1 ULB Indro, ny tanan'i Yaveh tsy fohy akory ka tsy hahavonjy; ary ny sofiny tsy lalodalovana, ka tsy handre. BSB BSB: Surely the arm of the LORD is not too short to save, nor His ear too dull to hear.
2 ULB Ny asa ratsinareo, kanefa, no nampisaraka anareo tamin'ny Andriamanitrareo, ary ny fahotanareo no nahatonga Azy hanafina ny tavany aminareo ka tsy hihaino anareo. BSB BSB: But your iniquities have built barriers between you and your God, and your sins have hidden His face from you, so that He does not hear.
3 ULB Fa tasin'ny rà ny tananareo ary ny ratsan-tananareo tasin'ny fahotana. Milaza lainga ny molotrareo ary ny lelanareo miteny amin-kafetsena. BSB BSB: For your hands are stained with blood, and your fingers with iniquity; your lips have spoken lies, and your tongue mutters injustice.
4 ULB Tsy misy miantso ny marina, ary tsy misy mifona amin'ny fahamarinana. Mitoky amin'ny teny foana izy ireo, ary milaza lainga; lainga no torotoroniny ary fahotana no aterany. BSB BSB: No one calls for justice; no one pleads his case honestly. They rely on empty pleas; they tell lies; they conceive mischief and give birth to iniquity.
5 ULB Mikotrika atodim-bibilava feno poizina izy ireo ary manenona tranon-kala. Izay rehetra mihinana ny atodiny dia maty, ary raha misy atody voahitsaka, dia foy ho bibilava feno poizina izany. BSB BSB: They hatch the eggs of vipers and weave a spider’s web. Whoever eats their eggs will die; crack one open, and a viper is hatched.
6 ULB Tsy azo ampiasaina hatao akanjo ny tranon-kalany, na afaka manarona ny tenany ny asany. Asan'ny fahotana ny asany, ary asan'ny herisetra no eo an-tanany. BSB BSB: Their cobwebs cannot be made into clothing, and they cannot cover themselves with their works. Their deeds are sinful deeds, and acts of violence are in their hands.
7 ULB Mihazakazaka ho any amin'ny ratsy ny tongony, ary mihazakazaka handatsaka rà tsy manan-tsiny izy ireo. Fihevitra fahotana ny fiheviny; herisetra sy fandravana no lalany. BSB BSB: Their feet run to evil; they are swift to shed innocent blood. Their thoughts are sinful thoughts; ruin and destruction lie in their wake.
8 ULB Ny lalan'ny fiadanana tsy mba fantatr'izy ireo, ary tsy misy rariny eo amin'ny lalany. Nanamboatra lala-meloka izy ireo; izay rehetra mandeha amin'izany lalana izany dia tsy mahita fiadanana. BSB BSB: The way of peace they have not known, and there is no justice in their tracks. They have turned them into crooked paths; no one who treads on them will know peace.
9 ULB Noho izany dia lavitra anay ny rariny, ary tsy mahatratra anay ny fahamarinana. Miandry fahazavana izahay, nefa mahita aizina; mitady famirapiratana izahay, kanefa mandeha amin'ny aizina. BSB BSB: Therefore justice is far from us, and righteousness does not reach us. We hope for light, but there is darkness; for brightness, but we walk in gloom.
10 ULB Mitsapatsapa rindrina tahaka ny jamba izahay, tahaka ireo izay tsy mahita. Voafingana amin'ny atoandrobenanahary izahay toy ny hoe amin'ny takariva; eo amin'ny ireo mahery dia tahaka ny olona maty izahay. BSB BSB: Like the blind, we feel our way along the wall, groping like those without eyes. We stumble at midday as in the twilight; among the vigorous we are like the dead.
11 ULB Mierona tahaka ny bera izahay ary mitolokoloko tahaka ny voromailala; miandry rariny izahay, saingy tsy misy; miandry fanavotana, saingy lavitra anay izany. BSB BSB: We all growl like bears and moan like doves. We hope for justice, but find none, for salvation, but it is far from us.
