1 ULB Izao no lazain'i Yaveh amin'ilay voahosony, amin'i Kyrosy, izay tazoniko amin'ny tanany ankavanana, mba haharesy ireo firenena eo anatrehany, mba hampilavo lefona ny mpanjaka, ary mba hanokatra ny varavarana eo anoloany, mba hijanona hisokatra ireo vavahady. BSB BSB: This is what the LORD says to Cyrus His anointed, whose right hand I have grasped to subdue nations before him, to disarm kings, to open the doors before him, so that the gates will not be shut:
2 ULB "Handeha eo anoloanao aho ary hampahitsy ireo tendrombohitra; ho tapatapahako ireo varavarana varahina ary ho potipotehiko ireo bara vy, BSB BSB: “I will go before you and level the mountains; I will break down the gates of bronze and cut through the bars of iron.
3 ULB ary homeko anao ireo haren'ny aizina sy ny harena niafina, mba hahafantaranao fa Izaho, Yaveh, no miantso anao amin'ny anaranao, dia Izaho, ilay Andriamanitr'Israely. BSB BSB: I will give you the treasures of darkness and the riches hidden in secret places, so that you may know that I am the LORD, the God of Israel, who calls you by name.
4 ULB Noho ny amin'i Jakoba mpanompoko, sy Israely voafidiko, dia niantso anao tamin'ny anaranao Aho: nanome anao anaram-boninahitra, na dia tsy nahafantatra Ahy aza ianao. BSB BSB: For the sake of Jacob My servant and Israel My chosen one, I call you by name; I have given you a title of honor, though you have not known Me.
6 ULB mba hahafantaran'ny olona hatrany amin'ny fiposahan'ny masoandro, ka hatrany andrefana, fa tsy misy andriamanitra ankoatra Ahy: Izaho no Yaveh, ary tsy misy hafa. BSB BSB: so that all may know, from where the sun rises to where it sets, that there is none but Me; I am the LORD, and there is no other.
7 ULB Izaho no nanao ny mazava ary nahary ny aizina; izao no mitondra fiadanana ary mahatonga loza; Izaho no Yaveh, izay manao izany zavatra rehetra izany. BSB BSB: I form the light and create the darkness; I bring prosperity and create calamity. I, the LORD, do all these things.
8 ULB Ianareo ry lanitra, aoka hanorana avy any ambony! Aoka ny habakabaka hanorana fahamarinana. Aoka ny tany hitroka izany, mba hitsimoka miaraka amin'izany ny famonjena, ary hiara-hitsiry amin'izany ny fahamarinana. Izaho, Yaveh, no nahary azy ireo. BSB BSB: Drip down, O heavens, from above, and let the skies pour down righteousness. Let the earth open up that salvation may sprout and righteousness spring up with it; I, the LORD, have created it.
9 ULB Loza ho an'izay rehetra miady amin'izay nanao azy, amin'izay toy ny vilany tany eo anivon'ireo vilany tany hafa eo amin'ny tany ihany! Moa ve ny tanimanga mba miteny amin'ny mpanefy tanimanga hoe: 'Inona izato amboarinao?' na 'Tsy mahafehy izany ny asanao'? BSB BSB: Woe to him who quarrels with his Maker—one clay pot among many. Does the clay ask the potter, ‘What are you making?’ Does your work say, ‘He has no hands’?
10 ULB Loza ho an'izay miteny amin'ny ray hoe: 'Inona ity aterakao?' na amina vehivavy hoe: 'Inona ity avoakanao?' BSB BSB: Woe to him who says to his father, ‘What have you begotten?’ or to his mother, ‘What have you brought forth?’”
11 ULB Izao no lazain'I Yaveh, ilay Iray Masin'Israely, Mpahary azy: 'Nahoana ianao no mametra-panontaniana ny amin'izay ataoko ho an'ny zanako? Miteny amiko izay tokony hatao mahakasika ireo asan'ny tanako ve ianao? BSB BSB: Thus says the LORD, the Holy One of Israel, and its Maker: “Concerning things to come, do you question Me about My sons, or instruct Me in the work of My hands?
12 ULB 'Izaho no nanao ny tany ary nahary ny olona teo amin'izany. Ny tanako no namelatra ny lanitra, ary Izaho no nandidy ny kintana rehetra mba hipoitra. BSB BSB: It is I who made the earth and created man upon it. It was My hands that stretched out the heavens, and I ordained all their host.
