1 ULB Efraima mihinan-drivotra ary manaraka ny rivotra avy any atsinanana. Mampitombo isa ireo lainga sy herisetra mandrakariva izy. Manao fanekena miaraka amin'i Asyria ary mitondra menaka oliva ho any Egypta izy ireo. BSB BSB: Ephraim feeds on the wind and pursues the east wind all day long; he multiplies lies and violence; he makes a covenant with Assyria and sends olive oil to Egypt.
2 ULB Manana ady amin'i Joda ihany koa i Yaveh ary hanafay an'i Jakoba noho ireo izay nataony; hamaly azy Izy noho ireo asany. BSB BSB: The LORD has a charge to bring against Judah. He will punish Jacob according to his ways and repay him according to his deeds.
3 ULB Tao an-kibo no nihazonan'i Jakoba ny rahalahiny tamin'ny vodi-tongony, ary tamin'ny fahalebiazany no niadivany tamin'Andriamanitra. BSB BSB: In the womb he grasped his brother’s heel, and in his vigor he wrestled with God.
4 ULB Niady tamin'ilay anjely izy ka naharesy. Nitomany sy nitaraina ho an'ny sitrany izy. Nahita an'Andriamanitra tao Betela izy; tany no niresahan'Andriamanitra taminy. BSB BSB: Yes, he struggled with the angel and prevailed; he wept and sought His favor; he found Him at Bethel and spoke with Him there—
5 ULB Izao no Yaveh, ilay Andriamanitra tompon'ny maro; "Yaveh" no anarany hiantsoana Azy. BSB BSB: the LORD God of Hosts, the LORD is His name of renown.
6 ULB Koa miverena amin'ny Andriamanitrareo. Tandremo ny fanekena mahatoky sy ny rariny, ary mahandrasa mandrakariva an'Andriamanitrareo. BSB BSB: But you must return to your God; maintain love and justice, and always wait on your God.
7 ULB Ny mpivarotra dia manana mizana diso eo an-tanan'izy ireo; tia fanambakana izy ireo. BSB BSB: A merchant loves to defraud with dishonest scales in his hands.
8 ULB Hoy Efraima hoe: "Tonga nanan-karena be tokoa aho; nahita harena ho an'ny tenako aho. Tsy hahita heloka amiko amin'ny asako rehetra izy ireo, izay rehetra mety ho fahotana." BSB BSB: And Ephraim boasts: “How rich I have become! I have found wealth for myself. In all my labors, they can find in me no iniquity that is sinful.”
9 ULB "Izaho no Yaveh Andriamanitrareo avy any amin'ny tany Egypta. Hamponeniko anaty lay indray ianareo, tahaka ny tamin'ny firavoravoana voatondro. BSB BSB: But I am the LORD your God ever since the land of Egypt. I will again make you dwell in tents, as in the days of the appointed feast.
10 ULB Niteny tamin'ireo mpaminany Aho, ary nanome fahitana maro ho azy ireo ho anao. Tamin'ny tanan'ireo mpaminany no nanomezako fanoharana." BSB BSB: I spoke through the prophets and multiplied their visions; I gave parables through the prophets.
11 ULB Raha misy faharatsiana ao Gileada, dia zava-poana tokoa ny olona. Ataon'izy ireo sorona ao Gilgala ireo ombilahy; ho tahaka ny antontam-bato ao anatin'ireo saham-bavasa ny alitaran'izy ireo. BSB BSB: Is there iniquity in Gilead? They will surely come to nothing. Do they sacrifice bulls in Gilgal? Indeed, their altars will be heaps of stones in the furrows of the field.
12 ULB Nitsoaka ho any amin'ny tanin'i Syria i Jakoba; niasa mba hahazo vady i Israely; ary niandry ondry aman'osy izy mba hahazo vady. BSB BSB: Jacob fled to the land of Aram and Israel worked for a wife—for a wife he tended sheep.
13 ULB Nitondra ny Israely hivoaka ny tany Egypta tamin'ny alalan'ny mpaminany i Yaveh, ary tamin'ny alalan'ny mpaminany no nikarakarany azy ireo. BSB BSB: But by a prophet the LORD brought Israel out of Egypt, and by a prophet he was preserved.
14 ULB Nahatezitra mafy an'i Yaveh i Efraima. Noho izany dia hamela ny ràny eo aminy ny Tompony ary hamerina aminy ny fahafaham-barakany. BSB BSB: Ephraim has provoked bitter anger, so his Lord will leave his bloodguilt upon him and repay him for his contempt.