1 ULB Fanambarana momba an'i Damaskosy. BSB BSB: This is the burden against Damascus: “Behold, Damascus is no longer a city; it has become a heap of ruins.
2 ULB Hafoy ireo tanànan'i Aroera. Ho toerana handrian'ny biby fiompy ireny, ary tsy hisy hampitahotra azy ireo. BSB BSB: The cities of Aroer are forsaken; they will be left to the flocks, which will lie down with no one to fear.
3 ULB Hanjavona tsy ho ao Efraima, ilay fanjakana avy any Damaskosy, ary ilay sisa tavelan'i Arama ireo tanàna voaaro—ho tahaka ny voninahitry ny vahoakan'Israely ireo—izany no fanambaran'i Yaveh tompon'ny maro. BSB BSB: The fortress will disappear from Ephraim, and the sovereignty from Damascus. The remnant of Aram will be like the splendor of the Israelites,” declares the LORD of Hosts.
4 ULB Ary amin'izany andro izany dia ho bitika ny voninahitr'i Jakoba, ary hanjary hahia ny fahatavezan'ny nofony. BSB BSB: “In that day the splendor of Jacob will fade, and the fat of his body will waste away,
5 ULB Ho takaka ny amin'ny fanangonan'ny mpinjinja ny vary an-tahony izany, ary ny sandriny mijinja ny salohim-bary. Ho tahaka ny amin'ny fanotazan'ny olona iray ny salohim-bary eny amin'ny Lohasahan'ny Refaima izany. BSB BSB: as the reaper gathers the standing grain and harvests the ears with his arm, as one gleans heads of grain in the Valley of Rephaim.
6 ULB Hisy sisa voaagona ho tavela, kanefa, ho tahaka ny amin'ny fihozongozonan'ny hazon'oliva: misy oliva roa na telo eo amin'ny rantsany ambony indrindra, efatra na dimy eo amin'ny sampany avo indrindra amin'ny hazo mamoa—izany no fanambaran'i Yaveh, Andriamanitr'Israely. BSB BSB: Yet gleanings will remain, like an olive tree that has been beaten—two or three berries atop the tree, four or five on its fruitful branches,” declares the LORD, the God of Israel.
7 ULB Amin'izany andro izany dia hitodika amin'ny Mpahary azy ny olona, ary ny masony hijery ny Iray Masin'Israely. BSB BSB: In that day men will look to their Maker and turn their eyes to the Holy One of Israel.
8 ULB Tsy hijery ny alitara izy ireo, izay asan'ny tanan'izy ireo, na hijery izay nataon'ny ratsan-tanany, dia ny baon'Aseraha na ireo sary masoandro. BSB BSB: They will not look to the altars they have fashioned with their hands or to the Asherahs and incense altars they have made with their fingers.
9 ULB Amin'izany andro izany dia ho tahaka ny bao hazo nafoy eny amin'ny tendron'ny havoana ny tanàna mafy orin'izy ireo, izay nafoy noho ireo vahoakan'Israely ary hanjary ho lao izany. BSB BSB: In that day their strong cities will be like forsaken thickets and summits, abandoned to the Israelites and to utter desolation.
10 ULB Fa nanadino ny Andriamanitry ny famonjenareo ianareo, ary nodianareo fanina ny vatolampin'ny herinareo. Koa mamboly zava-maniry mahafinaritra ianareo, ary mametraka tahom-boaloboka voaray avy tamin'ny vahiny, BSB BSB: For you have forgotten the God of your salvation and failed to remember the Rock of your refuge. Therefore, though you cultivate delightful plots and set out cuttings from exotic vines—
11 ULB amin'ny andro hambolenareo, sy hamefenareo, sy hampanirianareo. Tsy ho ela dia haniry ny voanareo, saingy tsy hahavanona ny vokatrareo amin'ny andro fahoriana sy alahelo mafy. BSB BSB: though on the day you plant you make them grow, and on that morning you help your seed sprout—yet the harvest will vanish on the day of disease and incurable pain.
12 ULB Loza! Ny fikomian'ny olona maro, izany mierona tahaka ny fieron'ny ranomasina, ary ny fisafoaky ny firenena, izay mifaoka tahaka ny fipaokan'ny rano mahery! BSB BSB: Alas, the tumult of many peoples; they rage like the roaring seas and clamoring nations; they rumble like the crashing of mighty waters.
13 ULB Hierona tahaka ny fipaokan'ny rano maro ireo firenena, saingy hibedy azy ireo mafy Andriamanitra. Handositra lavitra izy ireo ary hazaina tahaka ny ahi-dratsy tsofin'ny rivotra eny amin'ny tendrombohitra, ary tahaka ny ahi-drasty ahodikodin'ny tafiotra. BSB BSB: The nations rage like the rush of many waters. He rebukes them, and they flee far away, driven before the wind like chaff on the hills, like tumbleweeds before a gale.
14 ULB Amin'ny hariva, indro, ny horohoro! Mialohan'ny maraina dia ho dify ireo! Izany no anjaran'ireo izay mambabo antsika, ny amboaran'ireo izay mandroba antsika. BSB BSB: In the evening, there is sudden terror! Before morning, they are no more! This is the portion of those who loot us and the lot of those who plunder us.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.