12 ULB Fa eo anoloanao ny helokay, ary ny fahotanay no miampanga anay; fa ny helokay dia miaraka aminay, ary fantatray ny fahotanay. BSB BSB: For our transgressions are multiplied before You, and our sins testify against us. Our transgressions are indeed with us, and we know our iniquities:
13 ULB Nikomy izahay, nandà an'i Yaveh ary niala tamin'ny fanarahana ny Andriamanitray. Nilaza fampahoriana izahay ary nivily lalana, namorona fitarainana avy ao am-ponay sy teny lainga. BSB BSB: rebelling and denying the LORD, turning away from our God, speaking oppression and revolt, conceiving and uttering lies from the heart.
14 ULB Nesorina ny rariny, ary mijoro lavitra dia lavitra ny fahamarinana; fa tafintohina eny ankalamanjana ny fahamarinana, ary tsy ho tonga ny marina. BSB BSB: So justice is turned away, and righteousness stands at a distance. For truth has stumbled in the public square, and honesty cannot enter.
15 ULB Efa dify lavitra ny fahamendreham-pitokisana, ary ilay iray izay miala amin'ny ratsy no mahatonga ny tenany ho tra-doza. Hitan'i Yaveh izany ary tsy faly Izy fa tsy misy ny rariny. BSB BSB: Truth is missing, and whoever turns from evil becomes prey. The LORD looked and was displeased that there was no justice.
16 ULB Nahita Izy fa tsy misy olona, ary talanjona fa tsy mba misy miditra an-tsehatra. Noho izany dia ny tanany ihany no nitondra famomjena ho Azy, ary ny fahamarinany no nanohana Azy. BSB BSB: He saw that there was no man; He was amazed that there was no one to intercede. So His own arm brought salvation, and His own righteousness sustained Him.
17 ULB Mitafy fahamarinana ho saron-tratra Izy ary aro-loha famonjena eo amin'ny lohany. Nitafy ankanjo valifaty izy ary nanao ny zotom-po ho aron'akanjo. BSB BSB: He put on righteousness like a breastplate, and the helmet of salvation on His head; He put on garments of vengeance and wrapped Himself in a cloak of zeal.
18 ULB Novaliany noho izay vitany izy ireo, dia fitsarana feno fahatezerana amin'ny rafiny, famaliana ho an'ny fahavalony, ary famaizana ho valim-pitian'ireo. BSB BSB: So He will repay according to their deeds: fury to His enemies, retribution to His foes, and recompense to the islands.
19 ULB Koa dia hatahotra ny anaran'i Yaveh avy any andrefana izy ireo, ary ny voninahiny avy any amin'ny fiposahan'ny masoandro; fa ho avy tahaka ny riaka mipaoka Izy, izay entin'ny fofonain'i Yaveh. BSB BSB: So shall they fear the name of the LORD where the sun sets, and His glory where it rises. For He will come like a raging flood, driven by the breath of the LORD.
20 ULB "Misy mpanavotra tonga ao Ziona ary amin'ireo izay miala amin'ny asany feno fikomiana ao amin'i Jakoba—izany no fanambaran'i Yaveh. BSB BSB: “The Redeemer will come to Zion, to those in Jacob who turn from transgression,” declares the LORD.
21 ULB Raha ny amiko, dia izao no fanekeko amin'izy ireo—hoy Yaveh—ny fanahiko izay ao amin'izy ireo, ary ny teniko izay napetrako teo am-bavanao, dia tsy hiala amin'ny vavanao, na hiala amin'ny vavan'ireo zanakao, na hiala amin'ny vavan'ireo zafinao—hoy Yaveh—manomboka izao ka ho mandrakizay." BSB BSB: “As for Me, this is My covenant with them,” says the LORD. “My Spirit will not depart from you, and My words that I have put in your mouth will not depart from your mouth or from the mouths of your children and grandchildren, from now on and forevermore,” says the LORD.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.