1 ULB Ato amiko ny Fanahin'ny Tompo Yaveh, satria nanosotra ahy hitory vaovao mahafaly amin'izay ory i Yaveh. Naniraka ahy mba hanasitrana ny marary am-po Izy, mba hanambara fahafahana amin'reo babo, ary fisokafan'ny fonja ho an'ireo izay voafatotra. BSB BSB: The Spirit of the Lord GOD is on Me, because the LORD has anointed Me to preach good news to the poor. He has sent Me to bind up the brokenhearted, to proclaim liberty to the captives and freedom to the prisoners,
2 ULB Naniraka ahy mba hanambara ny taona fankasitrahan'i Yaveh, ny andron'ny valifatin'ny Andriamanintsika, sy mba hampionona an'izay rehetra misaona Izy. BSB BSB: to proclaim the year of the LORD’s favor and the day of our God’s vengeance, to comfort all who mourn,
3 ULB Naniraka ahy Izy—mba hanome ho an'ireo izay misaona ao Ziona—mba hanome satroka ho azy ireo fa tsy lavenona, diloilom-pifaliana fa tsy fisaonana, lamba fiderana ho solon'ny faharerahan'ny fanahy, mba hiantsoana azy ireo hoe hazon'ny fahamarinana, ilay nambolen'i Yaveh, mba homem-boninahitra izy. BSB BSB: to console the mourners in Zion—to give them a crown of beauty for ashes, the oil of joy for mourning, and a garment of praise for a spirit of despair. So they will be called oaks of righteousness, the planting of the LORD, that He may be glorified.
4 ULB Hanangana ireo rava taloha indray izy ireo; hamerina ireo fandravana teo aloha indray izy ireo. Hamerina ireo tanàna rava indray izy ireo, ireo fandravana tamin'ny taranaka maro teo aloha. BSB BSB: They will rebuild the ancient ruins; they will restore the places long devastated; they will renew the ruined cities, the desolations of many generations.
5 ULB Hitsangana ary hamahana an'ireo ondry aman'osinareo ireo vahiny, ary ireo zanaka lahin'ny vahiny hiasa ny sahanareo sy ny tanim-boalobokareo. BSB BSB: Strangers will stand and feed your flocks, and foreigners will be your plowmen and vinedressers.
6 ULB Ho antsoina hoe mpisoron'i Yaveh ianareo; hiantso anareo hoe mpanompon'ny Andriamanintsika izy ireo. Hihinana ny haren'ireo firenena ianareo, ary hirehareha amin'ny haren'izy ireo. BSB BSB: But you will be called the priests of the LORD; they will speak of you as ministers of our God; you will feed on the wealth of nations, and you will boast in their riches.
7 ULB Hahazo avo roa heny ianareo solon'ny henatrareo; ary hifaly amin'ny fizaran'izy ireo ianareo solon'ny fahafaham-baraka. Noho izany izy ireo dia hahazo zara avo roa heny amin'ny tanin'izy ireo; hafaliana mandrakizay no ho azy ireo. BSB BSB: Instead of shame, My people will have a double portion, and instead of humiliation, they will rejoice in their share; and so they will inherit a double portion in their land, and everlasting joy will be theirs.
8 ULB Fa Izaho, Yaveh, dia tia ny rariny, ary halako ny fandrobana sy ny herisetra tsy ara-drariny. Hamaly azy ireo am-pahamarinana Aho, ary hanao fanekena mandrakizay amin'izy ireo. BSB BSB: For I, the LORD, love justice; I hate robbery and iniquity; in My faithfulness I will give them their recompense and make an everlasting covenant with them.
9 ULB Ho fantatra eo amin'ireo firenena ny taranak'izy ireo, ary eo amin'ireo vahoaka ny zanak'izy ireo. Izay rehetra mahita azy ireo dia hanaiky azy ireo, fa izy ireo no vahoaka izay notahin'i Yaveh. BSB BSB: Their descendants will be known among the nations, and their offspring among the peoples. All who see them will acknowledge that they are a people the LORD has blessed.
10 ULB Hifaly tanteraka amin'i Yaveh aho; ho ravo ao amin'ny Andriamanitro aho. Fa Izy no nampiankanjo ahy tamin'ireo fitafian'ny famonjena; nampiankanjo ahy tamin'ny akanjo lavan'ny fahamarinana Izy, toy ny mpampankatra mandravaka ny tenany amin'ny satroka, ary toy ny ampankarina mandravaka ny tenany amin'ireo firavany. BSB BSB: I will rejoice greatly in the LORD, my soul will exult in my God; for He has clothed me with garments of salvation and wrapped me in a robe of righteousness, as a bridegroom wears a priestly headdress, as a bride adorns herself with her jewels.
11 ULB Fa tahaka ny tany mampitsimoka ny zava-maniry ao aminy, no hampanirian'i Yaveh fahamarinana sy fiderana eo anatrehan'ny firenena rehetra. BSB BSB: For as the earth brings forth its growth, and as a garden enables seed to spring up, so the Lord GOD will cause righteousness and praise to spring up before all the nations.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.