1 ULB Lozan'ny satro-boninahitra voninkazo izay reharehan'ireo mpimamo ao Efraima, sy ny voninkazo malazon'ny hatsaràny be voninahitra, ilay satro-boninahitra izay apetraka eo an-dohan'ny lohasaha maitso mavan'ireo izay resin'ny divay! BSB BSB: Woe to the majestic crown of Ephraim’s drunkards, to the fading flower of his glorious splendor, set on the summit above the fertile valley, the pride of those overcome by wine.
2 ULB Indro, ny Tompo dia mandefa izay lehibe sy matanjaka; toy ny tafio-drivotr'avandra sy tafio-drivotra mandrava, toy ny orana mitarika sy rano manafotra; ary hanipy ny satro-boninahitra voninkazo tsirairay ho amin'ny tany Izy. BSB BSB: Behold, the Lord has one who is strong and mighty. Like a hailstorm or destructive tempest, like a driving rain or flooding downpour, he will smash that crown to the ground.
3 ULB Ho hitsakitsahina ambany tongotra ny voninkazo reharehan'ireo mpimamon'i Efraima. BSB BSB: The majestic crown of Ephraim’s drunkards will be trampled underfoot.
4 ULB Ny voninkazo malazon'ny hatsarany be voninahitra, izay eo an-dohan'ilay lohasaha lonaka, dia ho toy ny aviavy mialin-taona alohan'ny fahavaratra, izay, rehefa hitan'ny olona izany, raha eo an-tanany izany, dia arapany. BSB BSB: The fading flower of his beautiful splendor, set on the summit above the fertile valley, will be like a ripe fig before the summer harvest: Whoever sees it will take it in his hand and swallow it.
5 ULB Amin'izany andro izany Yaveh tompon'ny maro dia ho lasa satro-boninahitra tsara tarehy sy diademan'ny hatsaràna ho an'ireo sisa tavela amin'ny vahoakany, BSB BSB: On that day the LORD of Hosts will be a crown of glory, a diadem of splendor to the remnant of His people,
6 ULB fanahin'ny rariny ho azy izay mipetraka amin'ny fitsàrana, ary hery ho an'ireo izay mampiverina ireo fahavalony eo am-bavahadin'izy ireo. BSB BSB: a spirit of justice to him who sits in judgment, and a strength to those who repel the onslaught at the gate.
7 ULB Fa na dia ireo aza dia midoladola amin'ny divay, ary mivembena amin'ny zava-pisotro mahery. Ny mpisorona sy ny mpaminany dia adoladolan'ny zava-pisotro mahery, ary atelin'ny divay izy ireo. Mivembena amin'ny zava-pisotro mahery izy ireo, mivembena amin'ny fahitana ary midoladola amin'ny fanapahan- kevitra. BSB BSB: These also stagger from wine and stumble from strong drink: Priests and prophets reel from strong drink and are befuddled by wine. They stumble because of strong drink, muddled in their visions and stumbling in their judgments.
8 ULB Rakotra loa tokoa ny latabatra rehetra, koa tsy misy toerana madio. BSB BSB: For all their tables are covered with vomit; there is not a place without filth.
9 ULB Amin'iza no ho hampianarany fahalalana, ary amin'iza no hanazavany ilay hafatra? Amin'ireo izay vao nisara-nono ve? BSB BSB: Whom is He trying to teach? To whom is He explaining His message? To infants just weaned from milk? To babies removed from the breast?
10 ULB Fa baiko manampy baiko, baiko manampy baiko izany; fitsipika manampy fitsipika; fitsipika manampy fitsipika; kely eto, kely ery. BSB BSB: For they hear: “Order on order, order on order, line on line, line on line; a little here, a little there.”
11 ULB Miaraka amin'ny molotra maniratsira sy fiteny vahiny tokoa no hiresahany amin'ity vahoaka ity. BSB BSB: Indeed, with mocking lips and foreign tongues, He will speak to this people
12 ULB Taloha Izy dia niteny tamin'izy ireo hoe: "Ity no fitsaharana, omeo fitsaharana izay reraka; ary ity no famelombelomana," fa tsy nihaino izy ireo. BSB BSB: to whom He has said: “This is the place of rest, let the weary rest; this is the place of repose.” But they would not listen.
13 ULB Koa ho baiko manampy baiko, baiko manampy baiko; fitsipika manampy fitsipika, fitsipika manampy fitsipika; kely eto, kely ery amin'izy ireo ny tenin'i Yaveh; mba handeha izy ireo ary hianjera, ary ho simba, voafandrika, ary voasambotra. BSB BSB: Then the word of the LORD to them will become: “Order on order, order on order, line on line, line on line; a little here, a little there,” so that they will go stumbling backward and will be injured, ensnared, and captured.
14 ULB Koa henoy ny tenin'i Yaveh, ianareo izay maniratsira, ianareo izay manapaka amin'ity vahoaka izay ao Jerosalema ity. BSB BSB: Therefore hear the word of the LORD, O scoffers who rule this people in Jerusalem.
