1 ULB Loza ho an'ireo izay manao lalàna tsy araka ny hitsiny ary manoratra didy tsy ara-drariny. BSB BSB: Woe to those who enact unjust statutes and issue oppressive decrees,
2 ULB Tsy manome rariny ireo mila fanampiana izy ireo, mandroba ny oloko mahantra amin'ny zony izy ireo, mandroba ireo mpitondratena, ary manao ireo kamboty ho hazan'izy ireo! BSB BSB: to deprive the poor of fair treatment and withhold justice from the oppressed of My people, to make widows their prey and orphans their plunder.
3 ULB Inona no hataonao amin'ny andro fitsarana rehefa ho tonga avy lavitra ny faharavana? Amin'iza ianao no hitady fanampiana, ary aiza no hamelanao ireo harenanao? BSB BSB: What will you do on the day of reckoning when devastation comes from afar? To whom will you flee for help? Where will you leave your wealth?
4 ULB Tsy hisy na inona na inona ho tavela, ary hitampify eo amin'ireo gadra ianao na ho lavo eo amin'ireo maty. Amin'ireo zavatra rehetra ireo, dia tsy hihena ny hatezerany; fa kosa, ny tanany dia mbola mihinjitra hatrany. BSB BSB: Nothing will remain but to crouch among the captives or fall among the slain. Despite all this, His anger is not turned away; His hand is still upraised.
5 ULB Loza ho an'ireo Asyriana, ny tsorakazon'ny fahatezerako, tsorakazo izay hitondrako ny fahavinirako! BSB BSB: Woe to Assyria, the rod of My anger; the staff in their hands is My wrath.
6 ULB Alefako hanohitra firenena miavonavona sy hanohitra ny vahoaka izay mizaka ny hatezerako manafotra izy. Mandidy azy haka ny babo, haka ny haza, ary hanitsaka ireo tahaka ny fotaka eny amin'ireo lalana Aho. BSB BSB: I will send him against a godless nation; I will dispatch him against a people destined for My rage, to take spoils and seize plunder, and to trample them down like clay in the streets.
7 ULB Kanefa tsy izany no kasainy, na hoe mihevitra toy izany izy. Ao am-pony izany hoe handrava sy handringana firenena maro izany. BSB BSB: But this is not his intention; this is not his plan. For it is in his heart to destroy and cut off many nations.
8 ULB Fa hoy izy hoe: "Moa tsy mpanjaka avokoa ve ireo andrian-dahiko rehetra?" BSB BSB: “Are not all my commanders kings?” he says.
9 ULB Tsy tahaka an'i Karkemisy ve i Kalno? Tsy tahaka an'i Arpada ve i Hamata? Tsy tahaka an'i Damaskosy ve i Samaria? BSB BSB: “Is not Calno like Carchemish? Is not Hamath like Arpad? Is not Samaria like Damascus?
10 ULB Tahaka ny nandresen'ny tanako ireo fanjakana mpanompo sampy, izay ireo sarin-javatra sokitr'izy ireo dia lehibe kokoa noho ireo an'i Jerosalema sy Samaria, BSB BSB: As my hand seized the idolatrous kingdoms whose images surpassed those of Jerusalem and Samaria,
11 ULB tahaka izay nataoko tany Samaria sy ireo sampy zava-poany, moa tsy hanao toy izany amin'i Jerosalema sy ireo sampiny ihany koa ve aho?" BSB BSB: and as I have done to Samaria and its idols, will I not also do to Jerusalem and her idols?”
12 ULB Rehefa nahavita ny asany teo amin'ny Tendrombohitra Ziona sy tao Jerosalema ny Tompo, dia hanasazy ny tenin'ny fo miavonavon'ny mpanjakan'i Asyria sy ny fijery feno avonavony Aho. BSB BSB: So when the Lord has completed all His work against Mount Zion and Jerusalem, He will say, “I will punish the king of Assyria for the fruit of his arrogant heart and the proud look in his eyes.
