1 ULB Manatòna akaiky, ianareo ry firenena; ary mihainoa, mifantoha, ianareo ry vahoaka! Ny tany sy izay mameno izany dia tsy maintsy mihaino, izao tontolo izao, sy ny zavatra rehetra avy amin'izany. BSB BSB: Come near, O nations, to listen; pay attention, O peoples. Let the earth hear, and all that fills it, the world and all that springs from it.
2 ULB Fa tezitra amin'ny firenena rehetra Yaveh, ary vinitra amin'ny tafik'izy ireo rehetra; nandrava azy ireo tanteraka Izy, nanolotra azy ireo teo an-tanan'ny mpamono Izy. BSB BSB: The LORD is angry with all the nations and furious with all their armies. He will devote them to destruction; He will give them over to slaughter.
3 ULB Ireo vata-mangatsiakan'ireo maty dia hatsipy any ivelany. Ny fofona maimbon'ireo faty dia ho eny rehetra eny; ary ireo tendrombohitra ho vonton'ny ràn'izy ireo. BSB BSB: Their slain will be left unburied, and the stench of their corpses will rise; the mountains will flow with their blood.
4 ULB Ho levona avokoa ny kintan'ny lanitra, ary ny lanitra dia hiorona tahaka ny horonana; ary ny kintany rehetra dia ho levona, toy ny ravina izay malazo mihintsana amin'ny tahom-boaloboka, sy toy ny aviavy lo mihintsana amin'ny hazon'aviavy. BSB BSB: All the stars of heaven will be dissolved. The skies will be rolled up like a scroll, and all their stars will fall like withered leaves from the vine, like foliage from the fig tree.
5 ULB Fa rehefa mamon'ny ràny any an-danitra ny sabatro; indro, ankehitriny hidina any Edoma izany, eo amin'ny vahoaka izay hatokako amin'ny fandravana. BSB BSB: When My sword has drunk its fill in the heavens, then it will come down upon Edom, upon the people I have devoted to destruction.
6 ULB Ny sabatr'i Yaveh dia mitete rà sy rakotra tavy, mitete ràn'ireo zanak'ondry sy ireo osilahy, rakotry ny tavin'ny voan'ireo ondrilahy. Fa manana fanatitra ao Bozra sy famonoana lehibe ao amin'ny tanin'i Edoma i Yaveh. BSB BSB: The sword of the LORD is bathed in blood. It drips with fat—with the blood of lambs and goats, with the fat of the kidneys of rams. For the LORD has a sacrifice in Bozrah, a great slaughter in the land of Edom.
7 ULB Hovonoina miaraka amin'izy ireo ny ombidia, sy ireo vantotr'omby miaraka amin'ireo efa antitra. Ny tanin'izy ireo dia ho mamon-drà, ary ny vovokany dia matavin'ny hatavezana. BSB BSB: And the wild oxen will fall with them, the young bulls with the strong ones. Their land will be drenched with blood, and their soil will be soaked with fat.
8 ULB Fa ho andro famalian'i Yaveh izany sy ho taona hamaliany ny amin'i Ziona. BSB BSB: For the LORD has a day of vengeance, a year of recompense for the cause of Zion.
9 ULB Ny rian-dranon'i Edoma dia ho tonga dinty, ny vovokany ho solifara, ary ny taniny ho tonga dinty mirehitra. BSB BSB: Edom’s streams will be turned to tar, and her soil to sulfur; her land will become a blazing pitch.
10 ULB Hirehitra andro aman'alina izany; ny setrok'izany dia haharitra mandrakizay; amin'ny taranaka mifandimby dia ho tany ngazana izany; tsy hisy olona handalo eo amin'izany mandrakizay doria. BSB BSB: It will not be quenched—day or night. Its smoke will ascend forever. From generation to generation it will lie desolate; no one will ever again pass through it.
11 ULB Fa ireo vorondia sy ireo bibidia no hitoetra any; ny vorondolo sy ny goaika no hanao ny tranony ao amin'izany. Ary hohenjaniny eo amin'izany ny tady fandrefesan'ny fahapotehina sy ny fantson-drano fandravana. BSB BSB: The desert owl and screech owl will possess it, and the great owl and raven will dwell in it. The LORD will stretch out over Edom a measuring line of chaos and a plumb line of destruction.
12 ULB Ireo olo-mendri-kajany dia tsy hanana zavatra ho tavela ho antsoina hoe fanjakana, ary ny andriandahy rehetra dia ho tsinontsinona. BSB BSB: No nobles will be left to proclaim a king, and all her princes will come to nothing.
13 ULB Tsilo no haniry eo amin'ireo lapany, voaroy sy amiana no eo amin'ny trano fiarovany. Ho fitoeran'ireo ambodia izany, sy toeran'ireo ostritsa. BSB BSB: Her towers will be overgrown with thorns, her fortresses with thistles and briers. She will become a haunt for jackals, an abode for ostriches.
14 ULB Ny bibidia sy ireo kary no hihaona any, ary ireo osidia no hifampiantso any. Ny bibin'ny alina no hanorim-ponenana any ka hahita toeram-pialantsasatra ho azy ireo. BSB BSB: The desert creatures will meet with hyenas, and one wild goat will call to another. There the night creature will settle and find her place of repose.
15 ULB Ireo vorondolo hanao akany, hanatody sy hikotrika ireo atodiny, hikotrika ary hiaro ireo zanany. Eny, any no hiangonan'ireo papango, ny tsirairay miaraka amin'ny namany avy. BSB BSB: There the owl will make her nest; she will lay and hatch her eggs and gather her brood under her shadow. Even there the birds of prey will gather, each with its mate.
16 ULB Tadiavo ao amin'ny horonan-taratasin'i Yaveh; fa tsy misy iray amin'ireo tsy ho ao. Tsy misy tsy hanana namana; fa ny vavany no mandidy izany, ary ny fanahiny no manangona azy ireo. BSB BSB: Search and read the scroll of the LORD: Not one of these will go missing, not one will lack her mate, because He has ordered it by His mouth, and He will gather them by His Spirit.
17 ULB Nanao filokana ho an'ny toerany izy ireo Izy, ary ny tanany no nandrefy izany tamin'ny tady ho azy ireo. Ho tompon'izany mandrakizay izy ireo; hatramin'ny taranaka faramandimby no hitoeran'izy ireo any. BSB BSB: He has allotted their portion; His hand has distributed it by measure. They will possess it forever; they will dwell in it from generation to generation.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.