1 ULB Aza mifaly, amin'ny hafaliana toy ireo olona hafa, ry Israely. Fa tsy nahatoky ianao, nahafoy ny Andriamanitrao. Tianao ny mandoa ny karama angatahin'ny mpivaro-tena amin'ny famoloana rehetra. BSB BSB: Do not rejoice, O Israel, with exultation like the nations, for you have played the harlot against your God; you have made love for hire on every threshing floor.
2 ULB Fa ny famoloana sy ny famiazana dia tsy hamahana azy ireo; handiso fanantenana azy ireo ny divay vaovao. BSB BSB: The threshing floor and winepress will not feed them, and the new wine will fail them.
3 ULB Tsy hitoetra ao amin'ny tanin'i Yaveh intsony izy ireo; fa kosa, hiverina any Egypta i Efraima, ary indray andro izy ireo dia hihinana sakafo maloto any Asyria. BSB BSB: They will not remain in the land of the LORD; Ephraim will return to Egypt and eat unclean food in Assyria.
4 ULB Tsy handraraka fanatitra divay ho an'i Yaveh izy ireo, na hankasitrahany. Ho toy ny sakafon'ny mpisaona aminy ny soron'izy ireo: izay rehetra mihinana izany dia ho voaloto. Fa ny sakafon'izy ireo dia ho azy ireo irery ihany; tsy hiditra ny tranon'i Yaveh izany. BSB BSB: They will not pour out wine offerings to the LORD, and their sacrifices will not please Him, but will be to them like the bread of mourners; all who eat will be defiled. For their bread will be for themselves; it will not enter the house of the LORD.
5 ULB Inona no ho ataonareo amin'ny andron'ny firavoravoana voatondro, amin'ny andron'ny firavoravoana ho an'i Yaveh? BSB BSB: What will you do on the appointed day, on the day of the LORD’s feast?
6 ULB Fa, indro, raha afa-mandositra amin'ny fandringanana izy ireo, dia hanangona azy ireo Egypta, ary handevina azy ireo i Memfisa. Raha ny amin'ireo harena volafotsin'izy ireo—ho lasan'ny tsilo maranitra ireo, ary hameno ny lain'izy ireo ny tsilo. BSB BSB: For even if they flee destruction, Egypt will gather them and Memphis will bury them. Their precious silver will be taken over by thistles, and thorns will overrun their tents.
7 ULB Ho tonga ny andro famaizana; tonga ny andro famaliana. Aoka ho fantatry ny Israely rehetra ireo zavatra ireo. Adala ny mpaminany, ary very saina ny olona azon-tsindrimandry, nohon'ny helokareo lehibe sy fandrafianareo lehibe. BSB BSB: The days of punishment have come; the days of retribution have arrived—let Israel know it. The prophet is called a fool, and the inspired man insane, because of the greatness of your iniquity and hostility.
8 ULB Ny mpaminany no mpiambina an'i Efraima ho an'ny Andriamanitro. Fa misy fandri-borona amin'ny lalany rehetra, ary ny fankahalana azy dia ao an-tranon'ny Andriamaniny. BSB BSB: The prophet is Ephraim’s watchman, along with my God, yet the snare of the fowler lies on all his paths. Hostility is in the house of his God!
9 ULB Efa nanimba toetra fatratra toy ny tamin'ny andron'i Gibea izy ireo. Ho tsaroan'Andriamanitra ny helok'izy ireo, ary ho faiziny ny fahotan'izy ireo. BSB BSB: They have deeply corrupted themselves as in the days of Gibeah; He will remember their guilt; He will punish their sins.
11 ULB Raha ny amin'i Efraima, dia hanidina toy ny vorona ny voninahitr'izy ireo. Tsy hisy fahaterahana, tsy hisy fananan'anaka, ary tsy hisy torotoronina. BSB BSB: Ephraim’s glory will fly away like a bird, with no birth, no pregnancy, and no conception.
12 ULB Na dia nitaiza zaza aza izy ireo, dia ho alaiko izy ireo ka tsy hisy ho tavela. Loza ho azy ireo rehefa mivadika amin'izy ireo Aho! BSB BSB: Even if they raise their children, I will bereave them of each one. Yes, woe be to them when I turn away from them!
13 ULB Efa nahita an'i Efraima Aho, tahaka an'i Tyro, nambolena teo amin'ny tanin'ahitra, fa Efraima dia hitondra ireo zanany ho any amin'ny olon-kafa izay hamono azy ireo." BSB BSB: I have seen Ephraim, like Tyre, planted in a meadow. But Ephraim will bring out his children for slaughter.
14 ULB Omeo izy ireo, ry Yaveh—inona no homenao azy ireo? Omeo kibo tsy mahazo zaza sy nono izay tsy manome ronono izy ireo. BSB BSB: Give them, O LORD—what will You give? Give them wombs that miscarry and breasts that dry up!
15 ULB "Noho ny faharatsian'izy ireo rehetra tany Gilgala, izay nankahalako azy ireo voalohany. Noho ny asan'izy ireo feno fahotana, dia ho roahiko hivoaka ny tranoko izy ireo. Tsy ho tia azy ireo intsony Aho; mpikomy avokoa ireo manam-pahefan'izy ireo. BSB BSB: All their evil appears at Gilgal, for there I hated them. I will drive them from My house for the wickedness of their deeds. I will no longer love them; all their leaders are rebellious.
16 ULB Misy aretina Efraima, ary maina ny fakan'izy ireo; tsy mamoa ireo. Na dia manan-janaka aza izy ireo, dia ho vonoiko ny zanaka malalan'izy ireo." BSB BSB: Ephraim is struck down; their root is withered; they cannot bear fruit. Even if they bear children, I will slay the darlings of their wombs.
17 ULB Ho arian'ny Andriamanitro izy ireo satria tsy nankatoa Azy. Ho lasa mpirenireny eo amin'ireo firenena izy ireo. BSB BSB: My God will reject them because they have not obeyed Him; and they shall be wanderers among the nations.