1 ULB Izao no lazain'i Yaveh: "Aiza ny fanamarinam-pisarahana izay nisarahako tamin'ny reninareo? Iza tamin'ireo mpampisambotra Ahy no nivarotako anareo? Indro, namidy ianareo noho ireo fahotanareo, ary noho ireo fikominareo, dia nalefa nandeha ny reninareo. BSB BSB: This is what the LORD says: “Where is your mother’s certificate of divorce with which I sent her away? Or to which of My creditors did I sell you? Look, you were sold for your iniquities, and for your transgressions your mother was sent away.
2 ULB Nahoana Aho no tonga kanefa tsy nisy olona tany? Nahoana Aho no niantso kanefa tsy nisy namaly? Moa fohy loatra ny tanako mba hanavotra anareo? Moa ve tsy nanan-kery Aho mba hamonjy anareo? Indro, amin'ny fitenenako mafy no andritako ny ranomasina; hanao ireo ony ho efitra Aho; matin'ny tsy fisian-drano sy hetaheta ny hazan-dranony. BSB BSB: Why was no one there when I arrived? Why did no one answer when I called? Is My hand too short to redeem you? Or do I lack the strength to deliver you? Behold, My rebuke dries up the sea; I turn the rivers into a desert; the fish rot for lack of water and die of thirst.
3 ULB ampitafiako aizina ny habakabaka, lamba fisaonana no anaronako izany." BSB BSB: I clothe the heavens in black and make sackcloth their covering.”
4 ULB Ny Tompo Yaveh no efa nanome ahy lela tahaka ireo izay efa nampianarina, mba hitenenako teny mampahery ho an'ny reraka; mamoha ahy isa-maraina Izy; mamoha ny sofiko mba hiaino tahaka ireo efa nampianarina Izy. BSB BSB: The Lord GOD has given Me the tongue of discipleship, to sustain the weary with a word. He awakens Me morning by morning; He awakens My ear to listen as a disciple.
5 ULB Efa nanokatra ny sofiko Yaveh, ka dia tsy mba nikomy aho, na nihodina nankany aoriana. BSB BSB: The Lord GOD has opened My ears, and I have not been rebellious, nor have I turned back.
6 ULB Nomeko ho an'ireo izay namely ahy ny lamosiko, ary ny tarehiko ho an'ireo izay nanongotra ny volom-bavako; tsy nanafina ny tavako tamin'ireo fihetsika nahamenatra sy naharikoriko aho. BSB BSB: I offered My back to those who struck Me, and My cheeks to those who tore out My beard. I did not hide My face from scorn and spittle.
7 ULB Fa ny Tompo Yaveh no hanampy ahy; noho izany dia tsy ho afa-baraka aho; koa dia efa nanao ny tarehiko ho afovato aho, satria fantatro fa tsy ho alàna baraka aho. BSB BSB: Because the Lord GOD helps Me, I have not been disgraced; therefore I have set My face like flint, and I know that I will not be put to shame.
8 ULB Izy izay hanamarina ahy dia eo akaikiko. Iza no hanohitra ahy? Andeha isika hitsangana ka hifanatrika. Iza no mpiampanga ahy? aoka izy hanakaiky ahy. BSB BSB: The One who vindicates Me is near. Who will dare to contend with Me? Let us confront each other! Who has a case against Me? Let him approach Me!
9 ULB Indro, ny Tompo Yaveh no hanampy ahy. Iza no hanameloka ahy? Indro, izy rehetra ireo ho rovitra tahaka ny akanjo, ny kalalao no hihinana azy ireo. BSB BSB: Surely the Lord GOD helps Me. Who is there to condemn Me? See, they will all wear out like a garment; the moths will devour them.
10 ULB Iza aminareo no matahotra an'i Yaveh? Iza no mankatò ny feon'ny mpanompony? Iza no mandeha amin'ny aizina lalina tsy misy fanilo? Tokony hatoky amin'ny anaran'i Yaveh izy ka hiantehitra amin'Andrimaniny. BSB BSB: Who among you fears the LORD and obeys the voice of His Servant? Who among you walks in darkness and has no light? Let him trust in the name of the LORD; let him lean on his God.
11 ULB Indro, ianareo rehetra izay mandrehitra afo; izay mivatsy fanilo; mandehana amin'ny hazavan'ny afonareo sy amin'ny afo izay efa narehitrareo. Izany no efa noraisinareo avy amiko, dia handrianareo eny amin'ny toeran'ny fanaintainana. BSB BSB: Behold, all you who kindle a fire, who array yourselves with firebrands, walk in the light of your fire and of the firebrands you have lit! This is what you will receive from My hand: You will lie down in a place of torment.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.