1 ULB Mitsangàna, mihazavà; fa tonga ny fahazavanao, ary efa nisandratra taminao ny voninahitr'i Yaveh. BSB BSB: Arise, shine, for your light has come, and the glory of the LORD rises upon you.
2 ULB Fa handrakotra ny tany ny aizina, ary ireo firenena ny aizim-pito; nefa hisandratra eo aminao Yaveh, ka ho hitanao ny voninahiny. BSB BSB: For behold, darkness covers the earth, and thick darkness is over the peoples; but the LORD will rise upon you, and His glory will appear over you.
3 ULB Ho tonga eo amin'ny fahazavanao ireo firenena, ary eo amin'ny tara-pahazavanao izay misandratra ireo mpanjaka. BSB BSB: Nations will come to your light, and kings to the brightness of your dawn.
4 ULB Mijere manodidina ka tazano. Miara-miangona izy rehetra ka tonga eo aminao. Ho tonga avy any lavitra ireo zanakao lahy, ary ho entina eo an-tsandriny ireo zanakao vavy. BSB BSB: Lift up your eyes and look around: They all gather and come to you; your sons will come from afar, and your daughters will be carried on the arm.
5 ULB Dia hijery ianao ka ho miramirana, ary tokony hifaly sy ho safotra ny fonao, satria hararaka aminao ny habetsahan'ny ranomasina, ho tonga aminao ny haren'ireo firenena. BSB BSB: Then you will look and be radiant, and your heart will tremble and swell with joy, because the riches of the sea will be brought to you, and the wealth of the nations will come to you.
6 ULB Handrakotra anao ireo andian-drameva, dia ireo rameva tanora any Midiana sy Efaha; ireo rehetra ireo dia ho avy any Sheba avokoa; hitondra volamena sy ditin-kazo manitra ireo, ary hihira fiderana an'i Yaveh. BSB BSB: Caravans of camels will cover your land, young camels of Midian and Ephah, and all from Sheba will come, bearing gold and frankincense and proclaiming the praises of the LORD.
7 ULB Ireo ondry aman'osin'i Kedara rehetra dia hangonina eo aminao, ireo ondry lahin'i Nebaiota dia hety amin'izay ilainao; ho fanatitra ankasitrahina eo amin'ny alitarako ireo; ary homeko voninahitra ny tranoko be voninahitra. BSB BSB: All the flocks of Kedar will be gathered to you; the rams of Nebaioth will serve you and go up on My altar with acceptance; I will adorn My glorious house.
8 ULB Iza moa ireny manidina tahaka ny rahona, sy tahaka ny voromailala ao amin'ny fialofany ireny? BSB BSB: Who are these who fly like clouds, like doves to their shelters?
9 ULB Mitady Ahy ny tany amorontsiraka, ary mitarika ny sambon'i Tarsisy, mba hitondra ireo zanakao lahy avy lavitra, ny volafotsiny sy ireo volamenany miaraka amin'izy ireo, ho an'ny anaran'i Yaveh Andriamanitrao, sy ho an'Ilay Masin'Israely, satria efa nanome voninahitra anao Izy. BSB BSB: Surely the islands will wait for Me, with the ships of Tarshish in the lead, to bring your children from afar, with their silver and gold, to the honor of the LORD your God, the Holy One of Israel, for He has glorified you.
10 ULB Ny zanaka lahin'ireo hafa firenena hanangana indray ireo mandanao; ary hanompo anao ireo mpanjakany; fa na dia tamin'ny fahatezerako aza no namaizako anao, dia amin'ny fankasitrahako kosa no hangorahako anao. BSB BSB: Foreigners will rebuild your walls, and their kings will serve you. Although I struck you in anger, yet in favor I will show you mercy.
11 ULB Hisokatra hatrany hatrany ihany koa ireo vavahadinao; tsy hakatona na andro na alina ireo, mba hitondrana ny haren'ireo firenena, mbamin'ireo mpanjakany tarihina. BSB BSB: Your gates will always stand open; they will never be shut, day or night, so that the wealth of the nations may be brought into you, with their kings being led in procession.
