1 ULB Hangoraka an'i Jakoba Yaveh; hifidy an'Israely indray Izy ary hamerina azy ireo ao amin'ny taniny. Hikambana amin'izy ireo ny vahiny ary hampifatotra ny tenany amin'ny ankohonan'i Jakoba. BSB BSB: For the LORD will have compassion on Jacob; once again He will choose Israel and settle them in their own land. The foreigner will join them and unite with the house of Jacob.
2 ULB Hitondra azy ireo any amin'ny toerany ireo firenena. Dia hitondra azy ireo any amin'ny tanin'i Yaveh ho mpanompo lahy sy vavy ny ankohonan'Israely. Hambabo ireo izay efa nambabo azy izy ireo, ary hanapaka ireo mpampahory azy. BSB BSB: The nations will escort Israel and bring it to its homeland. Then the house of Israel will possess the nations as menservants and maidservants in the LORD’s land. They will make captives of their captors and rule over their oppressors.
3 ULB Amin'ny andro izay hanomezan'i Yaveh fitsaharana ho anareo amin'ny fijaliana sy ny fangirifiriana, sy amin'ny asa mafy izay takiana ho tanterahinareo, BSB BSB: On the day that the LORD gives you rest from your pain and torment, and from the hard labor into which you were forced,
4 ULB dia hihira izao hira fanesoana ho an'ny mpanjakan'i Babylona izao ianareo hoe: "Endrey vita ny amin'ny mpampahory, tapitra ny fahavinirana mieboebo! BSB BSB: you will sing this song of contempt against the king of Babylon: How the oppressor has ceased, and how his fury has ended!
5 ULB Efa namotika ny tehin'ny ratsy fanahy Yaveh, ny tehim-panjakan'ireo mpanapaka ireo, BSB BSB: The LORD has broken the staff of the wicked, the scepter of the rulers.
6 ULB izay mamely ny vahoaka amin'ny fahatezerana amin'ny fitsofana tsy manam-pitsaharana, izay nanapaka ireo firenena tamim-pahatezerana, tamin'ny fanafihana izay tsy nitsahatra. BSB BSB: It struck the peoples in anger with unceasing blows; it subdued the nations in rage with relentless persecution.
7 ULB Mitsahatra ary mandry ny tany manontolo; manomboka mankalaza amin'ny hira izy ireo. BSB BSB: All the earth is at peace and at rest; they break out in song.
8 ULB Na dia ny hazo kypreso aza dia mifaly aminao mbamin'ireo sederan'i Libanona; hoy ireo: 'Koa satria nahetry ambany ianao, dia tsy nisy mpanapaka hazo niakatra mba hikapa anay.' BSB BSB: Even the cypresses and cedars of Lebanon exult over you: “Since you have been laid low, no woodcutter comes against us.”
9 ULB Miandry fatratra ny hitsena anao ny Fiainan-tsy hita ambany raha mankany ianao. Manangana ny maty ho anao izany, ry mpanjakan'ny tany rehetra, mampitsangana azy ireo eo amin'ny seza fiandrianany, ry mpanjakan'ny firenena rehetra. BSB BSB: Sheol beneath is eager to meet you upon your arrival. It stirs the spirits of the dead to greet you—all the rulers of the earth. It makes all the kings of the nations rise from their thrones.
10 ULB Hiteny avokoa izy rehetra ary hanao aminao hoe: 'Efa tonga malemy tahaka anay ianao. Efa tonga tahaka anay ianao. BSB BSB: They will all respond to you, saying, “You too have become weak, as we are; you have become like us!”
11 ULB Efa nahidina ho any amin'ny Fiainan-tsy hita tamin'ny feom-balihinao ny voninahitrao. Miparitaka eo ambaninao ireo olitra, ary mandrakotra anao ireo kankana.' BSB BSB: Your pomp has been brought down to Sheol, along with the music of your harps. Maggots are your bed and worms your blanket.
12 ULB Akory ny nianjeranao avy any an-danitra, ry kintan'ny andro, zanaky ny maraina! Akory ny hanapahana anao amin'ny tany, ianao izay nandresy ireo firenena! BSB BSB: How you have fallen from heaven, O day star, son of the dawn! You have been cut down to the ground, O destroyer of nations.
13 ULB Efa nilaza tao am-ponao ianao hoe: 'Hiakatra ho any an-danitra aho, hanandratra ny seza fiandrianako ambonin'ireo kintan'Andriamanitra aho, ary hipetraka eo an-tendrombohitry ny fiangonana, any amin'ny farany lavitry ny avaratra. BSB BSB: You said in your heart: “I will ascend to the heavens; I will raise my throne above the stars of God. I will sit on the mount of assembly, in the far reaches of the north.
14 ULB Hiakatra ambonin'ireo rahona avo aho; ataoko tahaka ny Andriamanitra Avo Indrindra ny tenako.' BSB BSB: I will ascend above the tops of the clouds; I will make myself like the Most High.”
15 ULB Kanefa nahidina tany amin'ny fiainan-tsy hita ianao, tany amin'ny lalin'ny lavaka. BSB BSB: But you will be brought down to Sheol, to the lowest depths of the Pit.
16 ULB Ireo izay mahita anao dia handinika anao ka hihaino anao izy ireo. Hanao izy ireo hoe: 'Moa ity ve ilay lehilahy izay nampangovitra ny tany, izay nampihozongozona ireo fanjakana, BSB BSB: Those who see you will stare; they will ponder your fate: “Is this the man who shook the earth and made the kingdoms tremble,
17 ULB izay nanao izao tontolo izao ho tahaka ny efitra, izay nandrava ireo tanànan'izany ary tsy namela ireo gadrany hody?' BSB BSB: who turned the world into a desert and destroyed its cities, who refused to let the captives return to their homes?”