13 ULB Izaho no nanentana an'i Kyrosy tamin'ny fahamarinana, ary izaho no hanalama ny lalany rehetra. Izy no hanangana ny tanànako; izy no hampody ireo oloko sesitany, ary tsy misy vidiny na kolikoly,'" hoy i Yaveh tompon'ny maro. BSB BSB: I will raise up Cyrus in righteousness, and I will make all his ways straight. He will rebuild My city and set My exiles free, but not for payment or reward, says the LORD of Hosts.”
14 ULB Izao no lazain'i Yaveh: "Ny fidiram-bolan'i Egypta sy ny entam-barotr'i Etiopia mbamin'ireo Sabeana, izay olona lava ranjanana, dia ho entina eo aminao. Ho anao ireo. Hanaraka anao ireny, handeha miaraka amin'ny gadra vy. Hiankohoka eo aminao ireny ka hifona aminao hanao hoe: 'Miaraka aminao tokoa Andriamanitra, ary tsy misy hafa ankoatra Azy."' BSB BSB: This is what the LORD says: “The products of Egypt and the merchandise of Cush, along with the Sabeans, men of stature, will come over to you and will be yours; they will trudge behind you; they will come over in chains and bow down to you. They will confess to you: ‘God is indeed with you, and there is no other; there is no other God.’”
16 ULB Hiara-menatra sy ho afa-baraka avokoa ireny; ireo izay manao sampy voasokitra dia handeha amin'ny fahafaham-baraka. BSB BSB: They will all be put to shame and humiliated; the makers of idols will depart together in disgrace.
17 ULB Fa ho avotan'i Yaveh amin'ny famonjena mandrakizay Israely; tsy ho menatra na ho afa-baraka intsony ianao. BSB BSB: But Israel will be saved by the LORD with an everlasting salvation; you will not be put to shame or humiliated, to ages everlasting.
19 ULB Tsy niteny mangingina, tany amin'ny toerana miafina Aho; tsy mba niteny tamin'ny taranak'i Jakoba Aho hoe: 'Tadiavo fahatany Aho!' Izaho no Yaveh, izay miteny marina; zavatra marina no ambarako. BSB BSB: I have not spoken in secret, from a place in a land of darkness. I did not say to the descendants of Jacob, ‘Seek Me in a wasteland.’ I, the LORD, speak the truth; I say what is right.
20 ULB Vorio ny tenanareo ka avia! Miaraha-miangona, ianareo mpitsoa-ponenana avy any amin'ireo firenena! Tsy mba manam-pahalalana, ireo izay mitondra sary voasokitra sy mivavaka amin'ny andriamanitra izay tsy afa-mamonjy. BSB BSB: Come, gather together, and draw near, you fugitives from the nations. Ignorant are those who carry idols of wood and pray to a god that cannot save.
21 ULB Manakaikeza ary ambarao amiko izany, ento ny porofo! Aoka izy ireo hiara-hikononkonona. Iza no nampiseho izany hatry ny ela? Iza no nitory izany? Tsy Izaho Yaveh ve? Tsy misy Andriamanitra afa-tsy Izaho, dia Andriamanitra marina sady Mpamonjy; tsy misy hafa ankoatra ahy. BSB BSB: Speak up and present your case—yes, let them take counsel together. Who foretold this long ago? Who announced it from ancient times? Was it not I, the LORD? There is no other God but Me, a righteous God and Savior; there is none but Me.
23 ULB Mianiana amin'ny tenako Aho, milaza ny lalàna mariko, ary tsy hihemotra izany: 'Amiko no hitolefika ny lohalika rehetra, ary hianiana ny lela rehetra. BSB BSB: By Myself I have sworn; truth has gone out from My mouth, a word that will not be revoked: Every knee will bow before Me, every tongue will swear allegiance.
24 ULB Hilaza ny Amiko izy ireo hoe: "Ao amin'i Yaveh irery ihany ny famonjena sy ny hery."'"' Ho menatra avokoa ireo izay tezitra aminy. BSB BSB: Surely they will say of Me, ‘In the LORD alone are righteousness and strength.’” All who rage against Him will come to Him and be put to shame.
25 ULB Ao amin'i Yaveh no hanamarinana ny taranak'Israely rehetra; ao aminy no hireharehan'izy ireo. BSB BSB: In the LORD all descendants of Israel will be justified and will exult.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.