1 ULB "Mihirà, ry vehivavy momba, ianareo izay tsy niteraka; miravoravoa amin'ny hiram-pifaliana ary mihiakà mafy, ianareo izay tsy mba nihetsi-jaza. Fa ny zanaky ny mpitondra tena dia maro kokoa noho ny zanaky ny vehivavy manambady," hoy i Yaveh. BSB BSB: “Shout for joy, O barren woman, who bears no children; break forth in song and cry aloud, you who have never travailed; because more are the children of the desolate woman than of her who has a husband,” says the LORD.
2 ULB Ataovy lehibe kokoa ny lainareo ary velaro ny ambain-dainareo, velaro tsara; alavao ny tadinareo ary hamafiso ny tsato-kazonareo. BSB BSB: “Enlarge the site of your tent, stretch out the curtains of your dwellings, do not hold back. Lengthen your ropes and drive your stakes in deep.
3 ULB Fa hiely any an-kavanana sy any an-kavia ianareo, ary ireo taranakareo dia handresy ireo firenena ary honina amin'ireo tanàna lao. BSB BSB: For you will spread out to the right and left; your descendants will dispossess the nations and inhabit the desolate cities.
4 ULB Aza matahotra fa tsy ho menatra ianareo, na kivy fa tsy ho afa-baraka ianareo; hanadino ny henatry ny hatanoranareo sy ny fahafaham-barakan'ny fandaozana anareo ianareo. BSB BSB: Do not be afraid, for you will not be put to shame; do not be intimidated, for you will not be humiliated. For you will forget the shame of your youth and will remember no more the reproach of your widowhood.
5 ULB Fa ilay Mpahary anareo no vadinareo; Yaveh tompon'ny maro no Anarany. Ilay Iray Masin'Israely no Mpanavotra anareo; Izy dia antsoina hoe Andriamanitry ny tany rehetra. BSB BSB: For your husband is your Maker—the LORD of Hosts is His name—the Holy One of Israel is your Redeemer; He is called the God of all the earth.
6 ULB Fa Yaveh efa namerina niantso anareo ho toy ny vady izay nilaozana sy malahelo am-panahy, tahaka ny vehivavy nanambady tanora ary nariana," hoy ny Andriamanitrareo. BSB BSB: For the LORD has called you back, like a wife deserted and wounded in spirit, like the rejected wife of one’s youth,” says your God.
7 ULB "Fa nanary anareo nandritra ny fotoana fohy Aho, fa amin'ny fangorahana lehibe no hanangonako anareo. BSB BSB: “For a brief moment I forsook you, but with great compassion I will bring you back.
8 ULB Vetivety ihany no nanafenako ny tavako taminareo tamin'ny tondra-dranon'ny hatezerana; fa amin'ny fanekena mahatoky tsy manam-pahataperana no hangorahako anareo—hoy i Yaveh, ilay iray izay manavotra anareo. BSB BSB: In a surge of anger I hid My face from you for a moment, but with everlasting kindness I will have compassion on you,” says the LORD your Redeemer.
9 ULB Fa izao dia tahaka ny tondra-dranon'i Noa Amiko: tahaka ny nianianako fa ny tondra-dranon'i Noa dia tsy handalo amin'ny tany intsony, no hianianako fa tsy ho tezitra aminareo na hiteny mafy anareo Aho. BSB BSB: “For to Me this is like the days of Noah, when I swore that the waters of Noah would never again cover the earth. So I have sworn that I will not be angry with you or rebuke you.
10 ULB Na hianjera aza ireo tendrombohitra na koa hiozongozona aza ireo havoana, ny fitiavako tsy miova kosa dia tsy hiodina aminareo, na ny fiadanako mahatoky ho voaozongozona—hoy i Yaveh, izay mamindra fo anareo. BSB BSB: Though the mountains may be removed and the hills may be shaken, My loving devotion will not depart from you, and My covenant of peace will not be broken,” says the LORD, who has compassion on you.
11 ULB Ianareo ory, afotofoton'ny tafio-drivotra sy tsy manana fampiononana, indro, ho ataoko amin'ny vatosoa ny rarivatonareo, ary amin'ny safira no hametrahako ny fototrareo. BSB BSB: “O afflicted city, lashed by storms, without solace, surely I will set your stones in antimony and lay your foundations with sapphires.
12 ULB Hataoko robina ireo tilikambonareo ary amin'ny vato mamirapiratra ny vavahadinareo, ary ny mandanareo any ivelany amin'ny vato tsara tarehy. BSB BSB: I will make your pinnacles of rubies, your gates of sparkling jewels, and all your walls of precious stones.
13 ULB Dia i Yaveh no hampianatra ireo zanakareo rehetra; ary ho lehibe ny fiadanan'ireo zanakareo. BSB BSB: Then all your sons will be taught by the LORD, and great will be their prosperity.
14 ULB Amin'ny fahamarinana no hamerenako anareo amin'ny laoniny. Tsy hiaina fanenjehana intsony ianareo, ka tsy hatahotra ianareo, ary tsy hisy na inona na inona mampitahotra ho avy eo anilanareo. BSB BSB: In righteousness you will be established, far from oppression, for you will have no fear. Terror will be far removed, for it will not come near you.
15 ULB Indro, raha misy olona mitarika korontana, dia tsy avy Amiko izany; na iza na iza mitarika korontana eo aminareo dia ho lavo amin'ny faharesena. BSB BSB: If anyone attacks you, it is not from Me; whoever assails you will fall before you.
16 ULB Indro, efa nahary mpanao asa tanana, izay mitsoka ny vain'afo mirehitra sy manefy fitaovam-piadiana ho asany Aho, ary efa nahary ny mpamotika mba hamotika Aho. BSB BSB: Behold, I have created the craftsman who fans the coals into flame and forges a weapon fit for its task; and I have created the destroyer to wreak havoc.
17 ULB Tsy misy fitaovam-piadiana izay voaforona hanohitra anareo haharesy; ary ianareo dia hanameloka izay rehetra miampanga anareo. Izany no lovan'ireo mpanompon'i Yaveh, ary ny fanamarinan'izy ireo avy Amiko—izany no fanambaran'i Yaveh." BSB BSB: No weapon formed against you shall prosper, and you will refute every tongue that accuses you. This is the heritage of the servants of the LORD, and their vindication is from Me,” declares the LORD.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.