1 ULB "Loza ho an'ireo ankizy mpikomy," izany no fanambaran'i Yaveh. "Manao fikasana izy ireo, fa tsy avy amiko; manao fihavanana amin'ny firenena hafa izy ireo, saingy tsy notoroan'ny Fanahiko lalana, koa dia manampy fahotana omban'ny fahotana izy ireo. BSB BSB: “Woe to the rebellious children,” declares the LORD, “to those who carry out a plan that is not Mine, who form an alliance, but against My will, heaping up sin upon sin.
2 ULB Mivonona ny hidina ho any Egypta izy ireo, saingy tsy nangataka ny toro-lalako. Mitady fiarovana avy amin'i Farao izy ireo ary mialoka ao amin'ny alok'i Egypta. BSB BSB: They set out to go down to Egypt without asking My advice, to seek shelter under Pharaoh’s protection and take refuge in Egypt’s shade.
3 ULB Noho izany dia ho fahamenaranareo ny fiarovan'i Farao, ary ny fialofana eo amin'ny alok'i Egypta, ho fahafaham-barakanareo, BSB BSB: But Pharaoh’s protection will become your shame, and the refuge of Egypt’s shade your disgrace.
4 ULB na dia any Zoana aza ny andrian'izy ireo, ary tonga tany Hanesa ireo mpitondra hafany. BSB BSB: For though their princes are at Zoan and their envoys have arrived in Hanes,
5 ULB Ho menatra avokoa izy rehetra nohon'ny amin'ny vahoaka iray izay tsy afa-manampy azy ireo, izay sady tsy fanampiana no tsy famonjena, fa fahamenarana, ary fahafaham-baraka mihitsy aza." BSB BSB: everyone will be put to shame because of a people useless to them. They bring neither help nor benefit, but only shame and disgrace.”
6 ULB Fanambarana momba ireo bibidian'i Negeva: Avy amin'ny tanin'ny fahoriana sy loza, liom-bavy sy lion-dahy, ny menarana sy ny bibilava mirehitra manidina, no hitondran'izy ireo ny hareny eo an-damosin'ny boriky, ary ny rakiny eo amin'ny vohon'ny rameva, ho any amina vahoaka izay tsy afa-manampy azy ireo. BSB BSB: This is the burden against the beasts of the Negev: Through a land of hardship and distress, of lioness and lion, of viper and flying serpent, they carry their wealth on the backs of donkeys and their treasures on the humps of camels, to a people of no profit to them.
7 ULB Fa tsy misy dikany ny fanampian'i Egypta; noho izany dia nantsoiko hoe Rahaba izy, izay mipetraka tsy mihontsina. BSB BSB: Egypt’s help is futile and empty; therefore I have called her Rahab Who Sits Still.
8 ULB Mandehana izao, soraty eo amin'ny fanatrehan'izy ireo amin'ny vato fisaka izany, ary raketo ao amina horonan-taratasy, mba ho voatahiry ho amin'ny andro ho avy ho fijoroana vavolombelona. BSB BSB: Go now, write it on a tablet in their presence and inscribe it on a scroll; it will be for the days to come, a witness forever and ever.
9 ULB Fa vahoaka mpikomy ireo, ankizy mpandainga, ankizy izay tsy mba handre ny fampianaran'i Yaveh. BSB BSB: These are rebellious people, deceitful children, children unwilling to obey the LORD’s instruction.
10 ULB Hoy izy ireo amin'ny mpahita hoe: "Aza mahita;" ary amin'ireo mpaminany hoe: "Aza maminany ny marina aminay; milazà teny mandoka aminay, maminania nofinofy. BSB BSB: They say to the seers, “Stop seeing visions!” and to the prophets, “Do not prophesy to us the truth! Speak to us pleasant words; prophesy illusions.
11 ULB Mihodìna hiala amin'ny lalana, mivilia amin'ny lalana; ataovy mitsahatra miteny eo anatrehan'ny tavanay ilay Iray Masin'Israely." BSB BSB: Get out of the way; turn off the road. Rid us of the Holy One of Israel!”
12 ULB Noho izany dia hoy ny Iray Masin'Israely hoe: "Satria mandà izao teny izao ianareo ary matoky ny fampahoriana sy fitaka ka miantehitra amin'izany, BSB BSB: Therefore this is what the Holy One of Israel says: “Because you have rejected this message, trusting in oppression and relying on deceit,
13 ULB koa izany fahotana izany dia ho tahaka ny singa vaky izay vonona ny hianjera aminao, tahaka ny triatra eo amin'ny rindrina avo izay ho tampoka ny fianjerany, ao anatin'ny fotoana fohy." BSB BSB: this iniquity of yours is like a breach about to fail, a bulge in a high wall, whose collapse will come suddenly—in an instant!
