1 ULB Ny fahitàn'i Isaia zanak'i Amosa, izay hitany nahakasika an'i Joda sy Jerosalema, tamin'ny andron'i Ozia, Jotama, Ahaza, ary i Hezekia, mpanjakan'i Joda. BSB BSB: This is the vision concerning Judah and Jerusalem that Isaiah son of Amoz saw during the reigns of Uzziah, Jotham, Ahaz, and Hezekiah, kings of Judah. 2 ULB Mihainoa, ry lanitra, ary manongilàna sofina, ry tany; fa efa niteny Yaveh hoe: "Efa namahana sy nitaiza ny ankizy Aho, nefa nikomy Tamiko izy ireo. BSB BSB: Listen, O heavens, and give ear, O earth, for the LORD has spoken: “I have raised children and brought them up, but they have rebelled against Me.
3 ULB Ny omby mahalala ny tompony, ary ny boriky mahafantatra ny tavy famahanan'ny tompony azy, kanefa tsy fantatry ny Israely, tsy takatry ny Israely. BSB BSB: The ox knows its owner, and the donkey its master’s manger, but Israel does not know; My people do not understand.”
4 ULB Loza! Ry firenena, mpanota, vahoaka mavesa-keloka, taranaka mpanao ratsy, zanaka lahy mpanao meloka! Efa nahafoy an'i Yaveh izy ireo, efa nanao tsinontsinona an'ilay Iray Masin'Israely izy ireo, efa nampihemotra ny tenan'izy ireo taminy izy ireo. BSB BSB: Alas, O sinful nation, a people laden with iniquity, a brood of evildoers, children who act corruptly! They have forsaken the LORD; they have despised the Holy One of Israel and turned their backs on Him.
5 ULB Nahoana ianareo no mbola voakapoka? Nahoana ianareo no mikomy hatrany hatrany? Marary ny loha manontolo, torovana tanteraka ny fo. BSB BSB: Why do you want more beatings? Why do you keep rebelling? Your head has a massive wound, and your whole heart is afflicted.
6 ULB Tsy misy faritra tsy maratra hatramin'ny faladia ka hatrany amin'ny loha; fery, sy mangana ary ratra vao ihany; mbola tsy voakatona, voadio, na nofehezina, na notsaboina tamin'ny diloilo akory ireny. BSB BSB: From the sole of your foot to the top of your head, there is no soundness—only wounds and welts and festering sores neither cleansed nor bandaged nor soothed with oil.
7 ULB Rava ny firenenareo; may ireo tanànanareo; ireo sahanareo_ eo amin'ny fanatrehanareo, no hamotehan'ny olona hafa firenena ireo_ foana sy rava, naringanan'ireo olona hafa firenena. BSB BSB: Your land is desolate; your cities are burned with fire. Foreigners devour your fields before you—a desolation demolished by strangers.
8 ULB Ny zanaka vavin'i Ziona dia navela tahaka ny trano bongo eny an-tanim-boaloboka, tahaka ny fandriana eny amin'ny sahana kaokaombira, toy ny tanàna natao fahirano. BSB BSB: And the Daughter of Zion is abandoned like a shelter in a vineyard, like a shack in a cucumber field, like a city besieged.
9 ULB Raha tsy namela sisa kely tamintsika i Yaveh Tompon'ny maro, efa tahaka an'i sodoma isika tahaka izay, efa nitovy tamin'i Gomora isika tahaka izay. BSB BSB: Unless the LORD of Hosts had left us a few survivors, we would have become like Sodom, we would have resembled Gomorrah.
10 ULB Mandrenesa ny tenin'i Yaveh, ianareo ry mpanapak'i Sodoma; mihainoa ny lalàn'Andriamanitsika, ianareo ry vahoakan'i Gomora hoe: BSB BSB: Hear the word of the LORD, you rulers of Sodom; listen to the instruction of our God, you people of Gomorrah!
11 ULB "Inona izay fahamaroan'ny soronareo ho Ahy?" hoy Yaveh. "Efa tofoky ny ondrilahy atao fanatitra dorana Aho, sy ny jaboran'ny biby mifahy; ka tsy sitrako ny ran'ny ombilahy, zanak'ondry, na osy. BSB BSB: “What good to Me is your multitude of sacrifices?” says the LORD. “I am full from the burnt offerings of rams and the fat of well-fed cattle; I take no delight in the blood of bulls and lambs and goats.
12 ULB Rehefa tonga hiseho eto anatrehako ianareo, iza no nangataka izany taminareo, mba hanitsaka ny kianjako? BSB BSB: When you come to appear before Me, who has required this of you—this trampling of My courts?
13 ULB Aza mitondra fanati-poana intsony; fahavetavetana ny ditin-kazo manitra amiko, ny volana vaovao sy ny Sabata fiangonana_ tsy afaka ny hilefitra amin'ireny fiangonan-dratsy ireny Aho. BSB BSB: Bring your worthless offerings no more; your incense is detestable to Me. New Moons, Sabbaths, and convocations—I cannot endure iniquity in a solemn assembly.
14 ULB Halako ireo volana vaovaonareo sy ireo firavoravoana voatondronareo, enta-mavesatra ho Ahy ireny; ketraka amin'ny fiharetana ireny Aho. BSB BSB: I hate your New Moons and your appointed feasts. They have become a burden to Me; I am weary of bearing them.
