1 ULB Lozan'i Ariela, Ariela, ilay tanàna nitobian'i Davida! Ampio taona ny taona; aoka hitsingeringerina ny andro firavoravoana. BSB BSB: Woe to you, O Ariel, the city of Ariel where David camped! Year upon year let your festivals recur.
2 ULB Fa hanao fahirano an'i Ariela Aho, ka hisaona sy hitomany izy; ary ho tahaka an'i Ariela izy Amiko. BSB BSB: And I will constrain Ariel, and there will be mourning and lamentation; she will be like an altar hearth before Me.
3 ULB Hitoby manodidina anao Aho sy hametraka fahirano hanemitra anao, ary hanangana manda hanohitra anao Aho. BSB BSB: I will camp in a circle around you; I will besiege you with towers and set up siege works against you.
4 ULB Haetry ianao ka hiteny eny amin'ny tany; ho ambany avy eny amin'ny vovoka ny teninao. Ho tahaka ny angatra mivoaka ao amin'ny tany ny feonao, ary ny teninao dia halefaka tokoa avy ao amin'ny vovoka. BSB BSB: You will be brought low, you will speak from the ground, and out of the dust your words will be muffled. Your voice will be like a spirit from the ground; your speech will whisper out of the dust.
5 ULB Ireo andian-jiolahy mpanafika anao dia ho tahaka ny vovoka madinika, ary maro amin'ireo izay masiaka no ho tahaka ny akofa izay levona. Hiseho tampoka izany, ao anatin'ny fotoana fohy. BSB BSB: But your many foes will be like fine dust, the multitude of the ruthless like blowing chaff. Then suddenly, in an instant,
6 ULB Ho avy ao aminao miaraka amin'ny kotrok'orana, horohoron-tany, tabatabata be, miaraka amin'ny rivo-mahery sy tafio-drivotra, ary lelan'afo mandevona i Yaveh. BSB BSB: you will be visited by the LORD of Hosts with thunder and earthquake and loud noise, with windstorm and tempest and consuming flame of fire.
7 ULB Ho tahaka ny nofy, fahitana amin'ny alina izany: Ny andian-jiolahin'ny firenena rehetra hiady hanohitra an'i Ariela sy ny fiarovana mafiny. Hanafika azy izy ireo ary ny fanamafisany hanery azy. BSB BSB: All the many nations going out to battle against Ariel—even all who war against her, laying siege and attacking her—will be like a dream, like a vision in the night,
8 ULB Ho tahaka ny lehilahy noana izay manonofy mihinana, kanefa rehefa mifoha izy dia foana ny kibony. Ho tahaka ny olona mangetaheta izay manonofy misotro, kanefa rehefa mifoha izy dia reraka, sady tsy afaka hetaheta. Eny, ho toy izany ny firenena lehibe maro izay miady hanohitra ny Tendrombohitra Ziona. BSB BSB: as when a hungry man dreams he is eating, then awakens still hungry; as when a thirsty man dreams he is drinking, then awakens faint and parched. So will it be for all the many nations who go to battle against Mount Zion.
10 ULB Fa i Yaveh efa nandraraka ny fanahin'ny torimaso lalina tao aminareo. Efa nanirina ny masonareo Izy, ry mpaminany, ary efa nanarona ny lohanareo, ry mpahita. BSB BSB: For the LORD has poured out on you a spirit of deep sleep. He has shut your eyes, O prophets; He has covered your heads, O seers.
12 ULB Raha omena ny iray izay tsy mahay mamaky ilay boky, ka hatao hoe: "Vakio ity," dia izy hanao hoe: "Tsy mahay mamaky aho." BSB BSB: Or if the scroll is handed to one unable to read, he will say, “I cannot read.”
13 ULB Ny Tompo nanao hoe: "Manatona Ahy amin'ny vavany ireo vahoaka ireo ary mankalaza ahy amin'ny molotr'izy ireo, kanefa lavitra Ahy ny fon'izy ireo. Ny fankalazan'izy ireo Ahy dia didin'ireo olona izay nampianarina ihany. BSB BSB: Therefore the Lord said: “These people draw near to Me with their mouths and honor Me with their lips, but their hearts are far from Me. Their worship of Me is but rules taught by men.
