1 ULB Avelao aho hihira ho an'ny malalako tsara, hiran'ny malalako momban'ny tanim-boalobony. Nanana tanim-boaloboka teo amin'ny havoana tena lonaka ny malalako tsara. BSB BSB: I will sing for my beloved a song of his vineyard: My beloved had a vineyard on a very fertile hill.
2 ULB Nasainy izany, nafindrany ireo vato, ary namboly izany tamin'ny karazam-boaloboka tena tsara izy. Nanangana tilikambo teo afovoan'izany izy, ary koa nanangana famiazanam-boaloboka. Niandry izany izy hamokatra voaloboka, saingy voalobo-dratsy ihany no namoha. BSB BSB: He dug it up and cleared the stones and planted the finest vines. He built a watchtower in the middle and dug out a winepress as well. He waited for the vineyard to yield good grapes, but the fruit it produced was sour!
3 ULB Ary ankehitriny, ny mponin'i Jerosalema sy ny olon'i Joda, dia mitsara ahy sy ny tanim-boaloboko. BSB BSB: “And now, O dwellers of Jerusalem and men of Judah, I exhort you to judge between Me and My vineyard.
4 ULB Inona koa no tokony natao tamin'ny tanim-boaloboko, izay mbola tsy vitako taminy? Rahoviana no naniry izany mba hamokatra ireo voaloboka aho, nahoana no namokatra voalobo-dratsy izany? BSB BSB: What more could have been done for My vineyard than I have done for it? Why, when I expected sweet grapes, did it bring forth sour fruit?
5 ULB Ary izao ho teneniko anareo izay hataoko amin'ny tanim-boaloboko: Halako ny fefy, havadiko ho ahitra izany, dia ho ravaiko ny mandany, ary ho voahitsaka izany. BSB BSB: Now I will tell you what I am about to do to My vineyard: I will take away its hedge, and it will be consumed; I will tear down its wall, and it will be trampled.
6 ULB Ho simbasimbaiko izany, ary tsy ho voarakotra na voakarakara. Fa kosa, ireo hery sy ireo tsilo no hitsimoka. Ho baikoiko ihany koa ny rahona tsy hanorana eo aminy. BSB BSB: I will make it a wasteland, neither pruned nor cultivated, and thorns and briers will grow up. I will command the clouds that rain shall not fall on it.”
7 ULB Fa ny tanim-boalobok'i Yaveh Tompon'ny maro no taranak'Israely, ary ny lehilahin'ny Joda no voly tiany; niandry ny rariny izy, kanjo, famonoana no nisy; ny fahamarinana, kanjo, fihiakin'ny fitarainana no solon'izany. BSB BSB: For the vineyard of the LORD of Hosts is the house of Israel, and the men of Judah are the plant of His delight. He looked for justice, but saw bloodshed; for righteousness, but heard a cry of distress.
8 ULB Loza ho an'ireo izay mampifandray ny isan-trano, izay mampifandray ny isan-tsaha, ambarapaha-tsy misy efitra tavela, ka ianareo irery no sisa hitoetra eo amin'ny tany! BSB BSB: Woe to you who add house to house and join field to field until no place is left and you live alone in the land.
9 ULB Hoy Yaveh Tompon'ny maro tamiko, trano maro no ho foana, na dia lehibe sady tsara aza, tsy misy mpitoetra. BSB BSB: I heard the LORD of Hosts declare: “Surely many houses will become desolate, great mansions left unoccupied.
10 ULB Fa bata iray monja no ho vokatry ny voaloboka folo zemeba, ary efaha iray monja no ho vokatry ny voanjavatra iray homera. BSB BSB: For ten acres of vineyard will yield but a bath of wine, and a homer of seed only an ephah of grain.”
11 ULB Loza ho an'ireo izay mifoha vao mangiran-dratsy mba hahazo zava-pisotro mahery, ireo izay mijanona amin'ny alina mandra-pahamamon'ny divay azy ireo. BSB BSB: Woe to those who rise early in the morning in pursuit of strong drink, who linger into the evening, to be inflamed by wine.
12 ULB Nanasa tamin'ny harpa, lokanga, ny ampongatapaka, ny sodina, ary ny divay izy ireo, kanefa tsy nihevitra ny asan'i Yaveh izy ireo, na koa nihevitra ireo zava-bitan'ny tanany. BSB BSB: At their feasts are the lyre and harp, tambourines and flutes and wine. They disregard the actions of the LORD and fail to see the work of His hands.
13 ULB Koa efa lasan-ko babo nohon'ny tsy fahampian'ny fahazavan-tsaina ny oloko; ho noana ireo mpitarika mendri-kaja azy ireo, ary tsy hisy ho sotroina ireo vahoakany. BSB BSB: Therefore My people will go into exile for their lack of understanding; their dignitaries are starving and their masses are parched with thirst.
14 ULB Koa efa nataon'ny Fiainan-tsy hita ho lehibe ny homany ary nosokafany misanasana ny vavany; ary nidina tany amin'ny Fiainan-tsy hita, ireo sangany, ny vahoaka, ireo mpitariny, ary ireo mpampiseo sy ireo izay faly teo amin'izy ireo. BSB BSB: Therefore Sheol enlarges its throat and opens wide its enormous jaws, and down go Zion’s nobles and masses, her revelers and carousers!
15 ULB Ny olona ho terena hiankohoka, ary ny olombelona dia hahetry; ny mason'ny avo dia hahidina. BSB BSB: So mankind will be brought low, and each man humbled; the arrogant will lower their eyes.