15 ULB Koa dia rehefa mamelatra ny tananareo amin'ny vavaka ianareo, dia manafina ny masoko tsy ho aminareo Aho; na dia manolotra vavaka maro aza ianareo, dia tsy hihaino Aho; feno rà ny tananareo. BSB BSB: When you spread out your hands in prayer, I will hide My eyes from you; even though you multiply your prayers, I will not listen. Your hands are covered with blood.
16 ULB Sasao, diovy ny tenanareo; esory tsy ho eo imasoko ny faharatsin'ireo asanareo; mitshara amin'ny faharatsiana; BSB BSB: Wash and cleanse yourselves. Remove your evil deeds from My sight. Stop doing evil!
17 ULB mianara manao ny tsara; mitadiava ny rariny, ahitsio ny fampahoriana, manomeza rariny ho an'ireo kamboty, arovy ny mananon-tena. BSB BSB: Learn to do right; seek justice and correct the oppressor. Defend the fatherless and plead the case of the widow.”
18 ULB "Avia ary, andeha isika hiara-hifampidinika," hoy Yaveh; "Na dia tahaka ny jaky ary ny fahotànareo, dia ho fotsy tahaka ny oram-panala ireny, na dia mena tahaka ny sily aza ireny, dia ho tahaka ny volon'ondry fotsy. BSB BSB: “Come now, let us reason together,” says the LORD. “Though your sins are like scarlet, they will be as white as snow; though they are as red as crimson, they will become like wool.
19 ULB Raha manaiky sy mankatò ianareo, dia hihinana ny soa avy amin'ny tany, BSB BSB: If you are willing and obedient, you will eat the best of the land.
20 ULB fa raha mandà sy mikomy ianareo, dia ho levonin'ny sabatra," fa ny vavan'i Yaveh no miteny izany. BSB BSB: But if you resist and rebel, you will be devoured by the sword.” For the mouth of the LORD has spoken.
21 ULB Indrisy, tonga janga ilay tanàna mahatoky! Izy izay feno rariny_ izy izay feno fahamarinana, fa ankehitriny kosa izy feno mpamono olona. BSB BSB: See how the faithful city has become a harlot! She once was full of justice; righteousness resided within her, but now only murderers!
22 ULB Niova ho tain-drendrika ny volafotsinareo, miharo rano ny divainareo. BSB BSB: Your silver has become dross; your fine wine is diluted with water.
23 ULB Ireo andrianareo dia mpikomy ary sakaizan'ny mpandroba; tia kolikoly avokoa ny rehetra ary fatra-pitady tombony. Tsy miaro ny kamboty izy ireo, na ny fitarainana ara-dalàn'ny mananon-tena izay tonga eo anatrehan'izy ireo. BSB BSB: Your rulers are rebels, friends of thieves. They all love bribes and chasing after rewards. They do not defend the fatherless, and the plea of the widow never comes before them.
24 ULB Noho izany dia izao no fanambaran'i Yaveh Tompon'ny maro, ilay Maherin'Israely hoe: "Loza ho azy ireo! Hanao valifaty ho an'ireo mpifanandrina amiko Aho, ary hamalifaty ireo fahavaloko Aho; BSB BSB: Therefore the Lord GOD of Hosts, the Mighty One of Israel, declares: “Ah, I will be relieved of My foes and avenge Myself on My enemies.
25 ULB hamerina ny tanako aminareo Aho, hanadio ny tain-drendrikareo tahaka ny amin'ny karbonetra Aho, ary hanala ny tain-drendrika rehetra aminareo. BSB BSB: I will turn My hand against you; I will thoroughly purge your dross; I will remove all your impurities.
26 ULB Hamerina amin'ny laoniny ireo mpitsaranareo toy ny tamin'ny voalohany Aho, ary ireo mpanolo-tsainareo toy ny tamin'ny vao niandoha; aorian'izany ianareo dia ho antsoina hoe tanànan'ny fahamarinana, tanàna mahatoky. BSB BSB: I will restore your judges as at first, and your counselors as at the beginning. After that you will be called the City of Righteousness, the Faithful City.”
27 ULB Ho voavonjy amin'ny rariny i Ziona, ary ireo mpibebany amin'ny fahamarinana. BSB BSB: Zion will be redeemed with justice, her repentant ones with righteousness.
28 ULB Hiaraka ho torotoro ny mpikomy sy ny mpanota, ary ireo izay nahafoy an'i Yaveh dia ho vita ny aminy. BSB BSB: But rebels and sinners will together be shattered, and those who forsake the LORD will perish.
29 ULB "Fa ho afa-baraka ianareo amin'ireo hazo terebintana masina izay nirianareo fatratra, ary ho menatra ianareo amin'ireo saha izay efa nofidianareo. BSB BSB: Surely you will be ashamed of the sacred oaks in which you have delighted; you will be embarrassed by the gardens that you have chosen.
30 ULB Fa ho tahaka ny hazo terebinta iray izay mihintsan-dravina ianareo, ary toy ny saha izay tsy misy rano. BSB BSB: For you will become like an oak whose leaves are withered, like a garden without water.
31 ULB Ny lehilahy mahery dia ho tahaka ny vohavoha, ary ny asany tahaka ny pitik'afo; hiara-may izy roa ireo, ary tsy misy hamono ny afon'izy ireo. BSB BSB: The strong man will become tinder and his work will be a spark; both will burn together, with no one to quench the flames.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.