1 ULB Mihainoa Ahy, ianareo izay manaraka ny fahamarinana, ianareo izay mitady an'i Yaveh: jereo ny vatolampy izay nanesorana anareo sy ny fihadiam-bato izay nanalana anareo. BSB BSB: “Listen to Me, you who pursue righteousness, you who seek the LORD: Look to the rock from which you were cut, and to the quarry from which you were hewn.
2 ULB Jereo Abrahama, rainareo, sy Saraha, izay niteraka anareo; fa fony mbola tokana izy, dia niantso azy Aho. Nitahy azy Aho ary nahamaro azy. BSB BSB: Look to Abraham your father, and to Sarah who gave you birth. When I called him, he was but one; then I blessed him and multiplied him.
3 ULB Eny, Yaveh no hampionona an'i Ziona; hampionona ireo toerany banga Izy; ny tany efiny nataony tahaka an'i Edena, ny tany karakainany eo anilan'ny Ony Lohasahan'i Jordana ho toy ny zaridainan'i Yaveh; faharavoravoana sy fifaliana no hita ao aminy, fisaorana, ary feon'ny fihirana. BSB BSB: For the LORD will comfort Zion and will look with compassion on all her ruins; He will make her wilderness like Eden and her desert like the garden of the LORD. Joy and gladness will be found in her, thanksgiving and melodious song.
4 ULB "Mifantoha amiko, ry vahoakako; ary mihainoa Ahy ry vahoakako! Fa hamoaka didy Aho, ary hataoko ho fahazavana ho an'ny firenena rehetra ny fahamarinako. BSB BSB: Pay attention to Me, My people, and listen to Me, My nation; for a law will go out from Me, and My justice will become a light to the nations; I will bring it about quickly.
5 ULB Akaiky ny fahamarinako; hivoaka ny famonjeko, ary ny sandriko no hitsara ireo firenena; ireo tany amoron-tsiraka dia hiandry Ahy; fa ny sandriko no endrasan'izy ireo fatratra. BSB BSB: My righteousness draws near, My salvation is on the way, and My arms will bring justice to the nations. The islands will look for Me and wait in hope for My arm.
6 ULB Andrandrao eny amin'ny lanitra ny masonareo, ary jereo ny tany ambany, fa ho levona toy ny setroka ny lanitra, ny tany ho voritra tahaka ny akanjo, ary ny mponina eo amin'izany ho faty toy ny lalitra. Fa ny famonjeko dia haharitra mandrakizay, ary ny fahamarinako dia tsy hitsahatra hiasa. BSB BSB: Lift up your eyes to the heavens, and look at the earth below; for the heavens will vanish like smoke, the earth will wear out like a garment, and its people will die like gnats. But My salvation will last forever, and My righteousness will never fail.
7 ULB Mihainoa Ahy, ianareo izay mahalala ny marina, ianareo vahoaka izay manana ny lalako ao am-ponareo: "Aza matahotra ny faniratsiran'ny olona na kivy amin'ny fanararaotany. BSB BSB: Listen to Me, you who know what is right, you people with My law in your hearts: Do not fear the scorn of men; do not be broken by their insults.
8 ULB Fa ny kalalao hihinana azy ireo toy ny akanjo, ary ny kankana hihinana azy ireo toy ny volon'ondry; fa ho mandrakizay ny fahamarinako, ary ho an'ny taranaka rehetra ny famonjeko." BSB BSB: For the moth will devour them like a garment, and the worm will eat them like wool. But My righteousness will last forever, My salvation through all generations.”
9 ULB Mifohaza, mifohaza, tafio hery ny tenanareo, dia ny sandrin'i Yaveh. Mifohaza tahaka ny tamin'ny andro fahiny, ny taranaka tamin'ny fotoana fahiny. Tsy ianao ve no nanitsakitsaka an-dRahaba, ianao izay nandefona ilay dragona? BSB BSB: Awake, awake, put on strength, O arm of the LORD. Wake up as in days past, as in generations of old. Was it not You who cut Rahab to pieces, who pierced through the dragon?
10 ULB Tsy Ianao ve no nandritra ny ranomasina, ny ranon'ny lalina indrindra, ary manao ny fanambanin'ny ranomasina ho lalam-pamonjena mba handalovana? BSB BSB: Was it not You who dried up the sea, the waters of the great deep, who made a road in the depths of the sea for the redeemed to cross over?
11 ULB Ny navotan'i Yaveh dia hiverina ary hankany Ziona amin'ny hiakiam-piravoravoana sy am-pifaliana mandrakizay eo amin'ny lohan'izy ireo; ary ny fifaliana sy faharavoravoana hameno azy ireo, ka handositra azy ireo ny alahelo sy ny fisaonana. BSB BSB: So the redeemed of the LORD will return and enter Zion with singing, crowned with everlasting joy. Gladness and joy will overtake them, and sorrow and sighing will flee.