15 ULB Hitranga izany satria niteny ianareo hoe: "Nanao fanekena tamin'ny fahafatesana izahay, ary nanao fifanarahana tamin'ny Fiainan-tsy hita. Koa raha mandalo eo ny karavasy manafotra, dia tsy hahazo antsika izany. Satria isika nanao ny lainga ho arontsika, ary ny fitaka ho fiherentsika." BSB BSB: For you said, “We have made a covenant with death; we have fashioned an agreement with Sheol. When the overwhelming scourge passes through it will not touch us, because we have made lies our refuge and falsehood our hiding place.”
16 ULB Noho izany Tompo Yaveh dia milaza izao: "Indro: Hanorina fototra ao Ziona Aho, vato voasedra, vato fehizoro sarobidy, fototra azo antoka. Izay mino dia tsy ho menatra. BSB BSB: So this is what the Lord GOD says: “See, I lay a stone in Zion, a tested stone, a precious cornerstone, a sure foundation; the one who believes will never be shaken.
17 ULB Hataoko fitsipika ny fitsaràna, ary pilao ny fahamarinana. Hamafa ny fialofan'ireo lainga ny havandra, ary hanafotra ny toerana miafina ireo tondra- drano. BSB BSB: I will make justice the measuring line and righteousness the level. Hail will sweep away your refuge of lies, and water will flood your hiding place.
18 ULB Ho levona ny fanekenareo tamin'ny fahafatesana, ary tsy hijoro ny fifanarahanareo tamin'ny Fiainan-tsy hita. Rehefa mandalo ny tondra-drano misamboaravoara, dia ho difotr'izany ianareo. BSB BSB: Your covenant with death will be dissolved, and your agreement with Sheol will not stand. When the overwhelming scourge passes through, you will be trampled by it.
19 ULB Na oviana na oviana handalovan'izany, dia handifotra anareo izany, ary isa-maraina dia handalo izany ary ho avy andro aman'alina izany. Rehefa azo ilay hafatra, dia hampihorohoro izany. BSB BSB: As often as it passes through, it will carry you away; it will sweep through morning after morning, by day and by night.” The understanding of this message will bring sheer terror.
20 ULB Fa foy loatra ny fandriana raha hitsoranan'ny olona, ary kely loatra ho azy ny firakofana raha handrakofana ny tenany." BSB BSB: Indeed, the bed is too short to stretch out on, and the blanket too small to wrap around you.
21 ULB Hitsangana toy ny Tendrombohitra Perazima i Yaveh; hanaitra ny tenany toy ny tany amin'ny Lohasahan'i Gibeona Izy mba hanao ny asany, ny asany tsy mahazatra. BSB BSB: For the LORD will rise up as at Mount Perazim. He will rouse Himself as in the Valley of Gibeon, to do His work, His strange work, and to perform His task, His disturbing task.
22 ULB Noho izany ary dia aza maniratsira, raha tsy izany dia ho henjanina ny fatotrareo. Efa nandre lalàna famotehana eto an-tany tamin'i Tompo Yaveh tompon'ny maro aho. BSB BSB: So now, do not mock, or your shackles will become heavier. Indeed, I have heard from the Lord GOD of Hosts a decree of destruction against the whole land.
23 ULB Mifantoha ka henoy ny feoko; mihainoa tsara ary henoy ny teniko. BSB BSB: Listen and hear my voice. Pay attention and hear what I say.
24 ULB Moa ve miasa tany fotsiny ny mpamboly izay miasa tany tontolo andro mba hamafy? Mitombon-doha mandrakariva sy mandravona bainga ny saha ve izy? BSB BSB: Does the plowman plow for planting every day? Does he continuously loosen and harrow the soil?
25 ULB Rehefa avy nanomana ilay tany izy, moa ve tsy manaparitaka ny voan'ny nigela, mamafy ny komina, mametraka ny vary tritika mitandahatra ary ny vary hordea amin'ny toerana voafaritra, ary ny ampemby eny amin'ny sisiny izy? BSB BSB: When he has leveled its surface, does he not sow caraway and scatter cumin? He plants wheat in rows and barley in plots, and rye within its border.
26 ULB Mampianatra azy ny Andriamaniny; mampianatra azy am-pahendrena Izy. BSB BSB: For his God instructs and teaches him properly.
27 ULB Fanampin'izany, tsy velesina amin'ny vy ny nigela, na akodiadia amin'ny komina ny kodian'ny sarety; fa velesina amin'ny fantàka ny nigela, ary amin'ny hazo ny komina. BSB BSB: Surely caraway is not threshed with a sledge, and the wheel of a cart is not rolled over the cumin. But caraway is beaten out with a stick, and cumin with a rod.
28 ULB Kosohana atao mofo ny vary nefa tsy manify loatra, ary na dia manaparitaka izany aza ireo kodian'ny kalesiny sy ireo soavaliny, dia tsy manitsaka izany ireo soavaliny. BSB BSB: Grain for bread must be ground, but it is not endlessly threshed. Though the wheels of the cart roll over it, the horses do not crush it.
29 ULB Ireo koa dia avy amin'i Yaveh tompon'ny maro, izay mahafinaritra amin'ny fampianarana ary tsara dia tsara amin'ny fahendrena. BSB BSB: This also comes from the LORD of Hosts, who is wonderful in counsel and excellent in wisdom.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.