1 ULB Indro, hanafoana ny tany Yaveh, handrava izany, hahalao azy ary hampiely ireo mponiny. BSB BSB: Behold, the LORD lays waste the earth and leaves it in ruins. He will twist its surface and scatter its inhabitants—
2 ULB Ho tahaka izany no ho an'ireo mponina, ny mpisorona; ny mpanompo, ny tompony, mpiasa an-trano; ny tompovaviny, ny mpividy, ny mpivarotra; ny mpanome trosa, ny mpitrosa; ny mpandray tombontsoa, ary ny mpanome tombontsoa. BSB BSB: people and priest alike, servant and master, maid and mistress, buyer and seller, lender and borrower, creditor and debtor.
3 ULB Ho rava tanteraka ny tany ary ho foanana tanteraka; satria Yaveh no efa niteny izany teny izany. BSB BSB: The earth will be utterly laid waste and thoroughly plundered. For the LORD has spoken this word.
4 ULB Maina sy malazo ny tany, milofika sy malazo izao tontolo izao, mihaosa ny olona malazan'ny tany. BSB BSB: The earth mourns and withers; the world languishes and fades; the exalted of the earth waste away.
5 ULB Maloto amin'ny alalan'ireo mponiny ny tany satria efa nandika lalàna, nanota ny didy, ary nivadika tamin'ny fanekena maharitra mandrakizay izy ireo. BSB BSB: The earth is defiled by its people; they have transgressed the laws; they have overstepped the decrees and broken the everlasting covenant.
6 ULB Noho izany dia mandevona ny tany ny ozona, ary meloka ireo mponiny. May ireo mponin'ny tany, ary vitsy sisa no tavela. BSB BSB: Therefore a curse has consumed the earth, and its inhabitants must bear the guilt; the earth’s dwellers have been burned, and only a few survive.
7 ULB Maina ireo divay vaovao, malazo ny voaloboka, misento avokoa ireo faly am-po. BSB BSB: The new wine dries up, the vine withers. All the merrymakers now groan.
8 ULB Mitsahatra ny feo mandrotsirotsin'ny ampongatapaka, sy ny fitabataban'ireo mifaly; mitsahatra ny fifaliana amin-dokanga. BSB BSB: The joyful tambourines have ceased; the noise of revelers has stopped; the joyful harp is silent.
9 ULB Tsy misotro divay na mihira intsony izy ireo, ary ny toaka dia mangidy ho an'ireo izay misotro izany. BSB BSB: They no longer sing and drink wine; strong drink is bitter to those who consume it.
10 ULB Rava ny tanànan'ny fikorontanana; mihidy sy foana avokoa ireo trano rehetra. BSB BSB: The city of chaos is shattered; every house is closed to entry.
11 ULB Misy tabataba noho'ny divay eny an-dalambe; maizina ny haravoana, nanjavona ny fifaliana. BSB BSB: In the streets they cry out for wine. All joy turns to gloom; rejoicing is exiled from the land.
12 ULB Faharavana sisa no eo amin'ny tanàna, ary ny vavahady dia potika. BSB BSB: The city is left in ruins; its gate is reduced to rubble.
13 ULB Fa toy izany no ho amin'ny tany rehetra eo amin'ny firenena, tahaka ny hazo oliva voakapoka, tahaka ny fitsimponam-boaloboka rehefa vita ny fiotazana. BSB BSB: So will it be on the earth and among the nations, like a harvested olive tree, like a gleaning after a grape harvest.
14 ULB Hanandratra ny feony sy hiantso ny voninahitr'Andriamanitra, ary hihiaka am-pifaliana avy amin'ny ranomasina izy ireo. BSB BSB: They raise their voices, they shout for joy; from the west they proclaim the majesty of the LORD.
15 ULB Noho izany dia mankalazà an'i Yaveh any atsinanana, manomeza voninahitra ny anaran'i Yaveh, ilay Andriamanitr'Israely ao amin'ireo nosy. BSB BSB: Therefore glorify the LORD in the east. Extol the name of the LORD, the God of Israel in the islands of the sea.
16 ULB Hatrany am-paran'ny tany no nandrenesanay hira hoe: "Voninahitra anie ho an'ilay marina!" Fa hoy aho hoe: "Efa nihaosa aho, efa nihaosa aho, indrisy! Ny mpamitaka dia nitondra am-pitaka; eny, ny mpamitaka dia tena nitondra am-pitaka tokoa." BSB BSB: From the ends of the earth we hear singing: “Glory to the Righteous One.” But I said, “I am wasting away! I am wasting away! Woe is me.” The treacherous betray; the treacherous deal in treachery.
17 ULB Aminareo ny tahotra, ny lavaka, ary ny fandrika, ry mponin'ny tany. BSB BSB: Terror and pit and snare await you, O dweller of the earth.
18 ULB Izy izay mandositra ny feon'ny fampihorohoroana dia ho latsaka ao an-davaka, ary izy izay miakatra avy ao an-davaka dia ho azon'ny fandrika. Hisokatra ny varavaran'ny lanitra, ary ireo fanorenan'ny tany dia hiozongozona. BSB BSB: Whoever flees the sound of panic will fall into the pit, and whoever climbs from the pit will be caught in the snare. For the windows of heaven are open, and the foundations of the earth are shaken.
19 ULB Ho rava tanteraka ny tany, hitresaka ny tany; hiozongozona mafy ny tany. BSB BSB: The earth is utterly broken apart, the earth is split open, the earth is shaken violently.
20 ULB Hivembena tahaka ny olona mamo ny tany ary hitsingevaeva tahaka ny trano bongo izany. Hivesatra amin'izany ny fahotany ary hianjera izany ka tsy hiarina intsony. BSB BSB: The earth staggers like a drunkard and sways like a shack. Earth’s rebellion weighs it down, and it falls, never to rise again.
21 ULB Ary amin'izany andro izany dia hanasazy ny miaramilan'ilay avo any ambony, sy ireo mpanjakan'ny tany ety an-tany i Yaveh. BSB BSB: In that day the LORD will punish the host of heaven above and the kings of the earth below.
22 ULB Hatambatra izy ireo, gadra ao an-davaka, ary hangina ao am-ponja; ary afaka andro maromaro dia ho voasazy izy ireo. BSB BSB: They will be gathered together like prisoners in a pit. They will be confined to a dungeon and punished after many days.
23 ULB Ary dia ho menatra ny volana, ary ho afa-baraka ny masoandro, satria hanjaka amim-boninahitra ao an-tendrombohitr'i Ziona sy ao Jerosalema, ary manoloana ireo zokiolony i Yaveh tompon'ny maro. BSB BSB: The moon will be confounded and the sun will be ashamed; for the LORD of Hosts will reign on Mount Zion and in Jerusalem, and before His elders with great glory.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.