1 ULB Ary na dia ny fanekena voalohany aza dia nanana fitsipi-pivavahana sy fitoerana masina eto an-tany. BSB BSB: Now the first covenant had regulations for worship and also an earthly sanctuary.
2 ULB Fa nisy tabernakely izay nomanina. Ny efitra voalohany, izay nisy ny fitoeran-jiro, ny latabatra, ary ny mofon'ny fanatrehana, dia nantsoina hoe fitoerana masina. BSB BSB: A tabernacle was prepared. In its first room were the lampstand, the table, and the consecrated bread. This was called the Holy Place.
3 ULB Ao ambadiky ny lamba faharoa dia nisy efitra iray hafa, antsoina hoe toerana masina indrindra. BSB BSB: Behind the second curtain was a room called the Most Holy Place,
4 ULB Nisy alitara volamena ho an'ny ditin-kazo manitra izany. Nisy ny fiaran'ny fanekena ihany koa, izay rakotra volamena tanteraka. Tao anatin'izany dia nisy siny volamena izay nisy ny mana, ny tehin'i Arona izay naniry, ary ireo vato fisaky ny fanekena. BSB BSB: containing the golden altar of incense and the gold-covered ark of the covenant. Inside the ark were the gold jar of manna, Aaron’s staff that had budded, and the stone tablets of the covenant.
5 ULB Eny ambonin'ny fiaran'ny fanekena, dia kerobima be voninahitra maro no manaloka ny sarona fanaronana, izay tsy afaka resahanay amin'ny antsipirihiny ankehitriny. BSB BSB: Above the ark were the cherubim of glory, overshadowing the mercy seat. But we cannot discuss these things in detail now.
6 ULB Rehefa voahomana ireo zavatra ireo, dia niditra tao amin'ny efitra ivelan'ny tabernakely foana ireo mpisorona mba hanao ny fanompoan'izy ireo. BSB BSB: When everything had been prepared in this way, the priests entered regularly into the first room to perform their sacred duties.
7 ULB Fa ny mpisoronabe ihany no niditra indray mandeha isan-taona tao amin'ny efitra faharoa, ary niaraka tamin'ny rà izay natolony ho an'ny tenany sy ho an'ireo fahotana tsy ninian'ireo olona. BSB BSB: But only the high priest entered the second room, and then only once a year, and never without blood, which he offered for himself and for the sins the people had committed in ignorance.
8 ULB Nasehon'ny Fanahy Masina fa ny lalana mankao amin'ny toerana masina indrindra dia mbola tsy naseho raha mbola mitsangana ny tabernakely voalohany. BSB BSB: By this arrangement the Holy Spirit was showing that the way into the Most Holy Place had not yet been disclosed as long as the first tabernacle was still standing.
9 ULB Izany dia fanoharana ho an'izao fotoana ankehitriny izao. Ireo fanomezana sy ireo sorona izay atolotra ankehitriny dia samy tsy afaka hahatanteraka ny fieritreretan'ny mpivavaka iray. BSB BSB: It is an illustration for the present time, because the gifts and sacrifices being offered were unable to cleanse the conscience of the worshiper.
10 ULB Mifantoka amin'ny sakafo sy zava-pisotro sy karazam-pomba fidiovana maro fotsiny ireo. Ireo rehetra ireo dia fitsipika ho an'ny nofo avokoa izay nomena mandra-panamboarana ny fandaminana vaovao. BSB BSB: They consist only in food and drink and special washings—external regulations imposed until the time of reform.
11 ULB Kristy dia niavy tahaka ny mpisoronaben'ireo zavatra tsara izay tonga. Nandeha tamin'ny alalan'ny tabernakely lehibe kokoa sy lafatra kokoa izay tsy nataon'ny tanan'olombelona Izy, izay tsy an'izao tontolo voahary izao. BSB BSB: But when Christ came as high priest of the good things that have come, He went through the greater and more perfect tabernacle that is not made by hands and is not a part of this creation.
12 ULB Tsy tamin'ny ràn'ireo osy lahy sy vantotr'omby vavy izany, fa tamin'ny ràny manokana izay niditra tao amin'ny toerana masina indrindra indray mandeha monja ho an'ny rehetra ary niaro ny famonjentsika mandrakizay. BSB BSB: He did not enter by the blood of goats and calves, but He entered the Most Holy Place once for all by His own blood, thus securing eternal redemption.
