1 ULB "Rehefa niteny i Efraima, dia nisy hovitrovitra. Nanandratra ny tenany tany Israely izy, nefa lasa meloka noho ny fanompoana an'i Bala izy, ka maty. BSB BSB: When Ephraim spoke, there was trembling; he was exalted in Israel. But he incurred guilt through Baal, and he died.
2 ULB Miha-manota hatrany izy ireo ankehitriny. Manao sary sokitra vy amin'ny volafotsiny izy ireo, sampy natao tsara araka izay azo natao, ireo rehetra ireo dia asan'ny mpanao asa tanana. Nilaza ny amin'izy ireo ny olona hoe: 'Ireo olona izay manao sorona ireo dia manoroka zanak'omby.' BSB BSB: Now they sin more and more and make for themselves cast images, idols skillfully made from their silver, all of them the work of craftsmen. People say of them, “They offer human sacrifice and kiss the calves!”
3 ULB Ka ho toy ny rahon'ny maraina izy ireo, toy ny ando izay mora maina, toy ny akofa izay tsofin'ny rivotra avy eo amin'ny famoloana, ary toy ny setroka mivoaka amin'ny fivoahan-tsetroka. BSB BSB: Therefore they will be like the morning mist, like the early dew that vanishes, like chaff blown from a threshing floor, like smoke through an open window.
4 ULB Fa Izaho no Yaveh Andriamanitrareo avy amin'ny tany Egypta. Aoka ianareo tsy hanaiky Andriamanitra afa-tsy Izaho ihany; aoka ianareo hanaiky fa ankoatra Ahy, dia tsy misy mpamonjy hafa. BSB BSB: Yet I am the LORD your God ever since the land of Egypt; you know no God but Me, for there is no Savior besides Me.
5 ULB Fantatro ianareo tany an-tany efitra, tany amin'ny tany fahamainana lehibe. BSB BSB: I knew you in the wilderness, in the land of drought.
6 ULB Rehefa nanana ahitra ianareo, dia voky; ary rehefa voky ianareo, dia nisandratra ny fonareo. Noho izany antony izany dia nanadino Ahy ianareo. BSB BSB: When they had pasture, they became satisfied; when they were satisfied, their hearts became proud, and as a result they forgot Me.
7 ULB Ho lasa toy ny liona ho azy ireo Aho; toy ny leoparda no hiambenako manaraka ny lalana. BSB BSB: So like a lion I will pounce on them; like a leopard I will lurk by the path.
8 ULB Hamely azy ireo tahaka ny bera very anaka Aho. Handriatra ny tratran'izy ireo Aho, ary handrapaka azy ireo eo tahaka ny liona, tahaka ny hamiraviran'ny bibidia azy ireo Aho. BSB BSB: Like a bear robbed of her cubs I will attack them, and I will tear open their chests. There I will devour them like a lion, like a wild beast tearing them apart.
9 ULB Handringana anareo Aho, ry Israely; iza no afaka hanampy anareo? BSB BSB: You are destroyed, O Israel, because you are against Me—against your helper.
10 ULB Aiza ny mpanjakanareo izao, mba hanavotra anareo any amin'ny tanànanareo rehetra? Aiza ireo mpanapakareo, izay efa nolazainareo tamiko hoe: 'Omeo mpanjaka sy andrian-dahy aho'? BSB BSB: Where is your king now to save you in all your cities, and the rulers to whom you said, “Give me a king and princes”?
11 ULB Nanome anareo mpanjaka tamin'ny fahatezerako Aho, ary nanala azy tamin'ny fahavinirako. BSB BSB: So in My anger I gave you a king, and in My wrath I took him away.
12 ULB Efa notehirizina ny helok'i Efraima; notehirizina ny helony. BSB BSB: The iniquity of Ephraim is bound up; his sin is stored up.
13 ULB Ny fangirifirian'ny fiterahana dia ho tonga eo aminy, fa zanaka lahy tsy manam-pahendrena izy, satria rehefa tonga ny fotoana ahaterahana, dia tsy mivoaka avy ao am-bohoka izy. BSB BSB: Labor pains come upon him, but he is an unwise son. When the time arrives, he fails to present himself at the opening of the womb.
14 ULB Hamonjy azy ireo amin'ny tanan'ny fiainan-tsy hita ve Aho? Hamonjy azy ireo amin'ny fahafatesana ve Aho? Aiza, ry fahafatesana, ny areti-mandringanao? Aiza, ry fiainan-tsy hita, ny fandringananao? Miafina amin'ny masoko ny fangorahana." BSB BSB: I will ransom them from the power of Sheol; I will redeem them from Death. Where, O Death, are your plagues? Where, O Sheol, is your sting? Compassion is hidden from My eyes.
15 ULB Na dia nanan-karena teo amin'ireo rahalahiny aza i Efraima, dia hisy rivotra avy any atsinanana ho avy; hitsoka avy any an-tany efitra ny rivotr'i Yaveh. Ny loharanon'i Efraima dia ho ritra, ary ny fantsakany dia tsy hisy rano. Handroba ny trano fitehirizany ny zava-tsarobidy rehetra ny fahavalony. BSB BSB: Although he flourishes among his brothers, an east wind will come—a wind from the LORD rising up from the desert. His fountain will fail, and his spring will run dry. The wind will plunder his treasury of every precious article.
16 ULB Ho meloka i Samaria, satria nikomy nanohitra ny Andriamaniny izy. Ho lavon'ny sabatra izy ireo; ho torotoro ireo zanany mbola tanora, ary ho triarina ireo renin'izy ireo mitondra vohoka. BSB BSB: Samaria will bear her guilt because she has rebelled against her God. They will fall by the sword; their little ones will be dashed to pieces, and their pregnant women ripped open.