13 ULB Fa izy niteny hoe: "Amin'ny alalan'ny tanjako sy ny fahendreko no hiasako." Manana fahazavan-tsaina aho, ary efa nanala ny fefin'ireo vahoaka. Efa nangalariko ny haren'izy ireo, ary tahaka ny ombilahy no nampidinako ireo mponina. BSB BSB: For he says: ‘By the strength of my hand I have done this, and by my wisdom, for I am clever. I have removed the boundaries of nations and plundered their treasures; like a mighty one I subdued their rulers.
14 ULB Toy ny fisamborana avy ao amin'ny akany, no nakan'ny tanako ireo haren'ny firenena, ary tahaka ny fanangonan'ilay iray ireo atody nilaozana, no hanangonako ny tany rehetra. Tsy nisy nanakopakopaka ny elany izy ireo na nanokatra ny vavany na nihiakiaka." BSB BSB: My hand reached as into a nest to seize the wealth of the nations. Like one gathering abandoned eggs, I gathered all the earth. No wing fluttered, no beak opened or chirped.’”
15 ULB Moa ve ny famaky hirehareha momba ny tenany amin'ilay iray izay mampiasa izany? Moa ve ny tsofa hidera bebe kokoa ny tenany noho ilay iray izay manapaka amin'ny alalan'izany? Izany dia tahaka ny hoe: tsorakazo iray izay afaka miainga amin'ireo izay manainga izany na toy ny hoe afaka manainga olona ilay tsorakazo. BSB BSB: Does an axe raise itself above the one who swings it? Does a saw boast over him who saws with it? It would be like a rod waving the one who lifts it, or a staff lifting him who is not wood!
16 ULB Noho izany dia handefa fahiazana eo amin'ireo mpiadiny sangany i Yaveh Tompo tompon'ny maro; ary eo ambanin'ny voninahiny dia hisy firehetana tahaka ny afo mirehitra. BSB BSB: Therefore the Lord GOD of Hosts will send a wasting disease among Assyria’s stout warriors, and under his pomp will be kindled a fire like a burning flame.
17 ULB Ho tonga afo ny fahazavan'Israely, ary ilay Iray Masiny ho lelan'afo; handoro sy handevona ireo tsilony ao anatin'ny iray andro monja izany. BSB BSB: And the Light of Israel will become a fire, and its Holy One a flame. In a single day it will burn and devour Assyria’s thorns and thistles.
18 ULB Yaveh dia hanimba ny voninahitry ny alany sy ny taniny mamokatra, dia ny fanahin'izany sy ny vatan'izany; ho tahaka ny ain'ny olona marary miha-osa izany. BSB BSB: The splendor of its forests and orchards, both soul and body, it will completely destroy, as a sickness consumes a man.
19 ULB Ho vitsy ireo sisa tavela amin'ireo hazon'ny alany, ka na ny zaza aza afaka hanisa ireo. BSB BSB: The remaining trees of its forests will be so few that a child could count them.
20 ULB Amin'izany andro izany, ireo Israely sisa, ireo fianakavian'i Jakoba izay nitsoaka, dia tsy hiantehitra amin'ilay iray izay nandresy azy ireo intsony, fa hiankina amin'i Yaveh tokoa, dia ilay Iray Masin'Israely. BSB BSB: On that day the remnant of Israel and the survivors of the house of Jacob will no longer depend on him who struck them, but they will truly rely on the LORD, the Holy One of Israel.
21 ULB Izay tavela amin'i Jakoba dia hiverina any amin'ilay Andriamanitra mahery. BSB BSB: A remnant will return—a remnant of Jacob—to the Mighty God.
22 ULB Fa na ny olonao aza, ry Israely, dia tahaka ny tora-pasika eny amoron-dranomasina, izay sisa tavela amin'izy ireo ihany no hiverina. Notendrena ny faharavana, araka ny fangatahana manafotry ny fahamarinana. BSB BSB: Though your people, O Israel, be like the sand of the sea, only a remnant will return. Destruction has been decreed, overflowing with righteousness.
