1 ULB Fanambarana mahakasika an'i Babylona, izay voarain'i Isaia zanaka lahin'i Amoza: BSB BSB: This is the burden against Babylon that Isaiah son of Amoz received:
2 ULB Manangàna faneva any an-tendrombohitra mangadihady, mihikiaha mafy amin'izy ireo, ahofahofay amin'izy ireo ny tananareo mba hidirany amin'ny vavahadin'ireo andriana. BSB BSB: Raise a banner on a barren hilltop; call aloud to them. Wave your hand, that they may enter the gates of the nobles.
3 ULB Efa nandidy ireo masiko Aho, eny efa niantso ny maheriko mba hanatanteraka ny fahatezerako, eny na dia ireo mibitaka am-pireharehana aza. BSB BSB: I have commanded My sanctified ones; I have even summoned My warriors to execute My wrath and exult in My triumph.
4 ULB Ny horakoraky ny maro an'isa any an-tendrombohitra, dia tahaka ny vahoaka marobe! Ny tabataban'ny fanjakana tahaka ireo firenena maro tafatambatra! Yaveh tompon'ny maro no mampahery ny tafika amin'ny ady. BSB BSB: Listen, a tumult on the mountains, like that of a great multitude! Listen, an uproar among the kingdoms, like nations gathered together! The LORD of Hosts is mobilizing an army for war.
5 ULB Avy any amin'ny firenena lavitra izy ireo, avy any amin'ny faravodilanitra. Yaveh sy ireo fitaovana fitsarany, mba handravana ny tany manontolo. BSB BSB: They are coming from faraway lands, from the ends of the heavens—the LORD and the weapons of His wrath—to destroy the whole country.
6 ULB Midradradradrà, fa efa antomotra ny andron'i Yaveh; ho avy miaraka amin'ny fahapotehana avy amin'ilay Tsitoha izany. BSB BSB: Wail, for the Day of the LORD is near; it will come as destruction from the Almighty.
7 ULB Noho izany dia hiraviravy ny tanana rehetra ary ho onena ny fo. BSB BSB: Therefore all hands will fall limp, and every man’s heart will melt.
8 ULB Hihorohoro izy ireo; ho azon'ny fanaintainana sy fahoriana izy ireo, tahaka ny vehivavy miteraka. Samy ho talanjona amin'izy samy izy ireo; ary hirehitra ireo tavany. BSB BSB: Terror, pain, and anguish will seize them; they will writhe like a woman in labor. They will look at one another, their faces flushed with fear.
9 ULB Indro, tonga amin'ny fahavinirana lozabe sy fahatezerana manafotra ny andron'i Yaveh, mba hahatonga ny tany ho lao sy hamotika ireo mpanota avy ao amin'izany. BSB BSB: Behold, the Day of the LORD is coming—cruel, with fury and burning anger—to make the earth a desolation and to destroy the sinners within it.
10 ULB Ireo kintan'ny lanitra sy ireo telonohorefy dia tsy hanome ny hazavany. Ny masoandro dia ho mazina amin'ny fiposahany, ary tsy hamiratra ny volana. BSB BSB: For the stars of heaven and their constellations will not give their light. The rising sun will be darkened, and the moon will not give its light.
11 ULB Hanasazy izao tontolo izao noho'ny faharatsiany ary ireo ratsy fanahy nohon'ny helok'izy ireo Aho. Hampitsahatra ny fiavonavon'ireo mpirehareha sy hanafoana ny fiavonavon'ny masiaka Aho. BSB BSB: I will punish the world for its evil and the wicked for their iniquity. I will end the haughtiness of the arrogant and lay low the pride of the ruthless.
12 ULB Hataoko mahalana noho ny volamena voadio ny olona ary ny olombelona ho saro-tadiavina noho ny volamena tsy mifangaron'i Ofira. BSB BSB: I will make man scarcer than pure gold, and mankind rarer than the gold of Ophir.
13 ULB Noho izany dia hataoko mihovitrovitra amin'ny alalan'i Yaveh tompon'ny maro, sy amin'ny androm-pahatezerany lehibe ny lanitra, ary hataoko miozongozona eo amin'ny toerany ny tany. BSB BSB: Therefore I will make the heavens tremble, and the earth will be shaken from its place at the wrath of the LORD of Hosts on the day of His burning anger.
14 ULB Tahaka ny gazela voahaza na tahaka ny ondry tsy misy mpiandry, no hiverenan'ny olona tsirairay amin'ny vahoakany ary handosirany any amin'ny taniny. BSB BSB: Like a hunted gazelle, like a sheep without a shepherd, each will return to his own people, each will flee to his native land.
15 ULB Izay rehetra hita dia ho faty avokoa, ary izay rehetra tratra dia ho fatin'ny sabatra. BSB BSB: Whoever is caught will be stabbed, and whoever is captured will die by the sword.
17 ULB Indro, mamporisika ireo Mediana mba hanafika azy ireo Aho, izay tsy ho voakasiky ny volafotsy, na hankamamy ny volamena. BSB BSB: Behold, I will stir up against them the Medes, who have no regard for silver and no desire for gold.
18 ULB Ny tsipìkan'izy ireo handefona ireo zatovony. Tsy hanana antra amin'ny zaza sy tsy hamindra fo amin'ny ankizy izy ireo. BSB BSB: Their bows will dash young men to pieces; they will have no mercy on the fruit of the womb; they will not look with pity on the children.
19 ULB Ary Babylona, ilay mendri-piderana indrindra amin'ireo fanjakana, ilay famirapiratan'ny reharehan'ny Kaldeana, dia horavana tahaka an'i Sodoma sy Gomora. BSB BSB: And Babylon, the jewel of the kingdoms, the glory of the pride of the Chaldeans, will be overthrown by God like Sodom and Gomorrah.
20 ULB Tsy honenana na hitoerana izany hatramin'ny taranaka fara-mandimby. Tsy hisy Arabo hanorin-day any, na hisy mpiandry ondry hampandry ny ondriny any. BSB BSB: She will never be inhabited or settled from generation to generation; no nomad will pitch his tent there, no shepherd will rest his flock there.
21 ULB Fa ireo bibidian'ny efitra no hitoetra any. Ho feno vorondolo ny tranon'izy ireo; ary ostrisa sy osilahy no hifalihavanja ao. BSB BSB: But desert creatures will lie down there, and howling creatures will fill her houses. Ostriches will dwell there, and wild goats will leap about.
22 ULB Hierona ao anaty fiarovany ny kary, ary ny amboadia ao amin'ireo toerana mahafinaritra. Antomotra ny fotoanany, ary ireo androny dia tsy ho tara. BSB BSB: Hyenas will howl in her fortresses and jackals in her luxurious palaces. Babylon’s time is at hand, and her days will not be prolonged.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.