1 ULB Fa ankehitriny dia izao no lazain'i Yaveh, Izy izay namorona anao, ry Jakoba, ary Izy izay nanamboatra anao, ry Israely: "Aza matahotra, fa efa nanavotra anao Aho; efa niantso anao tamin'ny anaranao Aho, Ahy ianao." BSB BSB: But now, this is what the LORD says—He who created you, O Jacob, and He who formed you, O Israel: “Do not fear, for I have redeemed you; I have called you by your name; you are Mine!
2 ULB Raha mandeha mamakivaky ny rano ianareo, dia ho eo aminareo Aho; ary amin'ireo renirano, dia tsy hanafotra anareo ireny. Rehefa mandeha mamakivaky ny afo ianareo dia tsy ho may, ary tsy handrava anareo ny lelafo. BSB BSB: When you pass through the waters, I will be with you; and when you go through the rivers, they will not overwhelm you. When you walk through the fire, you will not be scorched; the flames will not set you ablaze.
3 ULB Fa Izaho no Yaveh Andriamanitrareo, ilay Iray Masin'Israely, Mpamonjinareo. Nomeko ho toy ny vidim-panavotanareo i Egypta, i Etiopia sy i Seba ho takalonareo. BSB BSB: For I am the LORD your God, the Holy One of Israel, your Savior; I give Egypt for your ransom, Cush and Seba in your place.
4 ULB Fa sarobidy sy miavaka eo imasoko ianareo, tiako ianareo; noho izany dia hanome olona ho takalonareo Aho, ary vahoaka hafa ho takalon'ny ainareo. BSB BSB: Because you are precious and honored in My sight, and because I love you, I will give men in exchange for you and nations in place of your life.
5 ULB Aza matahotra, fa momba anareo Aho; hitondra ny taranakareo avy any atsinanana Aho, ary hanangona anareo avy any andrefana. BSB BSB: Do not be afraid, for I am with you; I will bring your offspring from the east and gather you from the west.
6 ULB Hilaza amin'ny avaratra Aho hoe:' Afaho izy ireo', ary amin'ny atsimo hoe:' Aza misy tazonina;' Ento avy any lavitra ireo zanako lahy, ary ireo zanako vavy avy any amin'ireo faritany lavitry ny tany, BSB BSB: I will say to the north, ‘Give them up!’ and to the south, ‘Do not hold them back!’ Bring My sons from afar, and My daughters from the ends of the earth—
7 ULB ny tsirairay izay nantsoina tamin'ny Anarako, izay nohariako ho an'ny voninahitro, izay namboariko, eny, izay nataoko. BSB BSB: everyone called by My name and created for My glory, whom I have indeed formed and made.”
8 ULB Avoahy ireo olona izay jamba, na dia mana-maso aza izy ireo, sy ireo marenina, na dia manan-tsofina aza izy ireo. BSB BSB: Bring out a people who have eyes but are blind, and who have ears but are deaf.
9 ULB Miara-miangona ny firenena rehetra, ary mivory ny vahoaka. Iza amin'izy ireo no afaka nanambara izany sy nanambara taminay ireo tranga teo aloha? Aoka izy ireo hitondra ny vavolombelony mba hanaporofo marina azy ireo, aoka izy ireo hihaino sy hanamafy hoe:' Marina izany.' BSB BSB: All the nations gather together and the peoples assemble. Who among them can declare this, and proclaim to us the former things? Let them present their witnesses to vindicate them, so that others may hear and say, “It is true.”
11 ULB Izaho, Izaho no Yaveh, ary tsy misy Mpamonjy ankoatra Ahy. BSB BSB: I, yes I, am the LORD, and there is no Savior but Me.
12 ULB Efa nanambara Aho, namonjy, ary nanambara am-pahibemaso, ary tsy misy andriamani-kafa eo aminareo. Ianareo no vavolombeloko," hoy i Yaveh," Izaho no Andriamanitra. BSB BSB: I alone decreed and saved and proclaimed—I, and not some foreign god among you. So you are My witnesses,” declares the LORD, “that I am God.
13 ULB Hatramin'io andro io dia Izaho no Izy, ary tsy misy afaka manavotra an'iza na iza eo tanako. Miasa Aho, ary iza no afaka hamadika izany?" BSB BSB: Even from eternity I am He, and none can deliver out of My hand. When I act, who can reverse it?”
14 ULB Izao no lazain'i Yaveh, Mpanavotra anareo, ilay Iray Masin'Israely: "Fa noho ny aminareo no handefasako any Babylona sy hitarihako azy ireo rehetra hidina toy ny mpandositra, hamadihana ny fanehoan'ireo Babyloniana hafaliana ho hiram-pitomaniana. BSB BSB: Thus says the LORD your Redeemer, the Holy One of Israel: “For your sake, I will send to Babylon and bring them all as fugitives, even the Chaldeans, in the ships in which they rejoice.
