Isaiah 4 4 Isaiah Judgment and hope for Judah Plateau Malagasy Unlocked Literal Bible 1 ULB Amin'izany andro izany hisy vehivavy fito hitazona lehilahy iray ka hiteny hoe: "Ny sakafonay ihany no hohaninay, ny fitafianay ihany no hotafianay. Fa aoka izahay haka ny anaranao hanesorana ny henatray." BSB BSB: In that day seven women will take hold of one man and say, “We will eat our own bread and provide our own clothes. Just let us be called by your name. Take away our disgrace!”
2 ULB Amin'izany andro izany ny sampan'i Yaveh dia hafinaritra sy be voninahitra, ary ny vokatrin'ny tany dia hatsiro sy hafinaritra ho an'ireo sisa velona any Israely. BSB BSB: On that day the Branch of the LORD will be beautiful and glorious, and the fruit of the land will be the pride and glory of Israel’s survivors.
3 ULB Fa izay tavela any Ziona sy izay sisa tavela any Jerosalema dia hantsoina hoe masina, ny tsirairay izay voasoratra ho velona any Jerosalema. BSB BSB: Whoever remains in Zion and whoever is left in Jerusalem will be called holy—all in Jerusalem who are recorded among the living—
4 ULB Hitranga izany rehefa hanasa ny fahaloton'ireo zanaka vavin'ny Ziona ny Tompo, ary hanasa ny rà izay mandoto hatramin'ny afovoan'i Jerosalema, amin'ny alalan'ny fanahin'ny fitsarana sy ny fanahin'ny afo mirehitra. BSB BSB: when the Lord has washed away the filth of the daughters of Zion and cleansed the bloodstains from the heart of Jerusalem by a spirit of judgment and a spirit of fire.
5 ULB Ary eo ambonin'ny fitoeran'ny tendrombohitr'i Ziona manontolo sy eo amin'ny toeran'ny fiangonany, Yaveh dia hamorona rahona sy setroka amin'ny andro, ary famirapiratan'ny afo mirehitra amin'ny alina; ary ho sarona ambonin'ny voninahitra rehetra izany. BSB BSB: Then the LORD will create over all of Mount Zion and over her assemblies a cloud of smoke by day and a glowing flame of fire by night. For over all the glory there will be a canopy,
6 ULB Ho alokaloka fialofana amin'ny hafanana izany amin'ny andro, ary ho fialofana sy ho fiarovana amin'ny tafiotra sy ny orana. BSB BSB: a shelter to give shade from the heat by day, and a refuge and hiding place from the storm and the rain.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.
Chapter complete
You’ve read Isaiah 4
Make Opened yours A free account keeps your place, highlights and notes on every device. Add Plus to ask Study Help about Isaiah 4, and keep Opened free for readers who can’t pay.