1 ULB Fanambarana momban'ny tany efitra amoron-dranomasina. Tahaka ny tadio mamakivaky an'i Negeva no hiavian'izany mandalo avy any an'efitra, avy any amin'ny tany loza. BSB BSB: This is the burden against the Desert by the Sea: Like whirlwinds sweeping through the Negev, an invader comes from the desert, from a land of terror.
2 ULB Fahitana mahatsiravina no nomena ahy: ilay lehilahy mpamitaka dia namitaka, ary ny mpandrava dia nandrava. Miakara ary tafio, ry Elama; ataovy fahirano, ry Mediana; hampitsahatra ny tarainany rehetra Aho. BSB BSB: A dire vision is declared to me: “The traitor still betrays, and the destroyer still destroys. Go up, O Elam! Lay siege, O Media! I will put an end to all her groaning.”
3 ULB Noho izany dia feno fanaintainana ny valahako; fanaintainana tahaka ny fanaintainan'ny vehivavy miteraka no namatotra ahy; niankohoka noho ilay zavatra reko aho; nikorontana tamin'ny zavatra hitako aho. BSB BSB: Therefore my body is filled with anguish. Pain grips me, like the pains of a woman in labor. I am bewildered to hear, I am dismayed to see.
4 ULB Torotoro ny foko, mangovitry ny tahotra aho. Ny hariva, fotoana ankafiziko anatin'ny andro, dia nitondra horohoro ho ahy. BSB BSB: My heart falters; fear makes me tremble. The twilight I desired has turned to horror.
5 ULB Nanomana ny latabatra izy ireo, novelarin'izy ireo ny lamba firakotra ka nihinana sy nisotro; mitsangàna, ry andriandahy, osory diloilo ny ampinganareo. BSB BSB: They prepare a table, they lay out a carpet, they eat, they drink! Rise up, O princes, oil the shields!
6 ULB Fa izao no nolazain'ny Tompo tamiko hoe: "Mandehana, mametraha lehilahy mpiambina iray; tsy maintsy mitatitra izay hitany izy. BSB BSB: For this is what the Lord says to me: “Go, post a lookout and have him report what he sees.
7 ULB Rehefa mahita kalesy, mpitaingi-tsoavaly roa, mpitaingina boriky, ary mpitaingina kamela izy, dia tokony handinika sy ho mailomailo." BSB BSB: When he sees chariots with teams of horsemen, riders on donkeys, riders on camels, he must be alert, fully alert.”
8 ULB Nitaraina ilay lehilahy mpiambina hoe: "Ry Tompo, teo amin'ny tilikambo fihambenana aho dia nijoro nandritry ny iray andro tontolo, isan'andro, ary teo amin'ny toeram-pitiliko no nijoroko nandritry ny alina manontolo." BSB BSB: Then the lookout shouted: “Day after day, my lord, I stand on the watchtower; night after night I stay at my post.
9 ULB Indro tamy ny kalesy iray miaraka amin'ny lehilahy iray sy mpitaingin-tsovaly roa. Niantso mafy izy nanao hoe: "Efa rava Babylona, rava, ary ireo sary vongan'ny andriamaniny rehetra dia potika amin'ny tany." BSB BSB: Look, here come the riders, horsemen in pairs.” And one answered, saying: “Fallen, fallen is Babylon! All the images of her gods lie shattered on the ground!”
10 ULB Ry novelesina sy nosivaniko, zanaky ny trano fitotom-bariko! Izay reko tamin'i Yaveh tompon'ny maro, ilay Andriamanitr'Israely, efa nambarako taminareo. BSB BSB: O my people, crushed on the threshing floor, I tell you what I have heard from the LORD of Hosts, the God of Israel.
11 ULB Fanambarana momban'i Edoma. Nisy iray niantso ahy avy any Seira hoe: "Ry mpiambina, rahoviana no hifarana ny alina? Ry mpiambina, rahoviana no hifarana ny alina? BSB BSB: This is the burden against Dumah: One calls to me from Seir, “Watchman, what is left of the night? Watchman, what is left of the night?”
12 ULB Hoy ilay mpiambina hoe: "Ho avy ny maraina ary ny alina ihany koa. Raha maniry ny anontany ianao, dia manontania; ary miverena indray." BSB BSB: The watchman replies, “Morning has come, but also the night. If you would inquire, then inquire. Come back yet again.”
13 ULB Fanambarana momban'i Arabia. Any amin'ny tany efitr'i Arabia no andanianareo ny alina, ry andian-Dedanita. BSB BSB: This is the burden against Arabia: In the thickets of Arabia you must lodge, O caravans of Dedanites.
14 ULB Mitondrà rano ho an'ny mangetaheta; ry mponina ao amin'ny tanin'i Tema, tsenao amin'ny mofo ireo mpitsoaha-ponenana. BSB BSB: Bring water for the thirsty, O dwellers of Tema; meet the refugees with food.
15 ULB Fa izy ireo dia nandositra ny sabatra, tamin'ny sabatra voarendrika, tamin'ny tsipika voahenjana, ary tamin'ny vesatry ny ady. BSB BSB: For they flee from the sword—the sword that is drawn—from the bow that is bent, and from the stress of battle.
16 ULB Fa izao no nolazain'ny Tompo tamiko hoe: "Ao anatin'ny taona iray, tahaka ny hitan'ny mpiasa tany nokaramaina mandritry ny taona, dia hifarana ny voninahitr'i Kedara rehetra. BSB BSB: For this is what the Lord says to me: “Within one year, as a hired worker would count it, all the glory of Kedar will be gone.
17 ULB Mpandefa tsipíka, lehilahy mpiadin'i Kedara vitsy sisa no ho tavela," satria Yaveh, ilay Andriamanitr'Israely, no efa niteny. BSB BSB: The remaining archers, the warriors of Kedar, will be few.” For the LORD, the God of Israel, has spoken.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.