1 ULB Tamin'ireo andro ireo i Hezekia dia narary mafy efa eo andalam-pahafatesana. Koa tonga teo aminy Isaia zanaka lahin'i Amoza, ilay mpaminany, ary nanao taminy hoe: "Izao no lazain'i Yaveh: 'Alamino ny tranonao; fa ho faty ianao, fa tsy ho velona."' BSB BSB: In those days Hezekiah became mortally ill. The prophet Isaiah son of Amoz came to him and said, “This is what the LORD says: ‘Put your house in order, for you are about to die; you will not recover.’”
2 ULB Dia nanodina ny tavany nankany amin'ny rindrina i Hezekia ary nivavaka tamin'i Yaveh. BSB BSB: Then Hezekiah turned his face to the wall and prayed to the LORD,
3 ULB Hoy izy: "Mba tsarovy re ry Yaveh, ny nandehanako am-pahatokiana tamin'ny foko manontolo teo anatrehanao, sy ny nanaovako ny tsara teo imasonao." Dia nitomany mafy i Hezekia avy eo. BSB BSB: saying, “Please, O LORD, remember how I have walked before You faithfully and with wholehearted devotion; I have done what is good in Your sight.” And Hezekiah wept bitterly.
4 ULB Ary tonga tamin'Isaia ny tenin'i Yaveh, manao hoe: BSB BSB: And the word of the LORD came to Isaiah, saying,
5 ULB "Mandehana ary lazao amin'i Hezekia, mpitarika ny oloko hoe: 'Izao no lazain'i Yaveh, ilay Andriamanitr'i Davida razambenao: Efa reko ny vavakao, ary efa hitako ireo ranomasonao. Indro, hanampy dimy ambin'ny folo taona amin'ny fiainanao Aho. BSB BSB: “Go and tell Hezekiah that this is what the LORD, the God of your father David, says: ‘I have heard your prayer; I have seen your tears. Behold, I will add fifteen years to your life.
6 ULB Dia hanavotra anao sy ity tanàna ity amin'ny tanan'ny mpanjakan'i Asyria Aho, ary hiaro ity tanàna ity. BSB BSB: And I will deliver you and this city from the hand of the king of Assyria. I will defend this city.
7 ULB Izao no ho famantarana avy amin'i Yaveh ho anao, fa ho ataoko izay nampanantenaiko. BSB BSB: This will be a sign to you from the LORD that He will do what He has promised:
8 ULB Indro, hampiverina ny aloka eo amin'ireo tohatr'i Ahaza ho folo dingana Aho."" Ka niverina ambaratonga folo ireo tohatra teo amin'izay nihoatra. BSB BSB: I will make the sun’s shadow that falls on the stairway of Ahaz go back ten steps.’” So the sunlight went back the ten steps it had descended.
9 ULB Izao no vavaka voasoratr'i Hezekia mpanjakan'i Joda, rehefa narary ary sitrana izy: BSB BSB: This is a writing by Hezekiah king of Judah after his illness and recovery:
10 ULB "Izaho nilaza fa eo amin'ny antenantenan'ny fiainako dia handeha amin'ireo vavahadin'ny fiainan-tsy hita aho; nalefa tany aho mandritra ny taona sisa hiainako. BSB BSB: I said, “In the prime of my life I must go through the gates of Sheol and be deprived of the remainder of my years.”
11 ULB Hoy aho hoe tsy hahita an'i Yaveh intsony aho, Yaveh any amin'ny tanin'ny velona; tsy hijery ny olombelona na ireo mponin'ny tany intsony aho. BSB BSB: I said, “I will never again see the LORD, even the LORD, in the land of the living; I will no longer look on mankind with those who dwell in this world.
12 ULB Nesorina sy nalàna tamiko tahaka ny lain'ny mpiandry ondry ny aiko; naforiporitro tahaka ny tenona ny aiko; manapaka ahy amin'ny fitaovana fanenomana Ianao; eo antenantenan'ny andro sy ny alina Ianao no manapitra ny aiko. BSB BSB: My dwelling has been picked up and removed from me like a shepherd’s tent. I have rolled up my life like a weaver; He cuts me off from the loom; from day until night You make an end of me.
13 ULB Nihiaka mafy mandra-maraina aho; tahaka ny liona no famakiany ireo taolako rehetra. Eo antenantenan'ny andro sy ny alina Ianao no manapitra ny aiko. BSB BSB: I composed myself until the morning. Like a lion He breaks all my bones; from day until night You make an end of me.
14 ULB Mikoraraika tahaka ny sidintsidina aho; mitolokoloko tahaka ny voromailala aho; reraka miandrandra ambony ny masoko. Ry Tompo, ory aho; ampio aho. BSB BSB: I chirp like a swallow or crane; I moan like a dove. My eyes grow weak as I look upward. O Lord, I am oppressed; be my security.”
15 ULB Inona no tokony ho lazaiko? Sady niteny izy, no nanatanteraka izany tamiko; hamindra moramora amin'ny taona hiainako rehetra aho satria tototry ny alahelo. BSB BSB: What can I say? He has spoken to me, and He Himself has done this. I will walk slowly all my years because of the anguish of my soul.
16 ULB Ry Tompo, ireo fijaliana nalefanao dia tsara ho ahy; ho averina amiko indray anie ny aiko; namerina ny aiko sy ny fahasalamako Ianao. BSB BSB: O Lord, by such things men live, and in all of them my spirit finds life. You have restored me to health and have let me live.
17 ULB Tombontsoa ho ahy ny niainako alahelo tahaka ireny. Nanavotra ahy tamin'ny lavaky ny faharavana Ianao; efa nanipy ireo fahotako rehetra ho any an-damosinao Ianao. BSB BSB: Surely for my own welfare I had such great anguish; but Your love has delivered me from the pit of oblivion, for You have cast all my sins behind Your back.
18 ULB Fa tsy misaotra anao ny fiainan-tsy hita; tsy midera anao ny fahafatesana; ireo izay midina ao anaty lavaka dia tsy manantena ny fahamendreham-pitokisanao. BSB BSB: For Sheol cannot thank You; Death cannot praise You. Those who descend to the Pit cannot hope for Your faithfulness.
19 ULB Ny olombelona, ny olombelona, izy no ilay iray izay manome fisaorana anao, tahaka ny ataoko amin'ity andro ity; ray mampahafantatra ny fahamendreham-pitokisanao amin'ireo zanaka. BSB BSB: The living, only the living, can thank You, as I do today; fathers will tell their children about Your faithfulness.
20 ULB Eo andalam-pamonjena ahy i Yaveh, ary hankalaza amin'ny hira izahay amin'ny androm-piainanay rehetra ao an-tranon'i Yaveh." BSB BSB: The LORD will save me; we will play songs on stringed instruments all the days of our lives in the house of the LORD.
21 ULB Ary hoy Isaia: "Aoka izy ireo haka vongan'aviavy ary hametraka izany eo amin'ny vay, dia ho sitrana izy." BSB BSB: Now Isaiah had said, “Prepare a lump of pressed figs and apply it to the boil, and he will recover.”
22 ULB Hoy ihany koa i Hezekia hoe: "Inona no ho famantarana fa tokony hiakatra ho any an-tranon'i Yaveh aho?" BSB BSB: And Hezekiah had asked, “What will be the sign that I will go up to the house of the LORD?”
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.