1 ULB Fanambarana mahakasika ny Lohasahan'ny Fahitana: Inona no antony nandehananareo rehetra ho any amin'ireo tampon-trano? BSB BSB: This is the burden against the Valley of Vision: What ails you now, that you have all gone up to the rooftops,
2 ULB Ny mba hahenonareo ny tanàna feno tabataba ve, tanàna izay feno firavoravoana? Ny maty eo aminao dia tsy matin'ny sabatra, ary tsy maty tamin'ny ady izy ireo. BSB BSB: O city of commotion, O town of revelry? Your slain did not die by the sword, nor were they killed in battle.
3 ULB Ireo mpanapaka anao rehetra niara-nitsoaka, fa voababo tsy nampiasana zana-tsipika izy ireo; izy rehetra dia voababo niaraka, na dia nandositra lavitra aza izy ireo. BSB BSB: All your rulers have fled together, captured without a bow. All your fugitives were captured together, having fled to a distant place.
4 ULB Noho izany dia hoy aho hoe: "Aza mijery ahy, fa hitomany mafy dia mafy aho; aza miezaka hampionona ahy mahakasika ny faharavan'ny zanaka vavin'ny oloko." BSB BSB: Therefore I said, “Turn away from me, let me weep bitterly! Do not try to console me over the destruction of the daughter of my people.”
5 ULB Fa misy ny andron'ny tabataba, fanosihosena, ary fifanjevoana ho an'ny Tompo Yaveh Tompon'ny maro, ao amin'ny Lohasahan'ny Fahitana, faharavan'ireo mandà, ary ny olona miantsoantso mafy any amin'ireo tendrombohitra. BSB BSB: For the Lord GOD of Hosts has set a day of tumult and trampling and confusion in the Valley of Vision—of breaking down the walls and crying to the mountains.
6 ULB Elama naka ny tranon-jana-tsìpaka, niaraka tamin'ny kalesin'ireo lehilahy sy ireo mpitaingin-tsoavaly ary Kira nanala ny fonon'ny ampinga. BSB BSB: Elam takes up a quiver, with chariots and horsemen, and Kir uncovers the shield.
7 ULB Fa ireo lohasaha izay nofidinao indrindra dia ho feno kalesy, ary ireo mpitaingin-tsoavaly dia haka ny toerany eo am-bavahady. BSB BSB: Your choicest valleys are full of chariots, and horsemen are posted at the gates.
8 ULB Nanala ny fiarovan'i Joda Izy; ary tamin'izany andro izany ianao dia nijery ireo fitaovam-piadina eo amin'ny Lapan'ny Ala. BSB BSB: He has uncovered the defenses of Judah. On that day you looked to the weapons in the House of the Forest.
9 ULB Nahita ny bangan'ny tanànan'i Davida ianareo, fa maro ireo, ary nanangona ny ranon'ny dobo ambany ianareo. BSB BSB: You saw that there were many breaches in the walls of the City of David. You collected water from the lower pool.
11 ULB Namboatra fitahirizana teo anelanelan'ireo mànda roa ianareo ho an'ny ranon'ny dobo tranainy. Fa tsy mba nihevitra ny mpamorona ny tanàna ianareo, izay nanomana izany hatry ny ela. BSB BSB: You built a reservoir between the walls for the waters of the ancient pool, but you did not look to the One who made it, or consider Him who planned it long ago.
12 ULB Tamin'izany andro izany ny Tompo Yaveh Tompon'ny maro niantso fitomaniana, fisaonana, fiaratan-doha, ary fanaovana akanjo fisaonana. BSB BSB: On that day the Lord GOD of Hosts called for weeping and wailing, for shaven heads and the wearing of sackcloth.
13 ULB Fa indro, kosa, ny fankalazana sy ny fifaliana, ny famonoan'omby sy ny famonoan'ondry, fihinan-kena sy fisotroan-divay; aoka isika hisotro sy hihinana, fa ho faty isika rahampitso. BSB BSB: But look, there is joy and gladness, butchering of cattle and slaughtering of sheep, eating of meat and drinking of wine: “Let us eat and drink, for tomorrow we die!”
