1 ULB Loza ho anareo, ry mpandrava izay tsy mbola noravàna! Loza ho an'ny mpamadika izay tsy mbola novadian'izy ireo! Raha mihato amin'ny famotehana ianareo, dia ho potehina! Raha mihato amin'ny famadihana ianareo, dia hivadihan'izy ireo. BSB BSB: Woe to you, O destroyer never destroyed, O traitor never betrayed! When you have finished destroying, you will be destroyed. When you have finished betraying, you will be betrayed.
2 ULB Ry Yaveh, mamindrà fo aminay; miandry Anao izahay; aoka mba ho sandrinay isa-maraina, ary famonjenay amin'ny andro fahoriana. BSB BSB: O LORD, be gracious to us! We wait for You. Be our strength every morning and our salvation in time of trouble.
3 ULB Anatin'ny feo mafy no handosiran'ny olona; rehefa mitsangana Ianao, dia miparitaka ireo firenena. BSB BSB: The peoples flee the thunder of Your voice; the nations scatter when You rise.
4 ULB Nalevina tahaka ny valala niangona ny babonao; tahaka ny fifanaretsak'ireo andiam-balala, no ifanaretsahan'ny olona amin'izany. BSB BSB: Your spoil, O nations, is gathered as by locusts; like a swarm of locusts men sweep over it.
5 ULB Nasandratra i Yaveh. Mitoetra any amin'ny toerana avo Izy. Ho fenoiny amin'ny fitsaràna sy fahamarinana ny Ziona. BSB BSB: The LORD is exalted, for He dwells on high; He has filled Zion with justice and righteousness.
6 ULB Ho filaminana amin'ny fotoanareo Izy, famonjena be, fahendrena, ary fahalalana; ny fahatahorana an'i Yaveh no hareny. BSB BSB: He will be the sure foundation for your times, a storehouse of salvation, wisdom, and knowledge. The fear of the LORD is Zion’s treasure.
7 ULB Indro, ireo irak'izy ireo mitaraina eo an-dalana; mitomany mafy ireo iraka manantena fiadanana. BSB BSB: Behold, their valiant ones cry aloud in the streets; the envoys of peace weep bitterly.
8 ULB Foana ireo lalam-be; tsy misy mpandeha intsony. Rava ny fanekena, notsinotsiniavina ireo vavolombelona, ary tsy voahaja ny maha- olombelona. BSB BSB: The highways are deserted; travel has ceased. The treaty has been broken, the witnesses are despised, and human life is disregarded.
9 ULB Misaona ny tany ary milofika; menatra Lybanona ary karakaina; Saràna dia tahaka ny lemaka maina; ary manintsana ny raviny i Basana sy Karmela. BSB BSB: The land mourns and languishes; Lebanon is ashamed and decayed. Sharon is like a desert; Bashan and Carmel shake off their leaves.
10 ULB "Ankehitriny hitsangana Aho," hoy Yaveh; "ankehitriny ho hasandratra Aho; ankehitriny ho eny amin'ny avo Aho. BSB BSB: “Now I will arise,” says the LORD. “Now I will lift Myself up. Now I will be exalted.
11 ULB Manorotoro ny voam-bary ianareo, ary miteraka mololo; afo mandevona anareo ny fofon'ainareo. BSB BSB: You conceive chaff; you give birth to stubble. Your breath is a fire that will consume you.
12 ULB Ho voadoro ireo olona, tahaka ny tsilo notapahina sy nodorana. BSB BSB: The peoples will be burned to ashes, like thorns cut down and set ablaze.
13 ULB Ianareo izay lavitra, henoy izay efa nataoko; ary, ianareo izay akaiky, ekeo ny heriko." BSB BSB: You who are far off, hear what I have done; you who are near, acknowledge My might.”