13 ULB Fa raha ny ràn'ireo osy sy ireo omby lahy ary ny famafazana ny lavenon'ny vantotr'omby vavy eo amin'ireo izay lasa maloto no manokana azy ireo eo amin'Andriamanitra ho fanadiovana ny nofon'izy ireo, BSB BSB: For if the blood of goats and bulls and the ashes of a heifer sprinkled on those who are ceremonially unclean sanctify them so that their bodies are clean,
14 ULB toy ny ahoana ny fihoaran'ny ràn'i Kristy, izay nanolotra ny Tenany tsy misy kilema ho an'Andriamanitra tamin'ny alalan'ny Fanahy mandrakizay, hanadio ny fieritreretantsika hiala amin'ny asa maty mba hanompoana ilay Andriamanitra velona? BSB BSB: how much more will the blood of Christ, who through the eternal Spirit offered Himself unblemished to God, purify our consciences from works of death, so that we may serve the living God!
15 ULB Noho izany antony izany, dia Izy no mpanalalana ny fanekena vaovao. Izany dia, satria nisy fahafatesana iray niseho mba hanafaka ireo izay ambanin'ny fanekena voalohany amin'ny fahotan'izy ireo, dia handray ny fampanantenan'ny lova mandrakizay ireo izay voaantso. BSB BSB: Therefore Christ is the mediator of a new covenant, so that those who are called may receive the promised eternal inheritance, now that He has died to redeem them from the transgressions committed under the first covenant.
16 ULB Fa raha misy didim-pananana, ny fahafatesan' ilay olona izay nanao izany dia tsy maintsy voaporofo. BSB BSB: In the case of a will, it is necessary to establish the death of the one who made it,
17 ULB Fa rehefa misy fahafatesana ihany vao manan-kery ny didim-pananana, satria tsy manan-kery izany raha toa ka mbola velona ilay olona izay nanao izany. BSB BSB: because a will does not take effect until the one who made it has died; it cannot be executed while he is still alive.
18 ULB Koa na dia ny fanekena voalohany aza tsy natao raha tsy nisy rà. BSB BSB: That is why even the first covenant was not put into effect without blood.
19 ULB Fa rehefa nanome ny didy rehetra tao amin'ny lalàna tamin'ireo olona rehetra Mosesy, dia naka ny ràn'ireo omby sy ireo osy, niaraka tamin'ny rano, volon'ondry jaky mena, sy hysopa izy, ary namafy teo amin'ny boky sy ny olona rehetra. BSB BSB: For when Moses had proclaimed every commandment of the law to all the people, he took the blood of calves and goats, along with water, scarlet wool, and hyssop, and sprinkled the scroll and all the people,
20 ULB Ary izy niteny hoe: "Inty no ràn'ny fanekena izay nandidian'Andriamanitra ho anareo." BSB BSB: saying, “This is the blood of the covenant, which God has commanded you to keep.”
21 ULB Toy izany koa, dia namafy ny rà teo amin'ny tabernakely sy ireo fitoeran-javatra rehetra hampiasaina amin'ny fanompoana izy. BSB BSB: In the same way, he sprinkled with blood the tabernacle and all the vessels used in worship.
22 ULB Araka ny lalàna, dia saika ny zavatra rehetra no voadio tamin'ny rà. Raha tsy misy fandatsahan-drà dia tsy misy famelan-keloka. BSB BSB: According to the law, in fact, nearly everything must be purified with blood, and without the shedding of blood there is no forgiveness.
23 ULB Noho izany dia nilaina ny tandindon'ireo zavatra any an-danitra mba ho voadion'ny soron'ireo biby ireo. Na izany aza, ireo zavatry ny lanitra mihintsy no nila nodiovina tamin'ny sorona tsara kokoa. BSB BSB: So it was necessary for the copies of the heavenly things to be purified with these sacrifices, but the heavenly things themselves with better sacrifices than these.
25 ULB Tsy nandeha tao mba hanolotra ny tenany imbetsaka Izy, tahaka ny fanaon'ny mpisoronabe, izay miditra ao amin'ny toerana masina indrindra isan-taona niaraka tamin'ny ràn'ny hafa. BSB BSB: Nor did He enter heaven to offer Himself again and again, as the high priest enters the Most Holy Place every year with blood that is not his own.
26 ULB Fa raha izany ny zava-nitranga, dia nila nijaly imbetsaka nanomboka tamin'ny fanorenana izao tontolo izao Izy. Fa ankehitriny dia indray mandeha monja no nampisehoana Azy mba hanaisotra ny fahotana amin'ny alalan'ny soron'ny tenany ihany. BSB BSB: Otherwise, Christ would have had to suffer repeatedly since the foundation of the world. But now He has appeared once for all at the end of the ages to do away with sin by the sacrifice of Himself.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.