16 ULB Yaveh Tompon'ny maro dia hisandratra amin'ny fitsarany, ary ilay Andriamanitra Ilay Masina haneho ny tenany ho masina amin'ny alalan'ny fahamarinany. BSB BSB: But the LORD of Hosts will be exalted by His justice, and the holy God will show Himself holy in righteousness.
17 ULB Ary ny ondry dia hifahana toy ny eny amin'ny tanim-bilony ihany, ary tao amin'ny korontana, ireo zanak'ondry dia hihinana toy ny vahiny. BSB BSB: Lambs will graze as in their own pastures, and strangers will feed in the ruins of the wealthy.
18 ULB Loza ho an'ireo izay mitari-keloka amin'ny kofehy tsy misy ilana azy ary izay mitarik'ota toy ny hoe amin'ny tadin-tsarety izany. BSB BSB: Woe to those who draw iniquity with cords of deceit and pull sin along with cart ropes,
19 ULB Loza ho an'ireo izay milaza hoe: "Aoka handondona Andriamanitra, aoka hiasa faingana Izy, mba afahantsika mahita ny fisehon'izany; ary aoka ho tonga ny fikasan'Ilay Masin'Israely, mba hafantarantsika azy ireo." BSB BSB: to those who say, “Let Him hurry and hasten His work so that we may see it! Let the plan of the Holy One of Israel come so that we may know it!”
20 ULB Loza ho an'ireo izay milaza ny ratsy ho tsara, ary tsara ho ratsy; izay manambara ny aizina toy ny mazava, ary mazava toy ny aizina; izay milaza ny mangidy ho mamy, ary ny mamy ho mangidy! BSB BSB: Woe to those who call evil good and good evil, who turn darkness to light and light to darkness, who replace bitter with sweet and sweet with bitter.
21 ULB Loza ho an'ireo izay hendry eo imasony ihany, ary malina amin'ny fahazavan-tsainy ihany! BSB BSB: Woe to those who are wise in their own eyes and clever in their own sight.
22 ULB Loza ho an'ireo izay tompon-daka amin'ny fisotroana divay, ary tompony amin'ny fangaroana fisotro mahery; BSB BSB: Woe to those who are heroes in drinking wine and champions in mixing strong drink,
23 ULB izay manome tsiny ny ratsy fanahy ho amin'ny fanefana, ary manaisotra ny tsy manan-tsiny amin'ireo mariny! BSB BSB: who acquit the guilty for a bribe and deprive the innocent of justice.
24 ULB Koa tahaka ny lelan'afo mandevona mololo, ary tahaka ny ahitra maina levon'ny afo, dia ho lo ny fakan'ireo, ary ho voatsoka tahaka ny vovoka ireo felany. Hitranga izany satria nanda ny lalan'i Yaveh Tompon'ny maro izy ireo, ary satria efa nanao tsinotsinona ny tenin'Iray Masin'Israely. BSB BSB: Therefore, as a tongue of fire consumes the straw, and as dry grass shrivels in the flame, so their roots will decay and their blossoms will blow away like dust; for they have rejected the instruction of the LORD of Hosts and despised the word of the Holy One of Israel.
25 ULB Ka noho izany ny fahatezeran'i Yaveh dia nirehitra amin'ireo olony. Efa naninjitra ny tanany manohitra azy ireo ary efa nanasazy azy ireo Izy. Hangovitra ireo tendrombohitra, ary ny fatin'izy ireo dia tahaka ny fako eny an-dalana. Amin'izany zavatra rehetra izany, dia tsy mbola miafana ny hatezerany; fa kosa, mbola hihinjitra ihany ny tanany. BSB BSB: Therefore the anger of the LORD burns against His people; His hand is raised against them to strike them down. The mountains quake, and the corpses lie like refuse in the streets. Despite all this, His anger is not turned away; His hand is still upraised.
26 ULB Ary hanangana faneva famantarana ho an'ireo firenena lavitra Izy ary hisioka ho an'ireo izay any am-paran'ny tany. Indro, ho avy faingana ary avy hatrany izy ireo. BSB BSB: He lifts a banner for the distant nations and whistles for those at the ends of the earth. Behold—how speedily and swiftly they come!
27 ULB Tsy misy reraka na tafintohina amin'izy ireo; ary tsy misy rendrehana na matory. Na mivaha ny fehin-kibon'izy ireo, na tapaka ny fehin-kapany. BSB BSB: None of them grows weary or stumbles; no one slumbers or sleeps. No belt is loose and no sandal strap is broken.
28 ULB Maranitra ny zana-tsipìkany ary mienjana ny tsipìkany rehetra; ny kitron-tsoavalin'izy ireo dia tahaka ny afovato, ary ny kodiaran-kalesiny tahaka ny tafio-drivotra. BSB BSB: Their arrows are sharpened, and all their bows are strung. The hooves of their horses are like flint; their chariot wheels are like a whirlwind.
29 ULB Ny fierony dia ho tahaka ny liona; ary hierona tahaka ny zana-diona izy ireo. Dia hierona sy hisambotra ny haza ireo ary hitaritarika izany, ary tsy hisy hamonjy. BSB BSB: Their roaring is like that of a lion; they roar like young lions. They growl and seize their prey; they carry it away, and no one can rescue it.
30 ULB Amin'izany andro izany dia hierona hanohitra ny haza tahaka ny fieron'ny ranomasina izy ireo. Raha misy olona mijery ny tany, dia hahita haizina sy fijaliana izy; na dia ho maizin'ny rahona aza ny hazavana. BSB BSB: In that day they will roar over it, like the roaring of the sea. If one looks over the land, he will see darkness and distress; even the light will be obscured by clouds.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.