14 ULB Ho vakiany tahaka ny fahavakisan'ny lovian'ny mpanefy tanimanga izany; tsy hiaro izany Izy, ka tsy hisy potiny ho hita eo amin'ireo vakiny izay azo hanalana ny afo avy ao am-patana, na handoarana ny rano avy ao amin'ny siniben-drano. BSB BSB: It will break in pieces like a potter’s jar, shattered so that no fragment can be found. Not a shard will be found in the dust large enough to scoop the coals from a hearth or to skim the water from a cistern.”
15 ULB Fa izao no lazain'ny Tompo Yaveh, ilay Iray Masin'Israely: "Ho avotra amin'ny fiverenana sy fijanonana ianareo; amin'ny fahanginana sy fatokiana no ho herinareo. Saingy tsy nanam-piniavana ianareo. BSB BSB: For the Lord GOD, the Holy One of Israel, has said: “By repentance and rest you would be saved; your strength would lie in quiet confidence—but you were not willing.”
16 ULB Hoy ianareo hoe: 'Tsia, fa handositra amin'ny soavaly izahay,' koa dia handositra ianareo; ary, 'Hitaingina soavaly faingam-pandeha izahay,' koa dia ho faingam-pandeha ireo izay manenjika anareo. BSB BSB: “No,” you say, “we will flee on horses.” Therefore you will flee! “We will ride swift horses,” but your pursuers will be faster.
17 ULB Arivo no handositra noho ny fampitahoran'ny iray; amin'ny fampitahoran'ny dimy no handosiranareo ambara-pahatongan'ny sisa tavela aminareo ho tahaka ny tahon-jozoro eny an-tampon-tendrombohitra, na tahaka ny zozoro eny amin'ny havoana." BSB BSB: A thousand will flee at the threat of one; at the threat of five you will all flee, until you are left alone like a pole on a mountaintop, like a banner on a hill.
18 ULB Fa mbola miandry ny hamindra fo aminareo Yaveh, noho izany dia vonona ny haneho fiantrana aminareo Izy. Fa Yaveh dia Andriamanitry ny rariny; sambatra ireo izay miandry Azy. BSB BSB: Therefore the LORD longs to be gracious to you; therefore He rises to show you compassion, for the LORD is a just God. Blessed are all who wait for Him.
19 ULB Fa hisy vahoaka honina any Ziona, any Jerosalema, ary tsy hitomany intsony ianareo. Hamindra fo amin'ny feon'ny fitarainanareo tokoa Izy. Rehefa reny izany, dia hamaly anareo Izy. BSB BSB: O people in Zion who dwell in Jerusalem, you will weep no more. He will surely be gracious when you cry for help; when He hears, He will answer you.
20 ULB Na dia manome anareo ny mofon'ny ady sarotra sy ny ranon'ny fampahoriana aza Yaveh, na dia izany aza, dia tsy hiafina intsony ny mpampianatrareo, fa hahita ny mpampianatrareo amin'ny masonareo mihitsy ianareo. BSB BSB: The Lord will give you the bread of adversity and the water of affliction, but your Teacher will no longer hide Himself—with your own eyes you will see Him.
21 ULB Ny sofinareo handre teny avy aorianareo hanao hoe: "Ity no lalana, amin'ity mandeha," na mivily ho amin'ny ankavanana na mivily ho amin'ny ankavia ianareo. BSB BSB: And whether you turn to the right or to the left, your ears will hear this command behind you: “This is the way. Walk in it.”
22 ULB Ho zimbazimbainareo ireo sary voasokitrareo izay norakofana volafotsy sy ireo sary an'idina volamena. Harianareo tahaka ny vorodamban'ny fadimbolana izany. Hiteny amin'ireny ianareo hoe: "Mialà eto." BSB BSB: So you will desecrate your silver-plated idols and your gold-plated images. You will throw them away like menstrual cloths, saying to them, “Be gone!”
23 ULB Hanome orana ho an'ny volinareo Izy rehefa mamafy eny amin'ny tany ianareo, ary mofo mitobatobaka avy amin'ny tany, ary ny vokatra dia hitobatobaka. Amin'izany andro izany dia hiraoka eny amin'ny amin'ny ahitra midadasika ireo biby fiompinareo. BSB BSB: Then He will send rain for the seed that you have sown in the ground, and the food that comes from your land will be rich and plentiful. On that day your cattle will graze in open pastures.
