured such hostility from sinners, so that you will not grow weary and lose heart.
4 ULB Tsy mbola nanohitra ianareo na nikezaka hanohitra ny fahotana hatramin'ny fahalatsahan-drà, BSB BSB: In your struggle against sin, you have not yet resisted to the point of shedding your blood.
5 ULB ary adinonareo ny fampaherezana izay nampianarina anareo toy ny amin'ireo zanaka hoe: "Ry zanako lahy, aza manamaivana ny fitsipiky ny Tompo, na mihareraka raha ahitsiny ianareo." BSB BSB: And you have forgotten the exhortation that addresses you as sons: “My son, do not take lightly the discipline of the Lord, and do not lose heart when He rebukes you.
6 ULB Fa ny Tompo manafay ny rehetra izay tiany, ary Izy manasazy ny zanaka tsirairay izay raisiny. BSB BSB: For the Lord disciplines the one He loves, and He chastises every son He receives.”
7 ULB Miareta fijaliana toy ny fitsipika. Andriamanitra dia mitondra anareo toy ny zanaka. Fa zanaka inona no teo ka tsy nofaizin'ny rainy? BSB BSB: Endure suffering as discipline; God is treating you as sons. For what son is not disciplined by his father?
8 ULB Fa raha tsy manana fitsipika ianareo, izay ananan'ny olona rehetra, dia zazasary ianareo fa tsy zanany. BSB BSB: If you do not experience discipline like everyone else, then you are illegitimate children and not true sons.
9 ULB Ary koa, nanana ny ray ara-nofo toy ny mpanafay isika, ary nanaja azy ireo isika. Tsy tokony hankatoa kokoa ny Rain'ny fanahy ve isika ary ho velona? BSB BSB: Furthermore, we have all had earthly fathers who disciplined us, and we respected them. Should we not much more submit to the Father of our spirits and live?
10 ULB Fa etsy andaniny, ireo raintsika nanafay antsika nandritry ny andro vitsy araka izay marina tamin'izy ireo. BSB BSB: Our fathers disciplined us for a short time as they thought best, but God disciplines us for our good, so that we may share in His holiness.
11 ULB Nefa etsy ankilany, Andriamanitra nanao izany ho an'izay tsara ho antsika mba hafahantsika manana anjara amin'ny fahamasinany. Tsy misy famaizana mitranga ho mahafinaritra, fa manaintaina aza. Kanefa izany aoriana kely dia mamokatra ny vokatra feno fiadanan'ny fahamarinana ho an'ireo izay nozarina tamin'izany. BSB BSB: No discipline seems enjoyable at the time, but painful. Later on, however, it yields a harvest of righteousness and peace to those who have been trained by it.
12 ULB Noho izany hatanjaho ireo tananareo izay miraviravy sy ireo lohalikareo malemy. BSB BSB: Therefore strengthen your limp hands and weak knees.
13 ULB Manaova lalana mahitsy ho an'ny tongotrareo, mba izay malemy dia tsy hipitsoka fa ho sitrana aza. BSB BSB: Make straight paths for your feet, so that the lame may not be disabled, but rather healed.
14 ULB Manenjeha fiadanana miaraka amin'ny olona rehetra, ary ny fahamasinana ihany koa izay tsy hahitan'iza na iza ny Tompo raha tsy miaraka amin'izany. BSB BSB: Pursue peace with everyone, as well as holiness, without which no one will see the Lord.
15 ULB Mitandrema mba tsy hisy na iza na iza tsy hanana ny fahasoavan'Andriamanitra, ary tsy hisy fakan'ny fahangidiana mitombo hiteraka korontana, mba tsy ho maro no lasa voaloto amin'izany. BSB BSB: See to it that no one falls short of the grace of God, and that no root of bitterness springs up to cause trouble and defile many.
16 ULB Mitandrema mba tsy hisy fijangajangana na olona tsy an'Andriamanitra toa an'i Esao, izay nivarotra ny fizokiany ho an'ny sakafo iray. BSB BSB: See to it that no one is sexually immoral, or is godless like Esau, who for a single meal sold his birthright.
17 ULB Fa ianareo mahafantatra fa rehefa afaka izany, rehefa naniry ny handova ny fitahiana izy, dia nolavina, satria tsy nahita irika amin'ny fibebahana izy, na dia nikatsaka izany tamin-dranomaso aza. BSB BSB: For you know that afterward, when he wanted to inherit the blessing, he was rejected. He could find no ground for repentance, though he sought the blessing with tears.