12 ULB "Izaho dia Izaho no ilay mampionona anao. Inona no hatahoranao ny olona, izay ho faty, ny zanak'olombelona izay natao toy ny ahitra? BSB BSB: “I, even I, am He who comforts you. Why should you be afraid of mortal man, of a son of man who withers like grass?
13 ULB Nahoana no nanadino an'i Yaveh izay mpahary anao ianao, izay naninjitra ny lanitra sy nametraka ny fanambanin'ny tany? Miaina amin'ny tahotra lalandava ianao isan'andro nohon'ny firehetan'ny fahatezeran'ny mpampahory raha tapa-kevitra ny handringana izy. Aiza ny fahatezeran'ny mpampahory? BSB BSB: But you have forgotten the LORD, your Maker, who stretched out the heavens and laid the foundations of the earth. You live in terror all day long because of the fury of the oppressor who is bent on destruction. But where is the fury of the oppressor?
14 ULB Izay mitanondrika, ho avy faingana hanafaka i Yaveh; tsy ho faty ary tsy handeha hidina any an-davaka, na tsy hanana mofo izy. BSB BSB: The captive will soon be freed; he will not die in the dungeon, and his bread will not be lacking.
15 ULB Fa Izaho no Yaveh Andriamanitrao, izay mampanonja ny ranomasina mba hampierona ny onjan'izany_ Yaveh Tompon'ny maro no Anarany. BSB BSB: For I am the LORD your God who stirs up the sea so that its waves roar—the LORD of Hosts is His name.
16 ULB Efa nametraka teo am-bavanao ireo teniko, ary nanarona anao tao amin'ny aloky ny tanako Aho, mba hahafahako manorina ny lanitra, sy mametraka ny fanambanin'ny tany, ka hiteny amin'ny Ziona hoe: 'Vahoakako ianao."' BSB BSB: I have put My words in your mouth, and covered you with the shadow of My hand, to establish the heavens, to found the earth, and to say to Zion, ‘You are My people.’”
17 ULB Mifohaza, mifohaza, mitsangàna, ry Jerosalema, ianao izay efa nisotro tamin'ny tanan'i Yaveh avy tamin'ny lovian'ny fahatezerany; ianao izay efa nisotro tamin'ny lovia, hatreny amin'ny faikany ambany amin'ny kapoakan'ny fivembenana. BSB BSB: Awake, awake! Rise up, O Jerusalem, you who have drunk from the hand of the LORD the cup of His fury; you who have drained the goblet to the dregs—the cup that makes men stagger.
18 ULB Tsy misy tamin'ireo zanany lahy rehetra izay naterany mba hitarika azy; tsy misy tamin'ireo zanany lahy izay natsangany mba hitantana azy. BSB BSB: Among all the sons she bore, there is no one to guide her; among all the sons she brought up, there is no one to take her hand.
19 ULB Mitranga aminao ireo olana roa ireo_ iza no alahelo iaraka aminao?_ faharavana sy fandringanana, ary ny mosary sy ny sabatra. Iza no hampionona anao? BSB BSB: These pairs have befallen you: devastation and destruction, famine and sword. Who will grieve for you? Who can comfort you?
20 ULB Efa reraka ireo zanakao lahy; lavo eny anjoron-dalam-be rehetra eny izy ireo, toy ny diera ao anaty harato; mameno azy ireo ny fahaviniran'i Yaveh, ny teny mafin'Andriamanitrao. BSB BSB: Your sons have fainted; they lie at the head of every street, like an antelope in a net. They are full of the wrath of the LORD, the rebuke of your God.
21 ULB Fa ankehitriny henoy izao, ianao izay nampahoriana sy nomamoina, nefa tsy mamon-divay: BSB BSB: Therefore now hear this, you afflicted one, drunken, but not with wine.
22 ULB Yaveh Tomponao, Andriamanitrao, izay mandahatra ny manjo ny olony, miteny hoe: "Indro, efa nesoriko teo an-tananao ny kapoakan'ny fivembenana_ ny lovia, izay kapoakin'ny fahatezerako_ mba tsy hisotronao izany intsony. BSB BSB: Thus says your Lord, the LORD, even your God, who defends His people: “See, I have removed from your hand the cup of staggering. From that goblet, the cup of My fury, you will never drink again.
23 ULB Hataoko eo an-tanan'ny mpanenjika anao izany, izay efa niteny taminao hoe: "Mitsilania mba hahafahanay manitsakitsaka anao'; nataonao ho toy ny tany sy toy ny lalana handehanan'izy ireo ny lamosinao. BSB BSB: I will place it in the hands of your tormentors, who told you: ‘Lie down, so we can walk over you,’ so that you made your back like the ground, like a street to be traversed.”
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.