2 ULB Dia nalefan'ny mpanjakan'i Asyria avy any Lakisa ho any Jerosalema ho any amin'i Hezekia mpanjaka ny lehibe mpifehy miaraka amin'ny tafika lehibe. Nampifanantona ny lakan-dranon'ny farihy ambony izy, amin'ny lalam-be mankany amin'ny sahan'ny mpanasa lamba, ary nitsangana tamin'izany. BSB BSB: And the king of Assyria sent the Rabshakeh, with a great army, from Lachish to King Hezekiah at Jerusalem. And he stopped by the aqueduct of the upper pool, on the road to the Launderer’s Field.
3 ULB Ny manam-pahefana Israelita izay nivoaka ivelan'ny tanàna mba hiresaka amin'izy ireo dia i Eliakima zanaka lahin'i Hilkia, ny mpandrindra ny lapa, Sebna mpitan-tsoratrin'ny mpanjaka, ary Joa zanaka lahin'i Asafa, izay nanoratra ireo fanapahan-kevitrin'ny governemanta. BSB BSB: Then Eliakim son of Hilkiah the palace administrator, Shebna the scribe, and Joah son of Asaph the recorder, went out to him.
4 ULB Niteny tamin'izy ireo ny lehibe manam-pahefana hoe: "Lazao amin'i Hezekia fa ny mpanjaka lehibe, mpanjakan'i Asyria, dia miteny hoe: "Inona ny loharanon'ny tokinareo?" BSB BSB: The Rabshakeh said to them, “Tell Hezekiah that this is what the great king, the king of Assyria, says: What is the basis of this confidence of yours?
5 ULB Tsy miteny afa-tsy teny tsy dia ilaina ianareo, milaza fa misy torohevitra sy hery amin'ny ady. Ankehitriny amin'iza no itokianareo? Iza no nankahery anareo hikomy hanohitra ahy? BSB BSB: You claim to have a strategy and strength for war, but these are empty words. In whom are you now trusting, that you have rebelled against me?
6 ULB Indro, mahatoky an'i Egypta ianareo, izay volotara misintaka izay ampiasainareo tahaka ny tehina, fa rehefa miantehitra amin'izany ny olona iray, dia hifikitra amin'ny tanany ka handefona azy izany. Tahaka izany i Farao mpanjakan'i Egypta amin'ny olona izay mahatoky azy. BSB BSB: Look now, you are trusting in Egypt, that splintered reed of a staff that will pierce the hand of anyone who leans on it. Such is Pharaoh king of Egypt to all who trust in him.
7 ULB Fa raha miteny amiko ianareo hoe: "Mahatoky an'i Yaveh Andriamanitray izahay," tsy azy ve ireo toerana avo sy ireo alitara izay nalain'i Hezekia, ary efa niteny tamin'i Joda sy Jerosalema hoe: "Miankohofa eo anoloan'ity alitara any Jerosalema ity"? BSB BSB: But if you say to me, ‘We trust in the LORD our God,’ is He not the One whose high places and altars Hezekiah has removed, saying to Judah and Jerusalem, ‘You must worship before this altar’?
8 ULB Ary ankehitriny, maniry ny hanao fanomezana tsara ho anao avy amin'ny mpanjakan'i Asyria aho. Hanome anao soavaly roa arivo aho, raha toa ka mahavita mitady mpitaingina ho azy ireo ianao." BSB BSB: Now, therefore, make a bargain with my master, the king of Assyria. I will give you two thousand horses—if you can put riders on them!
9 ULB Ahoana no ahafahanao manohitra na ny kapiteny iray izay kely indrindra amin'ny mpanompon'ny tompoko? Nametraka ny fahatokisanareo tamin'i Egypta noho ireo kalesy sy ireo mpitaingin-tsoavaly ianareo! BSB BSB: For how can you repel a single officer among the least of my master’s servants when you depend on Egypt for chariots and horsemen?
10 ULB Ary ankehitriny, moa nandeha taty tsy niaraka tamin'i Yaveh mba hiady hanohitra ity tany ity sy handrava izany ve aho? Hoy Yaveh tamiko,"manafia ity tany ity ary ravao izany."" BSB BSB: So now, was it apart from the LORD that I have come up against this land to destroy it? The LORD Himself said to me, ‘Go up against this land and destroy it.’”
11 ULB Ary Eliakima zanaka lahin'i Hilkia, sy Sebna, ary Joa niteny tamin'ny lehibe manam-pahefana hoe: "Mitenena re amin'ireo mpanomponao amin'ny fiteny Syriana, Aramaika, mba hahazoanay izany. Aza miresaka aminay amin'ny fitenin'i Joda eo an-tsofin'ireo vahoaka izay ao amin'ny manda." BSB BSB: Then Eliakim, Shebna, and Joah said to the Rabshakeh, “Please speak to your servants in Aramaic, since we understand it. Do not speak to us in Hebrew in the hearing of the people on the wall.”