15 ULB Izaho no Yaveh, ilay Iray Masinareo, Mpamorona an'Israely, Mpanjakanareo." BSB BSB: I am the LORD, your Holy One, the Creator of Israel, and your King.”
16 ULB Izao no lazain'i Yaveh(izay nanokatra lalana namakivaky ny ranomasina sy lalana teo amin'ny rano mahery, BSB BSB: Thus says the LORD, who makes a way in the sea and a path through the surging waters,
17 ULB izay namoaka ny kalesy sy ny soavaly, ny tafika sy ny miaramila mahery. Niara-lavo izy ireo; tsy hitsangana intsony izy ireo; maty izy ireo, mitsilopilopy tahaka ny lahin-jiro.) BSB BSB: who brings out the chariots and horses, the armies and warriors together, to lie down, never to rise again; to be extinguished, snuffed out like a wick:
18 ULB "Aza mieritreritra momba ireny zavatra taloha ireny, na mahatsiaro ireo zavatra taloha efa ela. BSB BSB: “Do not call to mind the former things; pay no attention to the things of old.
19 ULB Indro, Izaho efa manao zava-baovao; efa hanomboka mitranga izany ankehitriny; tsy mahalala izany ve ianareo? Hanao lalana any an-tany efitra sy rian-drano any an-tany karakaina Aho. BSB BSB: Behold, I am about to do something new; even now it is coming. Do you not see it? Indeed, I will make a way in the wilderness and streams in the desert.
20 ULB Hanome voninahitra Ahy ny bibidia an-tsaha, ireo amboadia sy ireo ostritsa, satria manome rano any an-tany karakaina Aho, ary renirano any an-tany efitra, mba hosotroin'ny vahoaka voafidiko, BSB BSB: The beasts of the field will honor Me, the jackals and the ostriches, because I provide water in the wilderness and rivers in the desert, to give drink to My chosen people.
21 ULB ireo vahoaka izay novolavolaiko ho Ahy ihany, fa mety hitantara ny fiderana Ahy izy ireo. BSB BSB: The people I formed for Myself will declare My praise.
22 ULB Fa tsy niantso Ahy ianao, ry Jakoba; reraka ny Amiko ianao, ry Israely. BSB BSB: But you have not called on Me, O Jacob, because you have grown weary of Me, O Israel.
23 ULB Tsy mba nitondra tamin'ireo ondrinareo ho fanatitra dorana ho Ahy ianareo, na nanome voninahitra Ahy tamin'ireo soronareo. Tsy nanavesatra anareo tamin'ny fanatitra vary Aho, na nanasatra anareo tamin'ny fangatahana ditin-kazo manitra. BSB BSB: You have not brought Me sheep for burnt offerings, nor honored Me with your sacrifices. I have not burdened you with offerings, nor wearied you with frankincense.
24 ULB Tsy nividy veromanitra ho Ahy tamin'ny vola ianareo, na nandraraka Tamiko ny jaboran'ireo soronareo; fa nanavesatra Ahy tamin'ny fahotanareo ianareo; nanasatra Ahy tamin'ireo asa ratsinareo. BSB BSB: You have not bought Me sweet cane with your silver, nor satisfied Me with the fat of your sacrifices. But you have burdened Me with your sins; you have wearied Me with your iniquities.
25 ULB Izaho, eny, Izaho, no Ilay mamono ny fandikan-dalànareo noho ny Amiko ihany; ary tsy hahatsiaro ireo fahotanareo intsony Aho. BSB BSB: I, yes I, am He who blots out your transgressions for My own sake and remembers your sins no more.
26 ULB Ampahatsiahivo Ahy izay nitranga. Aoka isika hiara-hifandahatra; asehoy ny hevitrareo, fa mety ho voaporofo ho tsy manan-tsiny ianareo. BSB BSB: Remind Me, let us argue the matter together. State your case, so that you may be vindicated.
27 ULB Nanota ny rainareo voalohany, ary nikomy tamiko ireo loholonareo. BSB BSB: Your first father sinned, and your spokesmen rebelled against Me.
28 ULB Noho izany dia holotoiko ireo manam-pahefana masina; hanao an'i Jakoba ho ringana tanteraka Aho, ary i Israely amin'ny fanalam-baraka mahery setra." BSB BSB: So I will disgrace the princes of your sanctuary, and I will devote Jacob to destruction and Israel to reproach.”
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.