1 ULB Indro, Tompo Yaveh tompon'ny maro dia efa hanaisotra mpiandraikitra sy vatsy amin'i Jerosalema sy Joda: dia ny famatsia-mofo rehetra, sy ny famatsian-drano rehetra; BSB BSB: For behold, the Lord GOD of Hosts is about to remove from Jerusalem and Judah both supply and support: the whole supply of food and water,
2 ULB ny lehilahy mahery, ny mpiady, ny mpitsara, ny mpaminany, ny mpamaky fambara, ny loholona; BSB BSB: the mighty man and the warrior, the judge and the prophet, the soothsayer and the elder,
3 ULB ny kapitenin'ny dimampolo, ny mponina manan-kaja, ny mpanolo-tsaina, ny mpanao asa-tanana za-draharaha, ary ny mpimasy kinga. BSB BSB: the commander of fifty and the dignitary, the counselor, the cunning magician, and the clever enchanter.
4 ULB "Zatovo fotsiny ihany no hapetrako ho mpitarika azy ireo, ary ireo tanora no hanapaka eo amin'izy ireo. BSB BSB: “I will make mere lads their leaders, and children will rule over them.”
5 ULB Hampahoriana ny vahoaka, ny tsirairay ampahorian'ny hafa, ary ny tsirairay ampahorian'ny namany; ny zaza no hanaraby ny zokiolona, ary hihantsy ireo mendri-kaja ireo nambaniana. BSB BSB: The people will oppress one another, man against man, neighbor against neighbor; the young will rise up against the old, and the base against the honorable.
6 ULB Haka ny rahalahiny ao an-tranon-drainy mihitsy aza ny olona iray ka hiteny hoe: 'Manana akanjo ianao; meteza ho mpanapaka anay, ary aoka izao faharavana izao ho eo an-tananao.' BSB BSB: A man will seize his brother within his father’s house: “You have a cloak—you be our leader! Take charge of this heap of rubble.”
7 ULB Amin'izany andro izany dia hitabataba izy ka hiteny hoe: 'Tsy ho mpanasitrana aho; tsy mana-mofo aho na fitafiana. Tsy hanao ahy ho mpanapaka ny vahoakanao ianao."' BSB BSB: On that day he will cry aloud: “I am not a healer. I have no food or clothing in my house. Do not make me leader of the people!”
8 ULB Fa lavo Jerosalema, ary nianjera i Joda, satria manohitra an'i Yaveh ny fiteniny sy ny asany, mihantsy ny mason'ny voninahiny. BSB BSB: For Jerusalem has stumbled and Judah has fallen because they spoke and acted against the LORD, defying His glorious presence.
9 ULB Ny fijerin'ny tavany dia vavolombelona miampanga azy ireo; ary ambaran'izy ireo tahaka an'i Sodoma ny fahotany; tsy mba hafeniny izany. Loza ho azy ireny! Fa nahatanteraka loza be ho azy ireo ihany izy. BSB BSB: The expression on their faces testifies against them, and like Sodom they flaunt their sin; they do not conceal it. Woe to them, for they have brought disaster upon themselves.
10 ULB Lazao ny olo-marina fa tsy haninona, fa hihinana ny vokatry ny asany izy ireo. BSB BSB: Tell the righteous it will be well with them, for they will enjoy the fruit of their labor.
11 ULB Loza ho an'ny ratsy fanahy! Fa ho rasty ny hanjo azy, fa ny valin'ny asan'ny tanany no hatao aminy. BSB BSB: Woe to the wicked; disaster is upon them! For they will be repaid with what their hands have done.
12 ULB Ry oloko—ankizy no mpampahory azy ireo, ary vehivavy no manjaka eo aminy. Ry oloko, ireo izay mitarika anareo dia mamily lalana anareo ary mampisafotofoto ny lalan-kizoranareo. BSB BSB: Youths oppress My people, and women rule over them. O My people, your guides mislead you; they turn you from your paths.
13 ULB Mitsangana nohon'ny fiampangana Yaveh, mitsangana hiampanga ny olona Izy. BSB BSB: The LORD arises to contend; He stands to judge the people.
14 ULB Ho avy amin'ny fitsarana hanohitra ireo loholon'ny olony sy ireo mpitariny Izy hoe: "Namotika ny tanim-boaloboka ianareo; ao an-tranonareo izay voaroba avy tamin'ny mahantra. BSB BSB: The LORD brings this charge against the elders and leaders of His people: “You have devoured the vineyard; the plunder of the poor is in your houses.
15 ULB Nahoana ianareo no manorotoro ny oloko ary manosiosy ny tavan'ny mahantra?" Izany no fanambaran'i Tompo Yaveh tompon'ny maro. BSB BSB: Why do you crush My people and grind the faces of the poor?” declares the Lord GOD of Hosts.
16 ULB Izany no lazain'i Yaveh satria mirehareha ny zanaka vavin'i Ziona, mandeha amin'ny loha mianjonanjona, ary mangarika amin'ny masony, mijaikojaiko am-pandehanana raha mampikoritsandritsana amin'ny tongony, BSB BSB: The LORD also says: “Because the daughters of Zion are haughty—walking with heads held high and wanton eyes, prancing and skipping as they go, jingling the bracelets on their ankles—
17 ULB noho izany dia hampisy aretina manakom-pery eo an-dohan'ny zanaka vavin'i Ziona ny Tompo, ary hataon'i Yaveh sola izy ireo. BSB BSB: the Lord will bring sores on the heads of the daughters of Zion, and the LORD will make their foreheads bare.”
18 ULB Amin'izany andro izany dia hanala ireo firavaky ny ranjo tsara tarehiny, ireo fehilohany, ireo fihaingona sari-volana, BSB BSB: In that day the Lord will take away their finery: their anklets and headbands and crescents;
19 ULB ireo kavina, ireo rojon-tanana, sy ireo voaly; BSB BSB: their pendants, bracelets, and veils;
20 ULB ireo saron-doha, ireo rojon-kitro, ireo fehin-kibo, sy ireo vata fasiana ranomanitra, ary ireo ravaka mitondra vintana ny Tompo. BSB BSB: their headdresses, ankle chains, and sashes; their perfume bottles and charms;
21 ULB Ho esoriny ireo peratra sy ireo kavin'orona; BSB BSB: their signet rings and nose rings;
22 ULB ireo akanjo lava fanaovana lanonana, ireo kapoty, ireo voaly, ireo poketra kely; BSB BSB: their festive robes, capes, cloaks, and purses;
23 ULB ireo fitaratra kely, ireo atin'akanjo rongony fotsy madinika, ireo haingon-doha, ary ireo fisaronana. BSB BSB: and their mirrors, linen garments, tiaras, and shawls.
24 ULB Hamaimboana no ho solon'ny ranomanitra mamerovero; ary tady no ho solon'ny fehin-kibo; loha sola no ho solon'ny volo tsara-hogo; ary lamba fisaonana no ho solon'ny akanjo lava; ary fitomboka mahamay ho solon'ny fahatsarana. BSB BSB: Instead of fragrance there will be a stench; instead of a belt, a rope; instead of styled hair, baldness; instead of fine clothing, sackcloth; instead of beauty, shame.
25 ULB Ho lavon-tsabatra ny lehilahinareo, ary ho lavo an'ady ireo lehilahy maherinareo. BSB BSB: Your men will fall by the sword, and your warriors in battle.
26 ULB Hitomany ny vavahadin'i Jerosalema ka hisaona; ary ho irery izy ary hitorombona amin'ny tany. BSB BSB: And the gates of Zion will lament and mourn; destitute, she will sit on the ground.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.