1 ULB Fanambarana momba an'i Egypta. Indro, Yaveh mitaingina rahona haingam-pandeha ka ho avy any Egypta; mihovitrovitra eo anatrehany ireo sampin'i Egypta, ary dia ketraka anaty ny fon'ireo Egyptiana. BSB BSB: This is the burden against Egypt: Behold, the LORD rides on a swift cloud; He is coming to Egypt. The idols of Egypt will tremble before Him, and the hearts of the Egyptians will melt within them.
2 ULB "Hamporisihiko hiady ireo Egyptiana samy Egyptiana: lehilahy iray hiady amin'ny rahalahiny, ary lehilahy iray hanohitra ny namany; tanàna hanohitra tanàna, ary fanjakana hanohitra fanjakana. BSB BSB: “So I will incite Egyptian against Egyptian; brother will fight against brother, neighbor against neighbor, city against city, and kingdom against kingdom.
3 ULB Ho ketraka anaty ny fanahin'i Egypta. Ho potehiko ny toroheviny, na dia nitady ny hevitr'ireo sampy, sy fanahin'olo-maty, sy mpahita ny ho avy, ary mpanao sikidy aza izy ireo. BSB BSB: Then the spirit of the Egyptians will be emptied out from among them, and I will frustrate their plans, so that they will resort to idols and spirits of the dead, to mediums and spiritists.
4 ULB Hatolotro eo an-tanan'ny tompo masiaka ireo Egyptiana, ary mpanjaka matanjaka no hanapaka eo amin'izy ireo_ izany no fanambaran'ny Tompo Yaveh tompon'ny maro." BSB BSB: I will deliver the Egyptians into the hands of a harsh master, and a fierce king will rule over them,” declares the Lord GOD of Hosts.
5 ULB Ho ritra ny ranon'ny ranomasina, ary ho ritra ny ony ka ho foana. BSB BSB: The waters of the Nile will dry up, and the riverbed will be parched and empty.
6 ULB Ho tonga maloto ireo renirano; hihena ny riak'i Egypta ka ho ritra; ny volotara sy ny zozoro halazo. BSB BSB: The canals will stink; the streams of Egypt will trickle and dry up; the reeds and rushes will wither.
7 ULB Ireo volotara amoron'i Neily, amoron'ny vavan'i Neily, sy ireo tanim-bolin'i Neily rehetra dia ho kina, hanjary vovoka, ka ho voatsoka. BSB BSB: The bulrushes by the Nile, by the mouth of the river, and all the fields sown along the Nile, will wither, blow away, and be no more.
8 ULB Hidradradradra sy hisaona ireo mpanjono, ary izay rehetra manipy ny fintany ao amin'i Neily hisaona, ary izay mamelatra ny haratony ao amin'ny rano halahelo. BSB BSB: Then the fishermen will mourn, all who cast a hook into the Nile will lament, and those who spread nets on the waters will pine away.
9 ULB Ireo mpiasa amin'ny bangon-drongony sy izay manenona lamba hiova ho hatsatra. BSB BSB: The workers in flax will be dismayed, and the weavers of fine linen will turn pale.
10 ULB Ho voatorotoro ireo mpanao lamban'i Egypta; ireo rehetra miasa amin'ny fikaramana halahelo anaty. BSB BSB: The workers in cloth will be dejected, and all the hired workers will be sick at heart.
11 ULB Adala tanteraka ireo andrian'i Zoana. Ny torohevitr'ireo mpanolotsaina hendry indrindran'i Farao miova ho tsy misy dikany. Ahoana no hitenenanao amin'i Farao hoe: "Izaho no zanaka lahin'ireo olon-kendry, zanaka mpanjaka fahiny?" BSB BSB: The princes of Zoan are mere fools; Pharaoh’s wise counselors give senseless advice. How can you say to Pharaoh, “I am one of the wise, a son of eastern kings”?
12 ULB Koa aiza ary izay olon-kendrinao eo? Aoka izy ireo hilaza aminao ka hampahafantatra izay kasain'i Yaveh Tompon'ny maro mahakasika an'i Egypta. BSB BSB: Where are your wise men now? Let them tell you and reveal what the LORD of Hosts has planned against Egypt.
13 ULB Efa adala ny andrian'i Zoana, voafitaka ireo andrian'i Memfisa; efa nanao an'i Egypta handeha amin'ny lalan-diso izy ireo, izay fehizoron'ireo fokony. BSB BSB: The princes of Zoan have become fools; the princes of Memphis are deceived. The cornerstones of her tribes have led Egypt astray.