14 ULB Noho izany, indro, hivoaka hanao zava-mahagaga eo amin'ireo vahoaka ireo Aho, fahagagana arahina fahagagana. Ho foana ny fahendren'ny olon-kendrin'izy ireo, ary hanjavona ny fahazavan-tsain'ny olo-malin'izy ireo." BSB BSB: Therefore I will again confound these people with wonder upon wonder. The wisdom of the wise will vanish, and the intelligence of the intelligent will be hidden.”
15 ULB Lozan'ireo izay manafina lalina ny fikasany amin'i Yaveh, sy ireo izay miasa ao anaty haizina. Hoy izy ireo hoe: "Iza moa no mahita anay, ary iza no mahalala anay?" BSB BSB: Woe to those who dig deep to hide their plans from the LORD. In darkness they do their works and say, “Who sees us, and who will know?”
16 ULB Mampitsimbadi-javatra ianareo! Tokony heverina ho tanimanga ve ny mpanao tavy, mba hahafahan'ireo zavatra izay namboarina miteny mahakasika azy izay nanamboatra izany hoe: "Tsy nanao ahy izy," na ny zavatra novolavolaina hiteny momba ny namolavola azy hoe: "Tsy mahay izy"? BSB BSB: You have turned things upside down, as if the potter were regarded as clay. Shall what is formed say to him who formed it, “He did not make me”? Can the pottery say of the potter, “He has no understanding”?
17 ULB Vetivety monja, dia ho tonga saha i Libanona ary ny saha ho ala. BSB BSB: In a very short time, will not Lebanon become an orchard, and the orchard seem like a forest?
18 ULB Amin'izany andro izany dia handre ny tenin'ny boky ny marenina, ary ny mason'ny jamba dia hahita ao amin'ny haizim-pito. BSB BSB: On that day the deaf will hear the words of the scroll, and out of the deep darkness the eyes of the blind will see.
19 ULB Ny ory dia hiravo ao amin'i Yaveh indray, ary ny mahantra eo amin'ireo olona dia hiravo ao amin'ilay Iray Masin'ny Israely. BSB BSB: The humble will increase their joy in the LORD, and the poor among men will rejoice in the Holy One of Israel.
20 ULB Fa ireo masiaka dia hitsahatra, ary ny mpaniratsira dia hanjavona. Ireo rehetra izay tia manao ratsy dia hofoanana, BSB BSB: For the ruthless will vanish, the mockers will disappear, and all who look for evil will be cut down—
21 ULB amin'ny sabatra no hanalana ny olona amin'ny mpanao ratsy. Mametraka fandrika ho azy izay mikatsaka ny rariny eo am-bavahady sy mametraka ny marina eo amin'ny lainga foana izy ireo. BSB BSB: those who indict a man with a word, who ensnare the mediator at the gate, and who with false charges deprive the innocent of justice.
22 ULB Noho izany dia izao no lazain'i Yaveh mahakasika ny ankohonan'i Jakoba_Yaveh, izay nanavotra an'i Abrahama: "Tsy ho menatra intsony i Jakoba, na hivaloarika ny tavany. BSB BSB: Therefore the LORD who redeemed Abraham says of the house of Jacob: “No longer will Jacob be ashamed and no more will his face grow pale.
23 ULB Kanefa rehefa mahita ny zanany izy, izay asan'ny tanako, dia hanamasina ny anarako izy ireo. Hanamasina ny anaran'ilay Iray Masin'i Jakoba izy ireo ary hijoro amin-tahotra an'Andriamanitr'i Israely. BSB BSB: For when he sees his children around him, the work of My hands, they will honor My name, they will sanctify the Holy One of Jacob, and they will stand in awe of the God of Israel.
24 ULB Ireo izay mivily fanahy dia mbola hahazo fahazavan-tsaina, ary ireo mpitaraina dia hahazo fahalalana." BSB BSB: Then the wayward in spirit will come to understanding, and those who grumble will accept instruction.”
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.