23 ULB Fa i Yaveh Tompo tompon'ny maro, dia eo an-dalam-pitondrana ny faharavana izay notendrena manerana ny tany. BSB BSB: For the Lord GOD of Hosts will carry out the destruction decreed upon the whole land.
24 ULB Noho izany i Yaveh Tompo tompon'ny maro milaza hoe: "Ry vahoakako izay mipetraka ao Ziona, aza matahotra ireo Asyriana." Hamely anao amin'ny tsorakazo izy, ary hanangana ny tehiny aminao, araka izay nataon'ireo Egyptiana. BSB BSB: Therefore this is what the Lord GOD of Hosts says: “O My people who dwell in Zion, do not fear Assyria, who strikes you with a rod and lifts his staff against you as the Egyptians did.
25 ULB Aza matahotra azy, fa afaka fotoana fohy dia hifarana ny hatezerako aminao, ary hitarika ny faharavany ny hatezerako." BSB BSB: For in just a little while My fury against you will subside, and My anger will turn to their destruction.”
26 ULB Ary i Yaveh tompon'ny maro dia hanainga ny karavasiny amin'izy ireo, toy ny tamin'ny nandreseny an'i Midiana teo am-batolampy Oreba. Hanainga ny rantsan-kazony eo amin'ny ranomasina Izy ary hanainga izany toy ny nataony tao Egypta. BSB BSB: And the LORD of Hosts will brandish a whip against them, as when He struck Midian at the rock of Oreb. He will raise His staff over the sea, as He did in Egypt.
27 ULB Amin'izany andro izany, ny vesany dia hiainga avy eo amin'ny sorokao ary ny ziogany avy eo amin'ny vozonao. Ary ny zioga dia ho rava nohon'ny hatavezana. BSB BSB: On that day the burden will be lifted from your shoulders, and the yoke from your neck. The yoke will be broken because your neck will be too large.
28 ULB Tonga tao Aiata ny fahavalo ary nandalo an'i Migrona; tany Mikmasy no nitehirizany ireo vatsiny. BSB BSB: Assyria has entered Aiath and passed through Migron, storing their supplies at Michmash.
29 ULB Niampita tamin'ny fandalovana izy ireo ary nitoetra tao Geba. Nihovitrovitra i Rama ary nandositra i Gibean'i Saoly. BSB BSB: They have crossed at the ford: “We will spend the night at Geba.” Ramah trembles; Gibeah of Saul flees.
30 ULB Mikiakiaha mafy, ry zanaka vavin'i Galima! Aoka ho liana, ry Laisy! Indrisy ry Anatota mahantra. BSB BSB: Cry aloud, O Daughter of Gallim! Listen, O Laishah! O wretched Anathoth!
31 ULB Mandositra i Madmena, ary ireo mponin'i Gebima dia mihazakazaka ho amin'ny fiarovana. BSB BSB: Madmenah flees; the people of Gebim take refuge.
32 ULB Amin'io andro io mihitsy no hijanona ao Noba izy ka hamokona ny totohondriny any an-tendrombohitry ny zanaka vavin'i Ziona, ilay havoan'i Jerosalema. BSB BSB: Yet today they will halt at Nob, shaking a fist at the mount of Daughter Zion, at the hill of Jerusalem.
33 ULB Indro, ilay Yaveh Tompo tompon'ny maro hampianjera ny sampana amin'ny fianjerana mahatsiravina; ireo hazo lava indrindra dia hotapahana, ary izay avo dia hafohezina. BSB BSB: Behold, the Lord GOD of Hosts will lop off the branches with terrifying power. The tall trees will be cut down, the lofty ones will be felled.
34 ULB Hamaky ireo matevina indrindra amin'ny ala amin'ny famaky izy, ary i Libanona dia hianjera amin'ny fiandrianany. BSB BSB: He will clear the forest thickets with an axe, and Lebanon will fall before the Mighty One.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.