12 ULB Ireo firenena sy ireo fanjakana izay tsy hanompo anao dia ho levona tokoa; ho rava tanteraka izany firenena izany. BSB BSB: For the nation or kingdom that will not serve you will perish; it will be utterly destroyed.
13 ULB Ho tonga aminao ny voninahitr'i Libanona, ny hazo kypreso, ny kesika, ary ny bokso miaraka, dia hanendrika ny fitoerako masina; ary hanome voninahitra ny fitoeran-tongotro Aho. BSB BSB: The glory of Lebanon will come to you—its cypress, elm, and boxwood together—to adorn the place of My sanctuary, and I will glorify the place of My feet.
14 ULB Ho tonga eo aminao mba hiankohoka izy ireo, dia ny zanaka lahin'ireo izay nanetry anao; hiankohoka eo an-tongotrao izy ireo; hiantso anao hoe Ilay tanàn'i Yaveh izy ireo, dia i Zion'Ilay Masin'Israely. BSB BSB: The sons of your oppressors will come and bow down to you; all who reviled you will fall facedown at your feet and call you the City of the LORD, Zion of the Holy One of Israel.
15 ULB Ho solonao nilaozana sy nankahalaina, ka tsy misy mandalo anao, dia hataoko zavatra fireharehana mandrakizay ianao, fifaliana hatramin'ny taranaka mifandimby. BSB BSB: Whereas you have been forsaken and despised, with no one passing through, I will make you an everlasting pride, a joy from age to age.
16 ULB Hisotro ny rononon'ireo firenena ihany koa ianao, ary hinono eo amin'ny tratran'ireo mpanjaka; dia ho fantatrao fa Izaho, no Yaveh, Mpamonjy anao sy Mpanavotra anao, Ilay Masin'i Jakoba. BSB BSB: You will drink the milk of nations and nurse at the breasts of royalty; you will know that I, the LORD, am your Savior and your Redeemer, the Mighty One of Jacob.
17 ULB Ho solon'ny varahina dia hitondra volamena Aho, ho solon'ny vy dia hitondra volafotsy Aho; ho solon'ny hazo, dia varahina; ary ho solon'ny vato, dia vy. Hanendry fiadanana ho governoranao aho, ary rariny no mpanapakao. BSB BSB: Instead of bronze I will bring you gold; I will bring silver in place of iron, bronze instead of wood, and iron instead of stones. I will appoint peace as your governor and righteousness as your ruler.
18 ULB Tsy ho re ao amin'ny taninao intsony ny herisetra, na fandravana na fahapotipotehina ao amin'ireo faritaninao; fa ho antsoinao hoe Famonjena ireo mandanao, ary Fiderana ireo vavahadinao. BSB BSB: No longer will violence be heard in your land, nor ruin or destruction within your borders. But you will name your walls Salvation and your gates Praise.
19 ULB Tsy ho fahazavanao ny andro intsony ny masoandro, na hamiratra aminao ny fahazavan'ny volana; fa Yaveh no ho fahazavanao maharitra mandrakizay, ary ny Andriamanitrao no voninahitrao. BSB BSB: No longer will the sun be your light by day, nor the brightness of the moon shine on your night; for the LORD will be your everlasting light, and your God will be your splendor.
20 ULB Tsy hilentika intsony ny masoandronao, na hiala ka hanjavona ny volanao; fa Yaveh no ho fahazavanao maharitra mandrakizay, ka hifarana ireo andro fisaonanao. BSB BSB: Your sun will no longer set, and your moon will not wane; for the LORD will be your everlasting light, and the days of your sorrow will cease.
21 ULB Ho marina avokoa ny vahoakanao rehetra; haka ny tany amin'ny fotoana rehetra izy ireo, dia ny rantsan'ny voliko, ny asan'ny tanako, mba homena voninahitra Aho. BSB BSB: Then all your people will be righteous; they will possess the land forever; they are the branch of My planting, the work of My hands, so that I may be glorified.
22 ULB Ho tonga an'arivony ny kely, ary ho firenena matanjaka ny bitika; Izaho, Yaveh, dia hanatanteraka ireo faingana rehefa tonga ny fotoana. BSB BSB: The least of you will become a thousand, and the smallest a mighty nation. I am the LORD; in its time I will accomplish it quickly.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.