24 ULB Ireo omby sy ireo boriky, izay miasa tany, dia hihinana ny voaisy sira izay nokororohina tamin'ny angady sy angady fitrebika. BSB BSB: The oxen and donkeys that work the ground will eat salted fodder, winnowed with shovel and pitchfork.
25 ULB Eny amin'ny tendrombohitra avo rehetra sy ny havoana ambony rehetra, dia hisy lohasahan-driaka hikoriana ary rano mandeha, amin'ny andron'ny famonoana lehibe izay hianjeran'ny tilikambo. BSB BSB: And from every high mountain and every raised hill, streams of water will flow in the day of great slaughter, when the towers fall.
26 ULB Ho tahaka ny fahazavan'ny masoandro ny fahazavan'ny volana, ary ny fahazavan'ny masoandro dia hamiratra impito-heny, tahaka ny tara-masoandron'ny andro fito. Hamehy ny fanorotoroana ny olony Yaveh ary hanasitrana ny ferin'ny nandratrany azy ireo. BSB BSB: The light of the moon will be as bright as the sun, and the light of the sun will be seven times brighter—like the light of seven days—on the day that the LORD binds up the brokenness of His people and heals the wounds He has inflicted.
27 ULB Indro, ny anaran'i Yaveh dia tonga avy any amin'ny toerana lavitra, mirehitra amin'ny fahatezerany sy setroka matevina. Feno fahavinirana ny molony, ary ny lelany dia tahaka ny afo mandevona. BSB BSB: Behold, the Name of the LORD comes from afar, with burning anger and dense smoke. His lips are full of fury, and His tongue is like a consuming fire.
28 ULB Ny fofonainy dia tahaka ny fikijan'ny riaka izay mahatratra hatrany amin'ny tenda kely, mba hanivana ny firenena amin'ny sivan'ny fandringanana. Ny fofonainy dia hisatra amin'ny valanoranon'ny olona mba hahatonga azy ireo hirenireny. BSB BSB: His breath is like a rushing torrent that rises to the neck. He comes to sift the nations in a sieve of destruction; He bridles the jaws of the peoples to lead them astray.
29 ULB Hanana hira toy ny amin'ny alina hitandremana ny firavoravoana masina ianareo, ary firavoravoam-po, tahaka ny amin'ny fandehanan'ny olona miaraka amin'ny sodina ho eny an-tendrombohitr'i Yaveh, ho eo amin'ny Vatolampin'Israely. BSB BSB: You will sing as on the night of a holy festival, and your heart will rejoice like one who walks to the music of a flute, going up to the mountain of the LORD, to the Rock of Israel.
30 ULB Hataon'i Yaveh re ny fampirapiratan'ny feony ary hasehony ny fiofaofan'ny sandriny amin'ny fahatezerana mirehitra sy lelafo, amin'ny tafio-drivotra, oram-baratra, ary havandra. BSB BSB: And the LORD will cause His majestic voice to be heard and His mighty arm to be revealed, striking in angry wrath with a flame of consuming fire, and with cloudburst, storm, and hailstones.
31 ULB Fa amin'ny feon'i Yaveh, dia hianjera i Asyria; hamely azy ireo amin'ny tehina Izy. BSB BSB: For Assyria will be shattered at the voice of the LORD; He will strike them with His scepter.
32 ULB Ny kapoka rehetra amin'ilay tsora-kazo voatendry izay hapetrak'i Yaveh amin'izy ireo dia hiarahan'ny feon'aponga tapaka sy valiha eo am-pitolomany sy hiadiany amin'izy ireo. BSB BSB: And with every stroke of the rod of punishment that the LORD brings down on them, the tambourines and lyres will sound as He battles with weapons brandished.
33 ULB Fa misy toerana fandorana voaomana hatry ny ela. Eny tokoa, voaomana ho an'ny mpanjaka izany, ary nataon'Andriamanitra lalina sady malalaka. Efa vonona amin'ny afo sy kitay be dia be ny antontany. Ny fofonain'i Yaveh, tahaka ny fandriaky ny solifara, dia handrehitra izany. BSB BSB: For Topheth has long been prepared; it has been made ready for the king. Its funeral pyre is deep and wide, with plenty of fire and wood. The breath of the LORD, like a torrent of burning sulfur, sets it ablaze.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.