18 ULB Ny mpanjakan'ireo firenena rehetra, izy rehetra dia mandry amim-boninahitra, ny tsirairay samy ao amin'ny fasany avy. BSB BSB: All the kings of the nations lie in state, each in his own tomb.
19 ULB Nefa ianao dia ho esorina ao amin'ny fasanao tahaka ny ratsan-kazo nariana. Mandrakotra anao tahaka ny fitafiana ny maty, dia ireo izay notrobarana tamin-tsabatra, izay midina any amin'ireo vaton'ny lavaka. BSB BSB: But you are cast out of your grave like a rejected branch, covered by those slain with the sword, and dumped into a rocky pit like a carcass trampled underfoot.
20 ULB Tsy ho alevina tahaka azy ireo ianao, satria efa namotika ny taninao sy namono ny vahoakanao. Ny taranaky ny mpanao ratsy dia tsy ho tononina intsony." BSB BSB: You will not join them in burial, since you have destroyed your land and slaughtered your own people. The offspring of the wicked will never again be mentioned.
21 ULB Omany ho an'ireo zanany ny famonoanao, ho an'ny helok'ireo razambeny, mba tsy hitsangana izy ireo ka haka ny tany ary hameno izao tontolo izao amin'ireo tanàna. BSB BSB: Prepare a place to slaughter his sons for the iniquities of their forefathers. They will never rise up to possess a land or cover the earth with their cities.
22 ULB "Hitsangana hanohitra azy ireo Aho"—izany no fanambaran'i Yaveh Tompon'ny maro. Ho foanako hiala amin'i Babylona ny anarana, ny taranaka, ary ny harena"—izany no fanambaran'i Yaveh. BSB BSB: “I will rise up against them,” declares the LORD of Hosts. “I will cut off from Babylon her name and her remnant, her offspring and her posterity,” declares the LORD.
23 ULB "Hataoko ho ao amin'ny fananan'ireo vorondolo ihany koa izy, sy ao amin'ireo dobon-drano, ary hofafako amin'ny kifafan'ny fandringanana izy"—izany no fanambaran'i Yaveh Tompon'ny maro. BSB BSB: “I will make her a place for owls and for swamplands; I will sweep her away with the broom of destruction,” declares the LORD of Hosts.
24 ULB Efa nianiana Yaveh Tompon'ny maro hoe: "Araka ny efa nokasaiko tokoa, no hitranga; ary araka izay efa nokendreko, dia izany no ho izy: BSB BSB: The LORD of Hosts has sworn: “Surely, as I have planned, so will it be; as I have purposed, so will it stand.
25 ULB Ho potehiko ao amin'ny tany ireo Asyriana, ary hitsahiko amin'ny tongotra eo amin'ireo tendrombohitro izy. Dia ho esorina hiala amin'izy ireo ny ziogany ary hiala eo amin'ny hatok'izy ireo ny enta-mavesany." BSB BSB: I will break Assyria in My land; I will trample him on My mountain. His yoke will be taken off My people, and his burden removed from their shoulders.”
26 ULB Izany no fikasana izay nokasaina ho an'ny tany tontolo, ary izany no tanana izay nasandratra ho an'ireo firenena rehetra. BSB BSB: This is the plan devised for the whole earth, and this is the hand stretched out over all the nations.
27 ULB Fa efa nikasa izany Yaveh Tompon'ny maro; iza no hahasakana Azy? Misandratra ny tanany, ka iza no hampihemotra izany? BSB BSB: The LORD of Hosts has purposed, and who can thwart Him? His hand is outstretched, so who can turn it back?
28 ULB Tamin'ny taona izay nahafatesan'i Ahaza mpanjaka no nahatongavan'izao fanambarana izao hoe: BSB BSB: In the year that King Ahaz died, this burden was received:
29 ULB Aza mifaly, ianareo ry Filistina rehetra, fa tapaka ny tsora-kazo izay namely anareo. Fa avy ao amin'ny fakan'ny bibilava no hivoahan'ny menarana, ary ny haterany dia ho bibilava mirehitra manidina. BSB BSB: Do not rejoice, all you Philistines, that the rod that struck you is broken. For a viper will spring from the root of the snake, and a flying serpent from its egg.
30 ULB Hampihinana ireo ondriny eo amin'ireo fihinanam-biloko ny lahimatoan'ny mahantra, ary handry amim-pilaminana ny ory. Hovonoiko amin'ny mosary izay hamono ny sisa velona aminareo ny fakanareo. BSB BSB: Then the firstborn of the poor will find pasture, and the needy will lie down in safety, but I will kill your root by famine, and your remnant will be slain.
31 ULB Midradradradà, ry vavahady; mitomania, ry tanàna; ianareo rehetra dia hiempo avokoa, ry Filistia. Fa avy ao avaratra no hiavian'ny rahon-tsetroka, ary tsy misy miala eo an-daharany. BSB BSB: Wail, O gate! Cry out, O city! Melt away, all you Philistines! For a cloud of smoke comes from the north, and there are no stragglers in its ranks.
32 ULB Koa ahoana ary no hamalian'ny olona ny irak'izany firenena izany? Fa hitan'i Yaveh i Ziona, ary ao aminy no hahitan'ny ory amin'ny olony fialofana. BSB BSB: What answer will be given to the envoys of that nation? “The LORD has founded Zion, where His afflicted people will find refuge.”
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.