12 ULB Fa hoy ny lehibe manam-pahefana: "Moa nandefa ahy mba hiteny ireo teny ireo ho any amin'ny tomponao sy ho any aminao ve ny tompoko? Tsy nandefa ahy ho any amin'ireo lehilahy izay mipetraka eo amin'ny manda izy, izay hihinana ny malotony ihany sy hisotro ny amaniny ihany miaraka aminao?" BSB BSB: But the Rabshakeh replied, “Has my master sent me to speak these words only to you and your master, and not to the men sitting on the wall, who are destined with you to eat their own dung and drink their own urine?”
13 ULB Ary nitsangana ny lehibe manam-pahefana ary nihiaka tamin'ny feo mafy tamin'ny fiteny Jiosy, miteny hoe: "Mihainoa ny tenin'ny mpanjaka lehibe, mpanjakan'i Asyria. BSB BSB: Then the Rabshakeh stood and called out loudly in Hebrew: “Hear the words of the great king, the king of Assyria!
14 ULB Hoy ny mpanjaka: "Aza mety hofitahin'i Hezekia ianao, fa tsy afaka ny hanavotra anao izy. BSB BSB: This is what the king says: Do not let Hezekiah deceive you, for he cannot deliver you.
15 ULB Aza avela hampatokian'i Hezekia amin'i Yaveh ianao, izay miteny hoe; "Hamonjy anay tokoa i Yaveh, tsy homena ho eo an-tanan'ny mpanjakan'ny Asyria ity tanàna ity. BSB BSB: Do not let Hezekiah persuade you to trust in the LORD when he says, ‘The LORD will surely deliver us; this city will not be given into the hand of the king of Assyria.’
16 ULB Aza mihaino an'i Hezekia fa izao no lazain'ny mpanjakan'i Asyria: "Mihavana amiko ary manatona ahy. Ary ny tsirairay aminareo dia hihinana avy amin'ny voalobony sy avy amin'ny hazo aviaviny ihany, ary hisotro ny rano ao anatin'ny fitoeran-dranony ihany. BSB BSB: Do not listen to Hezekiah, for this is what the king of Assyria says: Make peace with me and come out to me. Then every one of you will eat from his own vine and his own fig tree, and drink water from his own cistern,
17 ULB Izany no ataonareo ambara-pahatongako sy hakako anareo ho any amin'ny tany tahaka ny taninareo ihany, tanin'ny vary sy tanin'ny divay vaovao, tanin'ny mofo sy tanim-boaloboka." BSB BSB: until I come and take you away to a land like your own—a land of grain and new wine, a land of bread and vineyards.
18 ULB Aza mamela an'i Hezekia hamitaka anareo, miteny hoe: "Yaveh no hamonjy atsika". Moa nisy tamin'ireo andriamanitrin'ny vahoaka ve ka nahavonjy azy ireo avy eo an-tanan'ny mpanjakan'i Asyria? BSB BSB: Do not let Hezekiah mislead you when he says, ‘The LORD will deliver us.’ Has the god of any nation ever delivered his land from the hand of the king of Assyria?
19 ULB Aiza ireo andriamanitr'i Hamata sy Arpada? Ary aiza ihany koa ireo andriamanitr'i Sefarvaima? Moa ve nahavonjy an'i Samaria tamin'ny heriko izy ireo? BSB BSB: Where are the gods of Hamath and Arpad? Where are the gods of Sepharvaim? Have they delivered Samaria from my hand?
20 ULB Tamin'ireo andriamanitra rehetra teto amin'ny tany, moa nisy andriamanitra nahavonjy ny taniny tamin'ny heriko ve? Tahaka ny hoe afaka mamonjy an'i Jerosalema amin'ny heriko ve i Yaveh? BSB BSB: Who among all the gods of these lands has delivered his land from my hand? How then can the LORD deliver Jerusalem from my hand?”
21 ULB Fa ny vahoaka nijanona nangina ary tsy nisy namaly, fa izany no didin'ny mpanjaka hoe: "Aza mamaly azy." BSB BSB: But the people remained silent and did not answer a word, for Hezekiah had commanded, “Do not answer him.”
22 ULB Ary i Eliakima zanaka lahin'i Hilkia izay lehiben'ny ankohonana, sy Sebma mpanora-dalàna, ary Joa zanaka lahin'i Asafa, mpitàna ny raharaham-panjakana, dia nanatona an'i Hezekia miaraka amin'ireo akanjony rovitra, ary nitatitra taminy ireo tenin'ny lehibe manam-pahefana. BSB BSB: Then Hilkiah’s son Eliakim the palace administrator, Shebna the scribe, and Asaph’s son Joah the recorder came to Hezekiah with their clothes torn, and they relayed to him the words of the Rabshakeh.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.