1 ULB Indro, ny mpanjaka dia hanjaka amin'ny fahamarinana, ary ny andrian-dahy dia hanapaka amin'ny rariny. BSB BSB: Behold, a king will reign in righteousness, and princes will rule with justice.
2 ULB Ny tsirairay avy dia ho tahaka ny fialofana amin'ny rivotra ary ho fialofana amin'ny kotroka, tahaka ny ranovelona amin'ny toerana maina, tahaka ny aloky ny vatolampy lehibe any amin'ny tanin'ny faharerahana. BSB BSB: Each will be like a shelter from the wind, a refuge from the storm, like streams of water in a dry land, like the shadow of a great rock in an arid land.
3 ULB Ary ny mason'ireo izay mahita dia ho pahina, ary ny sofin'ireo izay mandre dia hihaino tsara. BSB BSB: Then the eyes of those who see will no longer be closed, and the ears of those who hear will listen.
4 ULB Ireo kely fisainana dia hihevitra tsara amin'ny fahazavan-tsaina, ary ireo mibadabada dia hahay hiteny mahitsy tsara. BSB BSB: The mind of the rash will know and understand, and the stammering tongue will speak clearly and fluently.
5 ULB Ny adala dia tsy ho antsoina intsony hoe mendrika, na ny mpamitaka ho hajaina. BSB BSB: No longer will a fool be called noble, nor a scoundrel be respected.
6 ULB Fa ny adala dia hiteny fahadalana, ary ny fony dia hanao teti-dratsy sy hanao asa miatsaravelatsihy, ary hiteny diso hanohitra an'i Yaveh izy. Hampanoana ireo noana izy, ary hahatonga ireo mangetaheta tsy hanana zavatra hosotroina. BSB BSB: For a fool speaks foolishness; his mind plots iniquity. He practices ungodliness and speaks falsely about the LORD; he leaves the hungry empty and deprives the thirsty of drink.
7 ULB Ratsy ireo fomban'ny mpamitaka. Mihevitra teti-dratsy izy mba hanimbàna ny mahantra amin'ny lainga, na dia milaza izay marina aza ny mahantra. BSB BSB: The weapons of the scoundrel are destructive; he hatches plots to destroy the poor with lies, even when the plea of the needy is just.
8 ULB Fa ny olona mendrika kosa dia manao tetika mendrika; ary noho ireo tetiny mendrika dia hahomby izy. BSB BSB: But a noble man makes honorable plans; he stands up for worthy causes.
9 ULB Mitsangàna, ry vehivavy tsy manano-sarotra, ary henoy ny feoko; ry vehivavy tsy mivaky loha, henoy Aho. BSB BSB: Stand up, you complacent women; listen to me. Give ear to my word, you overconfident daughters.
10 ULB Fa afaka herintaona farafahakeliny dia ho rava ny fahatokianao, ry vehivavy tsy mivaky loha, fa tsy hisy ny fihotazam-boaloboka, tsy ho tonga ny fanangonana. BSB BSB: In a little more than a year you will tremble, O secure ones. For the grape harvest will fail and the fruit harvest will not arrive.
11 ULB Mangovita, ry vehivavy tsy manano-sarotra; aoka hangovitra, ianao izay mahatoky; esory ireo akanjo manifinao ary aoka ianao hiboridana; ary asio lamba fisaonana ny valahinao. BSB BSB: Shudder, you ladies of leisure; tremble, you daughters of complacency. Strip yourselves bare and put sackcloth around your waists.
12 ULB Hidradradradra amin'ireo saha mahafinaritra ianao, ho an'ireo voaloboka mamokatra. BSB BSB: Beat your breasts for the pleasant fields, for the fruitful vines,
13 ULB Ny tanin'ny vahoakako dia ho rakotr'ireo tsilo sy ireo hery, eny fa na dia ny ao amin'ireo trano mahafaly rehetra ao amin'ny tanànan'ny firavoravoana aza. BSB BSB: and for the land of my people, overgrown with thorns and briers—even for every house of merriment in this city of revelry.
14 ULB Fa ny lapa dia ho afoy, ny tanàna feno vahoaka dia ho foana; ny havoana sy ny tilikambo dia ho lava-bato mandrakizay, fifaliana ho an'ireo boriky dia, ahi-maitso ho an'ireo ondry aman'osy; BSB BSB: For the palace will be forsaken, the busy city abandoned. The hill and the watchtower will become caves forever—the delight of wild donkeys and a pasture for flocks—
15 ULB mandra-pilatsahan'ny Fanahy avy any amin'ny avo amintsika, ka ny tany efitra dia ho tonga saha mamokatra, ary ny saha mamokatra dia heverina toy ny hoe ala. BSB BSB: until the Spirit is poured out upon us from on high. Then the desert will be an orchard, and the orchard will seem like a forest.
16 ULB Ary hitoetra ao amin'ny tany efitra ny rariny; ary ny fahamarinana hitoetra ao amin'ny saha mamokatra. BSB BSB: Then justice will inhabit the wilderness, and righteousness will dwell in the fertile field.
17 ULB Ny asan'ny fahamarinana dia ho fiadanana; ary ny vokatry ny fahamarinana, dia fahanginana sy fahatokiana mandrakizay. BSB BSB: The work of righteousness will be peace; the service of righteousness will be quiet confidence forever.
18 ULB Ny vahoakako dia honina ao amin'ny fitoerana feno fiadanana, ao amin'ireo trano azo antoka, ary ao amin'ny toerana mangingina fakàna aina. BSB BSB: Then my people will dwell in a peaceful place, in safe and secure places of rest.
19 ULB Kanefa raha misy ireo havandra dia ho simba ny ala, ka dia ringana tanteraka ny tanàna, BSB BSB: But hail will level the forest, and the city will sink to the depths.
20 ULB ianao izay mamafy eny akaikin'ireo onja dia ho voatahy, ianao izay mamoaka ireo ombinao sy ireo borikinao mba hiraoka. BSB BSB: Blessed are those who sow beside abundant waters, who let the ox and donkey range freely.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.