18 ULB Fa ianareo tsy tonga teo amin'ny tendrombohitra izay tsy azo kasihina, tendrombohitry ny afo mandoro, haizina, fahamaizinana, ary tafiotra. BSB BSB: For you have not come to a mountain that can be touched and that is burning with fire; to darkness, gloom, and storm;
19 ULB Ianareo dia tsy tonga teo amin'ny trompetra maneno mafy, na teo amin'ny feo izay miteny ireo teny izay ny mpihaino izany dia nangataka mba tsy hisy teny hafa ho lazaina amin'izy ireo. BSB BSB: to a trumpet blast or to a voice that made its hearers beg that no further word be spoken.
20 ULB Fa izy ireo tsy afaka niaritra izay nodidiana hoe: "Fa na dia ny biby mikasika ny tendrombohitra aza, dia tsy maintsy ho toraham-bato izany." BSB BSB: For they could not bear what was commanded: “If even an animal touches the mountain, it must be stoned.”
21 ULB Fa mampitahotra loatra ilay fahitana izay nolazain'i Mosesy hoe: "Mihorohoro aho ary mangovitra" BSB BSB: The sight was so terrifying that even Moses said, “I am trembling with fear.”
22 ULB Fa ianareo kosa, dia tonga teo amin'ny tendrombohitra Ziona ary teo amin'ny tanànan'Andriamanitra velona, ny Jerosalema any an-danitra, ary teo amin'ireo anjely an'alin'alina tamin'ny fankalazana. BSB BSB: Instead, you have come to Mount Zion, to the city of the living God, the heavenly Jerusalem. You have come to myriads of angels
23 ULB Ianareo dia tonga teo amin'ny antokon'olon'ny voalohan-teraka, izay voasoratra anarana any an-danitra. Ianareo dia tonga teo amin'Andriamanitra, ilay Mpitsara ny rehetra, ary teo amin'ireo fanahin'ireo olon'ny fahamarinana izay natao tonga lafatra. BSB BSB: in joyful assembly, to the congregation of the firstborn, enrolled in heaven. You have come to God the Judge of all, to the spirits of the righteous made perfect,
24 ULB Ianareo dia tonga teo amin'i Jesosy, ilay mpanalalana ny fanekena vaovao, ary teo amin'ny rà latsaka izay tsara kokoa noho ny ràn'i Abela. BSB BSB: to Jesus the mediator of a new covenant, and to the sprinkled blood that speaks a better word than the blood of Abel.
25 ULB Aoka ianareo tsy handà ilay iray izay miteny. Fa raha tsy nandositra izy ireo tamin'izy ireo nandà ny iray izay nampitandrina azy ireo teto an-tany, dia kely kokoa no handosirantsika raha mihodina amin'ilay iray izay mampitandrina antsika avy any an-danitra isika. BSB BSB: See to it that you do not refuse Him who speaks. For if the people did not escape when they refused Him who warned them on earth, how much less will we escape if we reject Him who warns us from heaven?
26 ULB Tamin'ny fotoana iray, ny feony nanozongozona ny tany. Fa ankehitriny Izy nampanantena sy niteny hoe: "Mbola hanozongozona indray mandeha tsy ny tany ihany aho, fa ny lanitra ihany koa." BSB BSB: At that time His voice shook the earth, but now He has promised, “Once more I will shake not only the earth, but heaven as well.”
27 ULB Ireo teny ireo, "Indray mandeha koa", dia midika ny famindrana ireo zavatra izay afaka hozongozonina, izany dia, ireo zavatra izay nohariana, mba hitoetra ireo zavatra izay tsy azo hozongozonina. BSB BSB: The words “Once more” signify the removal of what can be shaken—that is, created things—so that the unshakable may remain.
28 ULB Noho izany, satria mandray fanjakana izay tsy azo hozongozonina, dia aoka ho mpankasitraka isika ary amin'izany fomba izany dia hidera an'Andriamanitra am-panajana fatratra sy amin-tahotra. BSB BSB: Therefore, since we are receiving an unshakable kingdom, let us be filled with gratitude, and so worship God acceptably with reverence and awe.
29 ULB Fa ny Andriamanintsika dia afo mandevona. BSB BSB: “For our God is a consuming fire.”
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.