14 ULB Izao no nambaran'i Yaveh Tompon'ny maro teo an-tsofiko: "Eny tokoa fa tsy havela izany helokareo izany, eny fa na dia ho faty aza ianareo," hoy ny Tompo Yaveh Tompon'ny maro. BSB BSB: The LORD of Hosts has revealed in my hearing: “Until your dying day, this sin of yours will never be atoned for,” says the Lord GOD of Hosts.
16 ULB 'Inona no ataonao eto ary iza no nanome alalana anao handavaka fasana ho an'ny tenanao, hanamboatra fasana eny ambony sy handavaka toerana fialana sasatra eny amin'ny vatolampy?'" BSB BSB: What are you doing here, and who authorized you to carve out a tomb for yourself here—to chisel your tomb in the height and cut your resting place in the rock?
17 ULB Indro, Yaveh efa hanipy anao, ry lehilahy mahery, hanipy anao ho ambany; hanitsakitsaka anao mafy tokoa Izy. BSB BSB: Look, O mighty man! The LORD is about to shake you violently. He will take hold of you,
18 ULB Hanakodiadia anao tokoa Izy, ary hampisamboaravoara anao ho toy ny baolina makany amin'ny tany malalaka. Any no hahafatesanao, ary ho any koa ireo kalesin'ny voninahitrao; ho tonga henatra ho an'ny tompon'ny tranonao ianao! BSB BSB: roll you into a ball, and sling you into a wide land. There you will die, and there your glorious chariots will remain—a disgrace to the house of your master.
19 ULB "Ho roahiko hiala eo amin'ny raharahanao sy ny toeranao ianao. Haongana ianao. BSB BSB: I will remove you from office, and you will be ousted from your position.
20 ULB Amin'izany andro izany Aho dia hiantso an'i Eliakima mpanompoko zanaka lahin'i Hilkia. BSB BSB: On that day I will summon My servant, Eliakim son of Hilkiah.
21 ULB Hampiakanjoako amin'ny akanjo lavanao izy ary hasiako ny fehin-kibonao, ary hafindrako ho eo an-tanany ny fahefanao. Ho rain'ny mponin'ny Jerosalema sy ny ankohonan'ny Joda izy. BSB BSB: I will clothe him with your robe and tie your sash around him. I will put your authority in his hand, and he will be a father to the dwellers of Jerusalem and to the house of Judah.
22 ULB Hapetrako eo an-tsadriny ny fanalahidin'ny ankohonan'ny Davida; hamoha izy, ary tsy hisy hanidy; hanidy izy, ary tsy hisy hamoha. BSB BSB: I will place on his shoulder the key to the house of David. What he opens no one can shut, and what he shuts no one can open.
23 ULB Hampitoeriko izy, toy ny fihantonan-javatra amin'ny toerana azo antoka, ary ho tonga toeram-boninahitra ho an'ny ankohonan-drainy izy. BSB BSB: I will drive him like a peg into a firm place, and he will be a throne of glory for the house of his father.
24 ULB Hahanton'izy ireo aminy ny voninahitry ny ankohonan-drainy rehetra, ny zanany sy ireo taranany, ny fanaka bitika rehetra avy amin'ireo kapoaka hatramin'ny tavoara rehetra. BSB BSB: So they will hang on him all the glory of his father’s house: the descendants and the offshoots—all the lesser vessels, from bowls to every kind of jar.
25 ULB Amin'izany andro izany_ izao no fanambaran'i Yaveh Tompon'ny maro_ ho esorina ilay fihantonan-javatra amin'ny toerana mafy orina, ho potehina ary ho lavo, ary ny lanja amin'izany dia ho tapahina_ fa Yaveh no niteny. BSB BSB: In that day, declares the LORD of Hosts, the peg driven into a firm place will give way; it will be sheared off and fall, and the load upon it will be cut down.” Indeed, the LORD has spoken.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.