14 ULB Matahotra ireo mpanota any Ziona; fangovitana no efa nahazo ny mpiatsaravelatsihy. Iza amintsika no afaka hijanona amin'ny afo mandevona? Iza amintsika no afaka hijanona eo amin'ny firehetana mandrakizay? BSB BSB: The sinners in Zion are afraid; trembling grips the ungodly: “Who of us can dwell with a consuming fire? Who of us can dwell with everlasting flames?”
15 ULB Izy ilay mandeha amin'ny fahamarinana sy miresaka am-pahatsorana; Izy ilay nanafoana ny tombon'ny fampahoriana, izay mandà ny handray kolilkoly, izay tsy manao teti-dratsy heloka bevava fandatsahan-drà, ary tsy mitady ny ratsy__ BSB BSB: He who walks righteously and speaks with sincerity, who refuses gain from extortion, whose hand never takes a bribe, who stops his ears against murderous plots and shuts his eyes tightly against evil—
16 ULB ho ataony amin'ny avo indrindra ny fonenany; ny toerana fiambenany dia ho fiarovana mafy amin'ny harambato; ny sakafony sy ny ranony dia ho feno famatsiana. BSB BSB: he will dwell on the heights; the mountain fortress will be his refuge; his food will be provided and his water assured.
17 ULB Ny masonareo dia hahita ny mpanjaka amin'ny hatsarany; hitsinjo tany malalaka izy ireo. BSB BSB: Your eyes will see the King in His beauty and behold a land that stretches afar.
18 ULB Ho tsaron'ny fonareo ny horohoro; aiza ny mpanora-dalàna, aiza izy izay nandanja ny vola? Aiza izy izay nanisa ireo tilikambo? BSB BSB: Your mind will ponder the former terror: “Where is he who tallies? Where is he who weighs? Where is he who counts the towers?”
19 ULB Tsy hahita ny olona mpanohitra anareo intsony ianareo, olona hafa fiteny izay tsy takatrareo. BSB BSB: You will no longer see the insolent, a people whose speech is unintelligible, who stammer in a language you cannot understand.
20 ULB Jereo Ziona, ilay tanànan'ny fankalazantsika; hahita an'i jerosalema tahaka ny mponina milamina ny masonareo, lay izay tsy mba ho esorina, izay tsy ho voahongotra mihitsy ny tsato-kazony na ho tapaka ny kofehiny. BSB BSB: Look upon Zion, the city of our appointed feasts. Your eyes will see Jerusalem, a peaceful pasture, a tent that does not wander; its tent pegs will not be pulled up, nor will any of its cords be broken.
21 ULB Fa kosa, homba amin-kery amintsika i Yaveh, any amin'ny toerana amoron'ny ony sy lakan-drano. Tsy hisy sambo voizina handeha amin'izany, ary tsy hisy sambo lehibe hamakivaky izany. BSB BSB: But there the Majestic One, our LORD, will be for us a place of rivers and wide canals, where no galley with oars will row, and no majestic vessel will pass.
22 ULB Fa Yaveh no mpitsara antsika, Yaveh no mpanome lalàna antsika, Yaveh no mpanjakantsika; ary hamonjy antsika Izy. BSB BSB: For the LORD is our Judge, the LORD is our lawgiver, the LORD is our King. It is He who will save us.
23 ULB Miraviravy ireo fanodikodinanareo; tsy afaka hiazona ny hazo lava amin'ny toerany ireo; tsy afaka hanaparitaka ny lay ireo; rehefa nozaraina ilay voababo lehibe, na dia ny mandringa aza hanintona ilay babo. BSB BSB: Your ropes are slack; they cannot secure the mast or spread the sail. Then an abundance of spoils will be divided, and even the lame will carry off plunder.
24 ULB Tsy hilaza ny mponina hoe: "Marary aho;" ny olona izay mitoetra any dia ho voavela amin'ny helok'izy ireo. BSB BSB: And no resident of Zion will say, “I am sick.” The people who dwell there will be forgiven of iniquity.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.