14 ULB Yaveh efa nampifangaro fanahin'ny fifandroritana teo anivony, ary izy ireo efa nitarika an'i Egypta tamin'ny lalan-tsy izy amin'izay ataony rehetra, tahaka ny mamo mivembena amin'ny naloany. BSB BSB: The LORD has poured into her a spirit of confusion. Egypt has been led astray in all she does, as a drunkard staggers through his own vomit.
15 ULB Tsy misy na inona na inona azon'ny olona atao intsony ho an'i Egypta, na ny loha na ny rambo, na ny rantsan-drofia na ny volotara. BSB BSB: There is nothing Egypt can do—head or tail, palm or reed.
16 ULB Amin'izany andro izany, ireo Egyptiana ho tahakan'ny vehivavy. Hihorohoro sy hatahotra izy ireo noho ny fisandratry ny tanan'i Yaveh Tompon'ny maro izay atsangany eo amin'izy ireo. BSB BSB: In that day the Egyptians will be like women. They will tremble with fear beneath the uplifted hand of the LORD of Hosts, when He brandishes it against them.
17 ULB Ho tonga anton'ny fivemben'i Egypta ny tanin'ny Joda. Na rahoviana na rahoviana misy olona hampahatsiahy azy ireo Azy, dia hatahotra izy ireo, noho ny fikasan'i Yaveh, izay rafetiny hanohitra azy ireo. BSB BSB: The land of Judah will bring terror to Egypt; whenever Judah is mentioned, Egypt will tremble over what the LORD of Hosts has planned against it.
18 ULB Amin'izany andro izany dia hisy tanàna dimy ao amin'ny tany Egypta izay hiteny ny fitenin'i Kanàna ary hianiana fankatoavana amin'i Yaveh Tompon'ny maro. Iray amin'ireo tanàna ireo ho antsoina hoe Ilay Tanànan'ny Masoandro. BSB BSB: In that day five cities in the land of Egypt will speak the language of Canaan and swear allegiance to the LORD of Hosts. One of them will be called the City of the Sun.
19 ULB Amin'izany andro izany dia hisy alitara ho an'i Yaveh eo afovoan'ny tany Egypta, ary tsangam-bato ho an'i Yaveh eo amin'ny sisiny. BSB BSB: In that day there will be an altar to the LORD in the center of the land of Egypt, and a pillar to the LORD near her border.
20 ULB Izany dia ho famantarana sy vavolombelona ho an'i Yaveh Tompon'ny maro ao amin'ny tany Egypta. Rehefa mitomany an'i Yaveh noho ireo mpampahory izy ireo, dia handefa mpanavotra sy mpiaro ho azy ireo Izy, ary hanafaka azy ireo. BSB BSB: It will be a sign and a witness to the LORD of Hosts in the land of Egypt. When they cry out to the LORD because of their oppressors, He will send them a savior and defender to rescue them.
21 ULB Ho tonga fantatr'i Egypta i Yaveh, ary hahalala an'i Yaveh ireo Egyptiana amin'izany andro izany. Hanompo amin'ny sorona sy fanatitra izy ireo, ary hanao voady amin'i Yaveh izy ireo ka hanatanteraka ireo. BSB BSB: The LORD will make Himself known to Egypt, and on that day Egypt will acknowledge the LORD. They will worship with sacrifices and offerings; they will make vows to the LORD and fulfill them.
22 ULB Hampahory an'i Egypta i Yaveh, mampahory ary manasitrana. Hiverina amin'i Yaveh izy ireo; hihaino ny vavak'izy ireo Izy ka hanasitrana azy ireo. BSB BSB: And the LORD will strike Egypt with a plague; He will strike them but heal them. They will turn to the LORD, and He will hear their prayers and heal them.
23 ULB Amin'izany andro izany dia hisy lalam-be hantrany Egypta ka hatrany Asyria, ka ho tonga any Egypta ny Asyriana, ary ny Egyptiana any Asyria; ary hanompo miaraka amin'ireo Asyriana ireo Egyptiana. BSB BSB: In that day there will be a highway from Egypt to Assyria. The Assyrians will go to Egypt, and the Egyptians to Assyria. The Egyptians and Assyrians will worship together.
24 ULB Amin'izany andro izany, Israely no ho fahatelo amin'i Egypta sy Asyria, fitahiana iray eo afovoan'ny tany; BSB BSB: In that day Israel will join a three-party alliance with Egypt and Assyria—a blessing upon the earth.
25 ULB hitahy azy ireo Yaveh Tompon'ny maro ka hiteny hoe: "Hotahiana anie Egypta, vahoakako; i Asyria, asan'ny tanako; ary Israely, lovako." BSB BSB: The LORD of Hosts will bless them, saying, “Blessed be Egypt My people, Assyria My handiwork, and Israel My inheritance.”
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.