1 ULB Noho izany, ry rahalahy masina, nizara ny antson'ny lanitra ianareo. Saino ny momban'i Jesosy, ny apostoly sy mpisoronabe izay ekentsika. BSB BSB: Therefore, holy brothers, who share in the heavenly calling, set your focus on Jesus, the apostle and high priest whom we confess.
2 ULB Izy dia nahatoky an'Andriamanitra, izay nanendry azy, tahaka an'i Mosesy izay nahatoky tao an-tranon'Andriamanitra ihany koa. BSB BSB: He was faithful to the One who appointed Him, just as Moses was faithful in all God’s house.
3 ULB Fa Jesosy dia efa noraisina mendrika ny voninahitra lehibe noho Mosesy, satria izay manorina ny trano no manan-kaja bebe kokoa noho ilay trano. BSB BSB: For Jesus has been counted worthy of greater glory than Moses, just as the builder of a house has greater honor than the house itself.
4 ULB Fa ny trano rehetra dia nisy olona nanorina, fa ny iray izay nanorina ny zavatra rehetra dia Andriamanitra. BSB BSB: And every house is built by someone, but God is the builder of everything.
5 ULB Amin'ny lafiny iray, Mosesy dia natokisana toy mpanompo tao an-tranon'Andriamanitra iray manontolo. Izy no vavolombelona momba ireo zavatra izay tokony efa nolazaina amin'ny ho avy. BSB BSB: Now Moses was faithful as a servant in all God’s house, testifying to what would be spoken later.
6 ULB Fa Kristy no Zanaka miandraikitra ny tranon'Andriamanitra. Isika no tranony raha toa ka mihazona mafy ny herim-po sy ny fahatokiantsika isika. BSB BSB: But Christ is faithful as the Son over God’s house. And we are His house, if we hold firmly to our confidence and the hope of which we boast.
7 ULB Noho izany, izany dia tahakan'ny lazain'ny Fanahy masina hoe: "Anio, raha mandre ny feony ianareo BSB BSB: Therefore, as the Holy Spirit says: “Today, if you hear His voice,
8 ULB dia aza manamafy ny fonareo toy ny amin'ny fikomiana, amin'ny fotoanan'ny fitsapana any an'efitra. BSB BSB: do not harden your hearts, as you did in the rebellion, in the day of testing in the wilderness,
9 ULB Toy izany ny razambenareo rehefa nikomy tamin'ny alalan'ny fitsapana Ahy, ary rehefa, nandritry ny efapolo taona, dia hitan'izy ireo ny asako. BSB BSB: where your fathers tested and tried Me, and for forty years saw My works.
10 ULB Noho izany dia tsy faly Aho amin'io taranaka io. BSB BSB: Therefore I was angry with that generation, and I said, ‘Their hearts are always going astray, and they have not known My ways.’
11 ULB Hoy Aho hoe: 'Izy ireo dia voatarika mandrakariva any amin'ny lalan-diso ao am-pony. Tsy nahafantatra ny lalako izy ireo. Tahaka izany no nianianako tamin'ny fahatezerako hoe: 'Tsy hiditra ao amin'ny fitsaharako velively izy ireo."' BSB BSB: So I swore on oath in My anger, ‘They shall never enter My rest.’”
12 ULB Mitandrema, ry rahalahy, mba tsy hisy na iray aminareo aza no hanana fo ratsin'ny tsy finoana, fo izay miala amin'Andriamanitra velona. BSB BSB: See to it, brothers, that none of you has a wicked heart of unbelief that turns away from the living God.
13 ULB Fa kosa, mifampahereza isan'andro, raha mbola misy ny antsoina hoe: "Anio", mba tsy hisy aminareo ho mafy fo amin'ny alalan'ny fitaky ny fahotana. BSB BSB: But exhort one another daily, as long as it is called today, so that none of you may be hardened by sin’s deceitfulness.
14 ULB Fa isika dia tonga mpiara-miasa amin'i Kristy raha toa ka mihazona mafy ny fahatokisantsika Azy hatrany am-piandohana ka hatrany amin'ny fiafarana. BSB BSB: We have come to share in Christ if we hold firmly to the end the assurance we had at first.
15 ULB Fa ny momba izany dia efa voalaza hoe: "Anio, raha mandre ny feony ianareo, dia aza manamafy ny fonareo, toy ny amin'ny fikomiana." BSB BSB: As it has been said: “Today, if you hear His voice, do not harden your hearts, as you did in the rebellion.”
16 ULB Iza izy izay efa nandre an'Andriamanitra ka nikomy? Fa tsy ireo rehetra izay nivoaka avy tany Egypta tamin'ny alalan'i Mosesy ve izany? BSB BSB: For who were the ones who heard and rebelled? Were they not all those Moses led out of Egypt?
17 ULB Iza no nahatezitra azy nandritry ny efapolo taona? Tsy ireo izay nanota ve, izay lavo tany an'efitra ny fatin'izy ireo? BSB BSB: And with whom was God angry for forty years? Was it not with those who sinned, whose bodies fell in the wilderness?
18 ULB Ho an'iza no nianianany fa tsy hiditra ao amin'ny fitsaharany izy ireo, raha tsy ho an'ireo izay tsy nankatoa Azy? BSB BSB: And to whom did He swear that they would never enter His rest? Was it not to those who disobeyed?
19 ULB Hitantsika fa tsy afaka niditra tao amin'ny fitsaharany izy ireo nohon'ny tsy finoana. BSB BSB: So we see that it was because of their unbelief that they were unable to enter.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.